FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 63:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 “Izaho irery no nanitsakitsaka ny voaloboka tao anaty lavaka famiazana azy,+ fa tsy nisy niaraka tamiko ny olona avy tamin’ny vahoaka. Dia nanitsakitsaka an’ireny tao anatin’ny fahatezerako+ aho, ary nanosihosy azy tao anatin’ny fahavinirako.+ Koa nipitipitika teny amin’ny akanjoko ny rany nifantsitsitra,+ ka voalotoko daholo ny akanjoko.

  • Joela 3:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Arosoy ny antsy fijinjana,+ fa masaka ny vokatra.+ Avia, midìna fa feno be ny lavaka famiazam-boaloboka,+ ary tondraka ny ao anatin’ny fanantazana ka mihoatra. Fa nanjary nitombo be ny faharatsian’ireo firenena.+

  • Apokalypsy 14:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ary ilay anjely+ izay nijinja ny tany tamin’ny antsy fijinjany sy nanangona ny voaloboky+ ny tany, dia nanipy mafy izany tao amin’ny famiazam-boaloboka lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra.+

  • Apokalypsy 19:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ary nisy sabatra maranitra lava lela nivoaka avy tamin’ny vavany+ mba hamelezany ny firenena. Ary hifehy* azy ireo amin’ny tehim-by izy.+ Nohitsakitsahiny koa ny voaloboka tao anaty famiazam-boaloboky+ ny fisafoaky ny fahatezeran’Andriamanitra,+ ilay Mahery Indrindra.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara