Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
5-11 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 12
Mahasoa ny Miasa Mafy
Toetra Sarobidy Noho ny Diamondra
Sarotra be amin’ny mpanompon’i Jehovah sasany indraindray ny mahazo vola ampy mba hahazoana an’izay tena ilainy. Miasa mafy sy mazoto anefa izy ireo, fa tsy mitady fomba tsotsotra hahazoana vola amin’ny tsy marina. Hita amin’izany hoe sarobidy amin’izy ireo mihoatra noho ny vola sy harena ny toetra tsara, anisan’izany ny fanaovana ny marina.—Ohab. 12:24; Efes. 4:28.
Te ho Faly ve Ianao Rehefa Miasa?
Io fanontaniana farany io no tena tsara hosaintsainina. Rehefa hitanao mantsy hoe mahasoa olona ny asanao, dia amin’izay ianao vao tena ho afa-po. Hoy i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Misy olona mandray soa mivantana amin’ny asanao, ohatra hoe ny mpampiasa anao na ny mpanjifa. Tsy izy ireo ihany anefa no mandray soa fa misy hafa koa, anisan’izany ny ankohonanao sy ny olona sahirana.
Ny ankohonanao. Roa, fara fahakeliny, ny soa ho azon’ny ankohonanao, raha miasa mafy ianao mba hamelomana azy ireo. Voalohany, ho afaka hanome an’izay zavatra tena ilainy ianao, izany hoe sakafo sy akanjo ary trano. Raha miasa mafy àry ianao, dia hahavita ‘hanome izay ilain’ny olona tokony ho adidinao.’ Izany no andraikitra napetrak’Andriamanitra taminao. (1 Timoty 5:8) Faharoa, ho hitan’ny ankohonanao fa tena ilaina ny miasa mafy. Hoy i Shane, ilay voaresaka tany aloha: “Tena modely dadanay satria niasa tsara. Niasa mafy foana izy hatramin’izay sady nanao ny marina. Nandrafitra no tena nataony. Nianarako avy taminy hoe hafa mihitsy ny manao asa tanana satria manamboatra zavatra ilain’ny olona ianao amin’ilay izy.”
Ireo sahirana. Nanoro hevitra ny Kristianina ny apostoly Paoly mba “hiasa mafy”, amin’izay izy ireo “hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” (Efesianina 4:28) Mety ho afaka hanampy ny sahirana tokoa isika rehefa miasa mafy mba hamelomana ny tenantsika sy ny ankohonantsika. (Ohabolana 3:27) Ho sambatra kokoa àry isika rehefa miasa mafy.
Vatosoa Ara-panahy
Tsy Mora Kivy ve Aho?
● Fantaro raha tena olana be ilay izy na tsia. Mila mahay manavaka ianao hoe inona no olana lehibe ary inona no olana kely. Hoy ny Baiboly: “Ny olona adala no mampiseho avy hatrany ny fahasosorany, fa ny malina kosa mifehy tena mba tsy ho afa-baraka.” (Ohabolana 12:16) Tsy voatery hataonao mahakivy anao daholo izay olana rehetra mitranga.
“Zavatra kely fotsiny dia efa mampitaraina ny ankizy any am-pianaranay. Hoatran’ireny olana be ireny ilay izy aminy. Manoratra ao amin’ny tambazotran-tserasera koa ny namany avy eo hoe rariny izy raha mitaraina, dia vao mainka izy romotra. Lasa tsy hainy ny manavaka hoe olana be ve ilay izy sa tsia.”—Joanne.
12-18 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 13
Aza Manaiky ho Voafitaky ny “Jiron’ny Ratsy Fanahy”
Jiro
Heviny an’ohatra hafa. Toy ny hoe jiro koa izay ampiasain’ny olona hanazavana ny lalany. Hoy ny ohabolana momba ny tsy fitovian’ny olo-marina sy ny ratsy fanahy: “Ny fahazavan’ny marina hampifaly azy, fa ho faty kosa ny jiron’ny ratsy fanahy.” (Oh 13:9) Hamirapiratra kokoa ny fahazavan’ny marina, fa ny jiron’ny ratsy fanahy kosa hovonoin’Andriamanitra. Ho ao anatin’ny haizina àry izy ka ho tafintohina, na dia toa namirapiratra be aza ny jirony ary toa nandeha tsara ny fiainany. Ho faty koa ny jiron’izay manozona ny rainy sy ny reniny.—Oh 20:20.
Ny hoe ‘ho faty ny jiron’ny’ olona iray dia midika koa hoe tsy hanana hoavy tsara izy. Hoy mantsy ny Ohabolana 24:20: “Tsy hanana hoavy tsara ny olon-dratsy, ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.”
Manompoa An’ilay Andriamanitra Manome Fahafahana
3 Vitan’i Satana ny nitaona olombelona lavorary sy anjely maro mba handa ny zon’i Jehovah hitondra. Mety ho vitany koa àry ny hitaona antsika. Mbola tsy miova ny tetiny. Ataony izay hahatonga antsika hieritreritra hoe manavesatra ny fitsipik’i Jehovah sady misakana antsika tsy hifalifaly. (1 Jaona 5:3) Mety hisy heriny lehibe amintsika izany toe-tsaina izany, satria izany no toe-tsain’ny olona manodidina antsika. Hoy ny anabavy iray 24 taona: “Nanana naman-dratsy aho, ary tena nisy vokany tamiko izany, satria natahotra aho hampiseho hoe tsy nitovy hevitra tamin’izy ireo.” Nijangajanga izy vokatr’izany. Efa nahatsapa koa ve ianao hoe tena nisy heriny teo aminao ny namana?
Manao Zavatra Araka ny Fahalalana ny Mahira-tsaina
Hovalian-tsoa ny olon-kendry sy marina, izay manao zavatra araka ny fahalalana marina. Manome toky antsika i Solomona hoe: “Ny marina mihinana ka voky tsara; fa noana ny kibon’ny ratsy fanahy.” (Ohabolana 13:25) Fantatr’i Jehovah izay hahasoa antsika eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika, na eo amin’ny raharaham-pianakaviana izany, na eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, na eo amin’ny fanompoana, na rehefa mahazo fananarana isika. Azo antoka koa fa hanana ny fomba fiaina tsara indrindra isika, raha hendry ka mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Teniny.
Vatosoa Ara-panahy
it-1921 § 3
Fitiavana
Mety hivaona ny fitiavana. Hita amin’izany fa tsy afaka maneho fitiavana araka ny tokony ho izy ny olona, raha tsy mangataka ny fanahin’Andriamanitra, sy manaraka ny fitarihan’izy io, ary mampihatra ny fahalalana avy ao amin’ny Teniny. Mety hiraiki-po amin’ny zanany, ohatra, ny rainy na ny reniny. Mety hivaona anefa izany fitiavany izany, raha entin’ny fihetseham-po fotsiny izy ka mampanaram-po ny zanany. Mety tsy hampihatra ny fahefany izy, ka tsy hifehy an’ilay zanany ary tsy hanafay azy indraindray. (Oh 22:15) Tsy tena fitiavana izany, fa mety ho hambom-po kosa, izany hoe tia tena izy, raha ny marina. Milaza ny Baiboly fa tsy tia zanaka ny olona toy izany fa mankahala azy kosa, satria tsy manao izay hahavoavonjy ny ain’ny zanany.—Oh 13:24; 23:13, 14.
19-25 MEY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 14
Eritrereto Tsara Daholo Izay Ataonao Rehefa Misy Loza Mitranga
Fanomezan’Andriamanitra ny Aina ka Ankamamio
10 Indraindray isika tsy afaka misakana ny loza tsy hitranga, ohatra hoe horohoron-tany, rivo-doza, valanaretina, na ady. Rehefa mitranga anefa ireny, dia azo antoka kokoa hoe tsy ho voa isika ary mety ho tafavoaka velona, raha mankatò rehefa tsy avela mivezivezy amin’ny alina, sy asaina miala ao amin’ilay toerana, ary manaraka toromarika hafa. (Rom. 13:1, 5-7) Fantatra mialoha ny loza sasany. Tsara àry raha manaraka ny toromarika avy amin’ny manam-pahefana eo an-toerana isika, mba hanampiana antsika hiomana ho amin’izany. Mety hilaina, ohatra, ny mitahiry rano sy sakafo tsy mora simba ary fitaovana fitsaboana vonjimaika.
11 Inona no tokony hataontsika, raha misy areti-mifindra miparitaka any amin’ny toerana misy antsika? Tokony hankatò ny toromarika omen’ny manam-pahefana isika, ohatra hoe asaina manasa tanana matetika, manaja elanelana, manao aro vava orona, ary mihiboka. Rehefa mankatò an’ireny isika, dia mampiseho hoe tena mankasitraka ny aina nomen’Andriamanitra antsika.
12 Rehefa misy loza, dia mety hisy fanazavana tsy marina aparitaky ny namana sy ny mpiara-monina ary ny haino aman-jery. Tsy mety àry ny mino “an’izay teny rehetra” henontsika. (Vakio ny Ohabolana 14:15.) Aleo kosa mihaino an’izay vaovao azo antoka indrindra avy amin’ny fanjakana sy ny tompon’andraikitra momba ny fahasalamana. Miezaka mafy ny Filan-kevi-pitantanana sy ny biraon’ny sampana mba hahazo fanazavana marina tsara, izay vao manome toromarika momba ny fivorian’ny fiangonana sy ny fitoriana. (Heb. 13:17) Miaro ny tenantsika sy ny hafa isika rehefa manaraka an’ireny. Raha manao an’izany koa isika, dia vao mainka mety halaza tsara eo amin’ny fiaraha-monina ny fiangonana.—1 Pet. 2:12.
