FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 60:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao ary tsy hihena ny volana manazava anao, satria i Jehovah no ho fahazavanao+ mandritra ny fotoana tsy voafetra, ary ho tapitra ny andro fisaonanao.+

  • Habakoka 3:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Toy ny hazavana+ ny famirapiratany. Tara-pahazavana roa no avy teo amin’ny tanany, ary teo no niafenan’ny heriny.+

  • Habakoka 3:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tsy nihetsika teny amin’ny fonenany eny ambony+ ny masoandro sy ny volana.+ Toy ny hazavana ny zana-tsipìkanao, izay nandeha tsy an-kiato.+ Ny fanjelanjelatry ny lefonao no nampisy hazavana mamirapiratra.+

  • Apokalypsy 21:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Ary tsy nila ny masoandro na ny volana mba hanazava azy ilay tanàna, fa ny voninahitr’Andriamanitra no nanazava azy,+ ary ny Zanak’ondry no jirony.+

  • Apokalypsy 22:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Tsy hisy alina intsony+ koa, ka tsy mila fahazavan’ny jiro na fahazavan’ny masoandro izy ireo, satria hanazava azy i Jehovah Andriamanitra.+ Ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy ireo.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara