FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:58
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 58 “Raha tsy miezaka mafy ianareo hanatanteraka ny teny rehetra ao amin’ny lalàna izay voasoratra ato amin’ity boky ity,+ mba hatahotra an’ilay anarana be voninahitra+ sy mendrika hatahorana+ hoe Jehovah,+ eny, ilay Andriamanitrareo,

  • 1 Tantara 16:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ataovy ho reharehanareo ny anarany+ masina,+

      Ary aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah.+

  • Salamo 89:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Andriamanitra tokony hohajaina izy, eo anivon’ireo masina mpinamana akaiky.+

      Be voninahitra sy mendrika hatahorana izy, eo amin’izay rehetra manodidina azy.+

  • Salamo 99:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Aoka izy ireo hidera ny anaranao.+

      Be voninahitra sy mendrika hatahorana ary masina izy io.+

  • Isaia 6:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary nanao antso nifamalivaly izy ireo hoe: “Masina, masina, masina i Jehovah Tompon’ny tafika!+ Ahitana taratry ny voninahiny ny zava-drehetra mameno ny tany.”

  • Malakia 1:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “Voaozona izay fetsifetsy ka manao sorona biby misy tsininy ho an’i Jehovah rehefa mivoady, nefa misy biby tsy manan-kilema ihany ao amin’ny andiam-bibiny.+ Fa Mpanjaka lehibe+ aho, ary ny anarako dia mendrika hatahoran’ireo firenena”,+ hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.

  • Lioka 1:49
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 49 satria nanao asa lehibe ho ahy Ilay mahery, ary masina ny anarany.+

  • Apokalypsy 4:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Samy nanana elatra enina+ avy ireo zavamananaina efatra,+ ary feno maso+ nanerana ny elany sy tao ambany elany. Tsy nitsahatra niteny izy ireo, na andro na alina, hoe: “Masina, masina, masina i Jehovah+ Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra,+ ilay taloha sy ankehitriny+ ary ho avy.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara