Salamo 107:11 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 11 Satria nikomy+ tsy nanaraka ny tenin’Andriamanitra,+Ary tsy niraharaha ny torohevitr’ilay Avo Indrindra.+ Isaia 1:4 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 4 Lozan’ilay firenena mpanota,+ ilay vahoaka mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy+ sy zanaka mandoza!+ Efa nahafoy an’i Jehovah izy ireo,+ sady naniratsira an’Ilay Masin’ny Israely,+ ary efa niala taminy.+ Isaia 30:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Fa vahoaka mpikomy+ izy ireo, ary zanaka tsy atokisana+ sady tsy vonona hihaino ny lalàn’i Jehovah.+ Jeremia 16:12 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 12 Ary ianareo koa vao mainka manao ratsy mihoatra noho ny razanareo,+ ary samy mandeha araka ny ditran’ny+ fo ratsinareo ianareo ka tsy mankatò ahy.+ Fitomaniana 1:20 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 20 Jehovah ô, jereo fa azom-pahoriana mafy aho. Mangotikotika ny tsinaiko.+Feno tebiteby ny foko tao anatiko tao,+ fa nikomy tanteraka aho.+Tany ivelany dia nandripaka ankizy ny sabatra,+ ary tao an-trano koa nisy fahafatesana.+ Daniela 9:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Anao, ry Jehovah Andriamanitray, ny famindram-po+ sy ny famelan-keloka,+ nefa nikomy taminao izahay.+
11 Satria nikomy+ tsy nanaraka ny tenin’Andriamanitra,+Ary tsy niraharaha ny torohevitr’ilay Avo Indrindra.+
4 Lozan’ilay firenena mpanota,+ ilay vahoaka mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy+ sy zanaka mandoza!+ Efa nahafoy an’i Jehovah izy ireo,+ sady naniratsira an’Ilay Masin’ny Israely,+ ary efa niala taminy.+
9 Fa vahoaka mpikomy+ izy ireo, ary zanaka tsy atokisana+ sady tsy vonona hihaino ny lalàn’i Jehovah.+
12 Ary ianareo koa vao mainka manao ratsy mihoatra noho ny razanareo,+ ary samy mandeha araka ny ditran’ny+ fo ratsinareo ianareo ka tsy mankatò ahy.+
20 Jehovah ô, jereo fa azom-pahoriana mafy aho. Mangotikotika ny tsinaiko.+Feno tebiteby ny foko tao anatiko tao,+ fa nikomy tanteraka aho.+Tany ivelany dia nandripaka ankizy ny sabatra,+ ary tao an-trano koa nisy fahafatesana.+
9 Anao, ry Jehovah Andriamanitray, ny famindram-po+ sy ny famelan-keloka,+ nefa nikomy taminao izahay.+