Inona no havalintsika an’i Jehovah?
REHEFA misy olona mihevitra amim-pahatsorana sy amin-kafanam-po antsika, amin’ny fanampiana antsika, ohatra, ahoana no fandraisantsika izany? Mandrakariva ny fahatsaram-panahy sy ny fahalalan-tanana dia miteraka fankasitrahana, sa tsy izany? Inona àry no fihetseham-po tsapantsika amin’ilay Andriamanitsika, Jehovah, noho ny hatsaram-po asehony amintsika isan’andro isan’andro?
Noho ny fiainana misamboaravoara diavintsika, dia mety ho mora amintsika tokoa ny tsy hihevitra firy ireo soa omen’i Jehovah antsika, na hanao zavatra toy ny hoe tsy tena velom-pankasitrahana azy isika. Mety àry ny handinihantsika ity fanontanian’ny mpanao salamo ity: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” (Salamo 116:12). Amin’ny fomba ahoana no hampisehoantsika azy ny fankasitrahantsika?
Ireo soa raisintsika avy amin’i Jehovah
Raha tsy nanome antsika ny Teniny, ny Baiboly, Jehovah, dia ho very tanteraka isika! Tao anatin’ireo taonjato lasa, dia nisy lehilahy sy vehivavy be herim-po nanao vy very ny ainy mba hananana sy hamakiana an’io boky io, ary takatsika ankehitriny ny antony. Nankamamy foana ny Soratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireo olon’Andriamanitra, satria tsapan’izy ireny fa ilaina izany “ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. — 2 Timoty 3:16.
Fantatsika anefa fa mba hahatonga “ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra”, dia tsy ampy ny manana fahalalana ara-tsaina ny Baiboly (2 Timoty 3:17). Noho ny hery, dia ny fanahy masin’Andriamanitra no andraisantsika soa eo amin’ny fiainantsika. Manintona ny saintsika ho amin’izany toe-javatra izany Jehovah amin’izao fanambarana mampihetsi-po izao, nampanoratiny ara-tsindrimandry an’Isaia mpaminaniny: “Ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny [eny, ny fanahiny, MN ]. Izao no lazain’i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin’ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.” (Isaia 48:16-18). Mitarika antsika amin’ny fanahiny masina sy ny Teniny Jehovah, mba handraisantsika soa avy amin’izany, hany ka manandrana fiadanana sy fahamarinana isika.
Afa-tsy izany koa, ny hery miasan’i Jehovah dia miasa amin’ny fomba mandaitra mba hahasoa antsika amin’ny fiasana amin’ny alalan’ny fandaminana iray eto an-tany. Noho izany antony izany, ao amin’ny 1 Korintiana toko faha-12, dia oharin’i Paoly amin’ny tena iray ny kongregasiona kristiana. Izao no ambarany eo amin’ny andininy faha-7: “Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa.” Asehony manaraka izany fa mitondra soa ho antsika ny maha-anisan’ny fandaminan’Andriamanitra eto an-tany antsika.
Dimy taona teo ho eo taorian’ny nanoratany ireo andalan-tsoratra ireo, tao amin’ny taratasiny ho an’ny kongregasiona tany Efesosy, dia noresahin’i Paoly bebe kokoa ny amin’ireo soa azo amin’ny fiarahana amin’io fandaminana eto an-tany io. Na dia mihatra voalohany indrindra amin’ireo kristiana voahosotra aza ny teniny, moa ve tsy azo atao ny milaza fa ireo anisan’ny “olona betsaka” koa dia ‘tanterahina ho amin’ny asan’ny fanompoana’ amin’izao androntsika izao? Moa ve izy ireny tsy tonga “lehilahy lehibe” eo amin’ny lafiny ara-panahy? Moa ve tsy manjary miorina mafy ao amin’ny finoana izy ireny satria ‘tsy zaza intsony’? Ary moa ve tsy marina fa ‘amin’ny fitiavana dia hitombo amin’ny zavatra rehetra izy ho amin’Izay Loha, dia Kristy’? (Apokalypsy 7:9; Efesiana 4:12-16.) Manana antony tsara tokony hisehoana ho velom-pankasitrahana àry isika rehetra.
Ny mpanompo mahatoky sy malina, fantatra ho ny kongregasiona kristiana, dia mandany hery mba hamahanana antsika amin’ny lafiny ara-panahy. Porofo hafa koa izany fa mitondra soa ho antsika Jehovah (Matio 24:45, 46). Miaina amin’ny fotoana tokony ho ny an’ny fanatrehan’ny Tompo isika izao. Manatanteraka ny asa nanirahana azy ve ny “mpanompo”? Na dia ao aza ireo fahasahiranana mampiavaka ny “andro farany”, feno fanantenana ve isika? Manana zava-kendrena tsara ve isika eo amin’ny fiainana (2 Timoty 3:1-5, MN; Romana 5:5; 1 Timoty 4:10)? Izany dia izany tokoa! Ary tsy fanombantombanana akory ny fanantenantsika, fa fiekena mafy miorina amin’ny finoantsika izay miorina amin’ny porofo mafy orina indray kosa. — Hebreo 11:1.
Jehovah, Mpanao soa lehibe ho antsika, àry dia miharihary fa nanolotra ho antsika, fanomezana be dia be tokony hiteraka ny fankasitrahantsika. Mety àry ny hanontanian’ny tsirairay avy amintsika tena hoe:
Inona no havaliko an’i Jehovah?
Voalohany indrindra, dia tokony hiaiky isika fa tsy mila ny homentsika na inona na inona Jehovah. Izy no milaza hoe: “Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena” toy “ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra”. (Hagay 2:8; Salamo 50:10; Joba 41:11.) Milaza izany fa tsy misy mihitsy fomba azontsika ‘ividianana’ ny fankasitrahan’Andriamanitra. Na dia izany aza, dia ampirisihina isika mba hanolotra fanomezana an-tsitrapo (jereo 1 Tantara 29:14). Ilaintsika anefa ny mahafeno fepetra sasany mba hahafahana manolotra fanomezana ho an’i Jehovah.
“Inona no ho entiko manatona an’i Jehovah sy miondrika eo anatrehan’Andriamanitra Izay any amin’ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra adorana sy ombilahy kely iray taona va aho? Ho sitrak’i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ny fanahiko? Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.” — Mika 6:6-8.
Ampahafantarin’ireo andinin-teny ireo antsika fa araka ny marina mandrakariva ny fepetra takin’i Jehovah ary azo atao mandrakariva ny manatanteraka izany. Afa-tsy izany koa, dia nosoritan’i Jesosy fa tokony hitana fifandraisana tsara amin’i Jehovah sy amin’ny namantsika aloha isika raha tiantsika ny hankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitsika (Matio 5:23, 24). Amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ireo zavatra fantatra tena lehibe ireo, dia takatsika izao fa tokony hanome zavatra ho an’i Jehovah daholo isika, ho fankasitrahana noho ny hatsaram-po asehony amintsika.
Ahoana no azontsika ampiasana izay ananantsika?
Mitaky fotoana sy fiezahana ary vola kely ny ho solontenan’i Jehovah eo amin’ny asa fitoriana, nefa tombontsoa lehibe toy inona moa izany! Afaka manolotra ho an’i Jehovah io fanati-piderana io isika rehetra. Naneho ny fihetseham-pony ny amin’izany toy izao ny loholona iray, manana zanaka madinika telo, izay mpitory maharitra:
“Mendrika ny sorona manokana rehetra ny tombontsoa manompo an’i Jehovah, ary mihoatra noho izany aza, satria io no fomba tsara indrindra fanolorana fiderana ho an’ny Raintsika any an-danitra. Afaka misaotra azy koa aho noho ny hatsaram-po nasehony tamiko manokana.”
Nanampy teny toy izao ny vadiny: “Tena tombontsoa ho ahy ny manampy ny vadiko hanao ny asan’ny mpitory maharitra. Izany dia mahatonga ny fianakavianay manontolo ho afaka handray anjara misimisy kokoa amin’ny fitoriana. Ary ny fahitana an’i Jehovah manokatra ny tanany amim-pitiavana mba hanomezana izay ilainay ara-panahy sy ara-nofo dia manosika anay hidera azy bebe kokoa ihany.”
Hatramin’ny taonjato iray mahery ny Fikambanana Watch Tower dia mampiely Baiboly sy boky momba ny Baiboly amin’ny alalan’ny mpiasa an-tsitrapo, ary amin’ny fanontam-pirintiny ihany no anontany ireny zavatra voasoratra ireny nanomboka tamin’ny 1920. Ny fotoana sy ny fiezahana atokan’ireo izay manompo an-tsitrapo ao amin’ny Betela mba hamoahana ny boky rehetra ampiasaintsika amin’izao fotoana izao, mbamin’ny asan’ireo mpitory tsotra sy mpitory maharitra mizara izany, raha ny marina dia fanatitra amboniny ho fanohanana ny asa fitoriana lehibe indrindra. — Matio 24:14.
Etsy an-daniny koa, ireo kristiana miaina ao amin’ny tany manana toe-karena tsy mihilangilana oharina amin’ny hafa, dia faly mahafantatra fa noho ny fanomezana alefany amim-pahalalahan-tanana any amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ao amin’ny taniny, dia maro be amin’ireo rahalahiny no afaka manokana ny fotoanany rehetra ho amin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra any amin’ny faritra hafa eo amin’izao tontolo izao. Ireny fanomezana an-tsitrapo ireny dia mahatonga ho afaka hanampy ireo misionera miofana tao amin’ny Sekolin’i Gileada (sekoly fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watch Tower), ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika ary ireo mpitory maharitra manokana mba hahafahany manohy manompo an’i Jehovah manontolo andro.
Angamba ianao tsy afaka ny hiasa ao amin’ny Betela na ho anisan’ny mpiasa an-tsitrapo izay mandray anjara amin’ny Fandaharam-panorenana iraisam-pirenena. Mety ho manana fahafahana kosa anefa ianao hanohana ireo izay nilatsaka hanao io asa io, nefa tsy manana izay “ambiny” ananan’ny hafa, mba hanohizana izany. Azo atao àry ny fampitoviana mahasoa, dia fampitoviana resahina ao amin’ny 2 Korintiana 8:14. Izao no nosoratan’ny vehivavy kristiana be taona iray momba izany, tao amin’ny taratasy nampiarahina tamin’ny fanomezana karazan’izany:
“Velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah aho noho ny soa rehetra omeny ahy, ary tsy mitsahatra ny mivavaka aminy aho mba hitahiany ireo volavolan-kevi-panorenana sy ny fandaminany.”
Nilaza toy izao ny vehivavy kristiana hafa iray: “Aleoko ity vola kely ity ampiasaina ho an’ny tombontsoa teokratika toy izay hijanona any amin’ny fametraham-bola izay hahita fatiantoka tsy ho ela!”
Nilaza hevitra toy izao ny Vavolombelona iray: “Amin’ny fanoroana hevitra antsika mba hampiasa ny fananantsika hanomezam-boninahitra azy no iarovan’i Jehovah antsika amin’ny fomba mandaitra amin’ny varotra mampiseho fieremana, dia ny ‘sampany fahatelo’ amin’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana. Manararaotra ity taratasy ity aho mba hilazana aminareo ny hafaliako manao fanomezana izay handray anjara amin’ny fanafainganana ny fitomboana omen’i Jehovah antsika, ary misaotra azy aho noho ny anomezany ahy fahafahana hanao izany.”
Samy manolotra fanomezana na tanora na be taona
Mampahery ny mamaky taratasin’olona be taona mahatoky sy manana fahavononana izay, sady manantena ny ho tafita velona amin’ny faran’izao fandehan-javatra izao, no manoratra didim-pananana ara-dalàna mba hahazoana antoka fa raha sendra maty izy, dia hampiasaina ho an’ny asan’ilay Fanjakana ny fananany. Toy izao ny tapatapany vitsivitsy amin’ny taratasin’olona nanao didim-pananana, mampiseho ny toe-tsaina tsara dia tsara ananan’ireny olona ireny:
“Tamin’ny fiainany rehetra ity vehivavy ity dia nampiseho hatsaram-po tamin’ny rehetra (...) tia an’i Jehovah sy ny zavatra noforoniny izy.”
“Ny tombontsoan’ilay Fanjakana no zavatra nimasoany mandrakariva.”
“Nahazo ny valisoany any an-danitra izy rehefa avy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny 70 taona (...). Ny faniriany dia ny hampiasa hatrany ny fananany mba hampandrosoana ny fahamarinana.”
