FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 7:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Aza mivadi-po noho ny aminy, fa eo aminao i Jehovah Andriamanitrao,+ izay Andriamanitra lehibe sy mendrika hatahorana.+

  • Deoteronomia 28:58
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 58 “Raha tsy miezaka mafy ianareo hanatanteraka ny teny rehetra ao amin’ny lalàna izay voasoratra ato amin’ity boky ity,+ mba hatahotra an’ilay anarana be voninahitra+ sy mendrika hatahorana+ hoe Jehovah,+ eny, ilay Andriamanitrareo,

  • Nehemia 9:32
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 “Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ry Andriamanitra lehibe+ sy mahery+ ary mendrika hatahorana,+ izay manaja fifanekena+ sy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana!+ Aza atao tsinontsinona+ re ny fahoriana rehetra nanjo anay+ sy ny mpanjakanay+ sy ny andriananay+ sy ny mpisoronay+ sy ny mpaminaninay+ sy ny razanay+ ary ny olonao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asyria ka mandraka androany.+

  • Salamo 8:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Ry Jehovah Tomponay ô, heni-kaja eran-tany ny anaranao,+

      Tantaraina any ambonin’ny lanitra ny voninahitrao!+

  • Salamo 66:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Milazà amin’Andriamanitra hoe: “Mampahatahotra tokoa ny asanao!+

      Lehibe ny herinao, ka hanatona anao amin-tahotra ny fahavalonao.+

  • Salamo 148:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Aoka samy hidera ny anaran’i Jehovah ireo,+

      Fa ny anarany ihany no avo indrindra.+

      Ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.+

  • Isaia 29:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa rehefa hitany eo aminy ny zanany izay asan’ny tanako,+ dia hanamasina ny anarako+ izy ireo, eny, hanamasina an’Ilay Masin’i Jakoba,+ ary hatahotra sy hanaja an’ilay Andriamanitry ny Israely.+

  • Apokalypsy 15:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Iza no tsy hatahotra anao,+ Jehovah ô,+ ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao,+ satria ianao irery ihany no tsy mivadika?+ Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra,+ satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara