FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 22:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Tsy misy hery intsony ato amiko, fa maina toy ny silaka vilany tany aho.+

      Miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako,+

      Ary eo amin’ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy.+

  • Isaia 53:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Notrobarana+ noho ny helokay+ anefa izy, ary notorotoroina noho ny fahadisoanay.+ Nihatra taminy ilay sazy nahazoanay fihavanana,+ ary ny ratrany+ no nahazoanay fanasitranana.+

  • Isaia 53:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Nampahorina izy ary tsy nomena rariny.+ Iza no handinika ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany?+ Fa nesorina hiala+ tamin’ny tanin’ny velona+ izy. Nokapohina+ koa izy noho ny heloky+ ny oloko.

  • Daniela 11:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Ho resiny ireo sandry*+ izay manafotra toy ny tondra-drano, ka ho torotoro.+ Ary ho torotoro koa+ ilay Mpitarika+ izay mampanan-kery ny fifanekena.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara