-
Mpitsara 19:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Dia nitsangana mba hanainga ralehilahy+ sy ilay vadikeliny+ ary ilay mpanompony.+ Fa hoy ny rafozany, rain-dravehivavy, taminy: “Jereo fa efa folaka ny andro ka efa ho hariva. Koa matoria re atỳ ianareo anio alina e!+ Efa hilentika ny masoandro ka matoria atỳ, ary aoka ho faly ny fonao.+ Ary rahampitso dia hifoha maraina ianareo, ka handeha hody any amin’ny tranolainao.”
-
-
Mpitsara 19:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Raha mbola nampifalifaly ny fony teo izy ireo,+ dia tonga ny lehilahy tao an-tanàna, izay olona tena tsy manjary,+ ka nihodidina an’ilay trano.+ Dia nifanosika nandona ny varavarana izy ireo, sady tsy nitsahatra niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: “Avoahy atỳ ilay lehilahy niditra tao an-tranonao iny mba hanaovanay firaisana.”+
-