Amim-pifaliana koa no ahatsapantsika fa misy tanora vonona ny hampiasa ny fananany ara-nofo mba hanohanana ny asan’i Jehovah. Tany Grande-Bretagne, ny sampan’ny Fikambanana dia naharay taratasy avy amin’ny mpitory iray mbola mianatra any an-tsekoly. Tantarain’io zazavavy io ao fa nahazo ny loka voalohany izy tamin’ny fifaninanana asa soratra. Nampiarahiny tamin’ny taratasiny ny vola rehetra. Koa satria tsy misy afa-tsy tao amin’ny bokin’ny Fikambanana no nakany hevitra mba hanoratana araka ny foto-kevitra hoe “Ireo andraikitra kristiana”, dia tsapany fa an’i Jehovah io vola io.
Rehefa avy nanontany izay havaliny an’i Jehovah ny mpanoratra ny Salamo 116 dia manampy teny toy izao eo amin’ny andininy faha-13 sy 14: “Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaran’i Jehovah. Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho. Eny, eo anatrehan’ny olony rehetra.” Velom-pankasitrahana isika noho ny fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah tamin’ny nanolorana ny Zanany hamonjy antsika ary, sahala amin’ny mpanao salamo, dia mahatsiaro ho voatosika hiantso azy sy hitana ny teny nataontsika teo anatrehany isika.
Mitahy dia mitahy antsika tokoa Jehovah, ka izay rehetra azontsika atolotra azy mba hisaorana azy dia hita ho tsinontsinona tokoa raha oharina amin’izany. Mba hampisehoana aminy ny fankasitrahantsika, dia mety àry ny hanaovantsika izay rehetra azontsika atao ho azy, amin’ny fampiasana ny fomba rehetra ananantsika. “Hianao no haterako fanati-pisaorana, ary ny anaran’i Jehovah no hantsoiko.” — Salamo 116:17.
[Efajoro, pejy 26]
NY FOMBA FANOLORANA FANOMEZANA (ARAKARAKA NY TANY)
◻ FANOMEZANA: Ny fanomezana dia azo alefa mivantana any amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, Etazonia, na any amin’ny sampan’ny Fikambanana ao amin’ny taninao. Azo atao koa ny manome fananana tsy azo afindra toy ny trano na tany, firavaka, na fananana hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny mba hilazana fa fanomezana an-tsitrapo izany.
◻ FANOMEZANA MISY FEPETRA: Azo atao ny manankina vola amin’ny Fikambanana Watch Tower amin’ny fanasiana fepetra mba hampamerina izany raha ilaina.
◻ FANEKEM-PIANTOHANA: Azo atao ny mampanao fanekem-piantohana raha mbola velona koa, ho an’ny Fikambanana Watch Tower. Raha izany no izy, dia tokony hampandrenesina ny Fikambanana.
◻ FIDÉICOMMIS: Any amin’ny tany sasany, dia azo atao ny manokatra kaonty any amin’ny fametraham-bola mba hampiasain’ny Fikambanana Watch Tower. Ilaina amin’izay ny mampandre azy. Azo atao koa ny manome “actions”, “obligations” sy fananana, ka manome fepetra ilay mpanome mba ho afaka hanana izany raha mbola velona. Io fomba io dia manafoana ny fandaniana sy ny tsy fahazoana antoka ny hanekena ho ara-dalàna ny didim-pananana, sady manome antoka ho an’ny Fikambanana Watch Tower fa ho afaka handray ny fananana izy raha misy fahafatesana.
◻ DIDIM-PANANANA: Any amin’ny tany sasany (fa tsy any Frantsa), ny fananana tsy azo afindra toy ny trano na tany na ny vola dia azo ampandovaina ny Fikambanana amin’ny alalan’ny didim-pananana atao ara-dalàna. Tokony halefa any amin’ny Fikambanana amin’izay ny kopian’ny didim-pananana.
Raha tianao ny hahazo fanazavana misimisy kokoa na torohevitra momba izany, dia manorata amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, 25 Columbia Heights, Brooklyn, New York 11201, Etazonia, na ao amin’ny sampan’ny Fikambanana ao amin’ny taninao.