Miezaha ho Be Herim-po Hoatran’i Zadoka
11 Ahoana raha asaina manampy ny rahalahy sy anabavinao ianao mandritra ny fotoana mety hampidi-doza? Ahoana no ampisehoanao hoe be herim-po hoatran’i Zadoka ianao? 1) Manaraha tari-dalana. Tena zava-dehibe ny miray saina foana rehefa hoatr’izany. Araho ny tari-dalana omen’ny biraon’ny sampana eo an-toerana. (Heb. 13:17) Tokony haverin’ny anti-panahy dinihina matetika koa hoe ahoana no hiomanana ho amin’ny loza, ary inona ny toromariky ny fandaminana momba an’izay tokony hatao rehefa misy loza mananontanona. (1 Kor. 14:33, 40) 2) Miezaha ho be herim-po sy ho mailo foana. (Ohab. 22:3) Mieritrereta tsara aloha vao manao zavatra, dia aza misangy loza. 3) Miantehera amin’i Jehovah. Tadidio fa tena tian’i Jehovah harovana na ny ainao na ny ain’ny mpiara-manompo aminao. Afaka manampy anao hiaro an-dry zareo izy.
Vatosoa Ara-panahy
it-1503 § 4
Fahaiza-misaina
Mety ho halan’ny olona koa anefa ny olona tena mahay misaina. Izany angamba no tian’ny Ohabolana 14:17 holazaina amin’ny hoe: “Ny olona misaina kosa halan’ny olona.” Matetika tokoa no manaratsy an’ireo olona misaina ny olona tsy dia tia mampiasa ny sainy. Ankahalaina koa ny olona misaina, amin’ny ankapobeny, rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra. Hoy i Jesosy Kristy: “Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.” (Jn 15:19) Mety hidika hoe teti-dratsy anefa ilay teny hebreo nadika hoe “fahaiza-misaina” ao amin’ny Ohabolana 14:17. Mety hidika koa àry io andininy io hoe ankahalaina ny olona mamorona teti-dratsy. Izany rahateo no lazain’ny dikan-teny sasany, manao hoe: “Ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.”—Prot.; jereo koa DIEM.
26 MEY–1 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 15
Ampio ny Hafa mba ho Falifaly Foana
Aoka Isika Tsy Hivadika!
16 Tia nandray vahiny i Joba. (Joba 31:31, 32) Afaka ‘miezaka ho tia mandray vahiny’ koa isika, na tsy manankarena aza. (Rom. 12:13) Azontsika aroso na dia zavatra tsotra aza, satria “aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana, toy izay mihinana omby mifahy ao anatin’ny fifankahalana.” (Ohab. 15:17) Sady mahafinaritra no mampahery ny miara-misakafo amin’ny olona tsy mivadika sy be fitiavana, na dia tsotra aza ilay sakafo.
Amin’izao Indrindra Isika no Tokony Hifampahery
16 Aza mieritreritra hoe tsy afaka mampahery ianao satria hoe tsy dia mahay miresaka. Tsy sarotra be mantsy ilay izy. Raha mitsiky fotsiny, ohatra, ianao rehefa miarahaba olona, dia efa mety hampahery azy izany. Ahoana anefa raha tsy mitsiky aminao izy? Mety hidika izany hoe manana olana izy ary mila olona hiresahana. Na mihaino azy fotsiny aza ianao, dia efa mety hanamaivamaivana azy.—Jak. 1:19.
17 Kivy be ny rahalahy tanora atao hoe Henri. Maromaro mantsy ny havany akaiky lasa tsy nanompo an’i Jehovah intsony. Na ny dadany aza niala tamin’ny fahamarinana, nefa anti-panahy. Tsikaritry ny mpiandraikitra ny faritra hoe nalahelo be i Henri. Nentiny nisotro kafe àry izy, dia nohenoiny tsara rehefa namoaka ny tao am-pony. Hitan’i Henri taorian’izay hoe mila tsy mivadika izy, satria izay ihany no azony atao mba hanampiana ny havany hanompo an’i Jehovah indray. Nampahery be azy koa ny namaky ny Salamo faha-46 sy ny Zefania 3:17 ary ny Marka 10:29, 30.
18 Hitantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Marthe sy Henri fa afaka mampahery mpiara-manompo mila fampiononana isika rehetra. Hoy i Solomona Mpanjaka: “Tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety! Mahafaly ny fo ny famirapiratan’ny maso, ary ny tatitra tsara mamelombelona aina.” (Ohab. 15:23, 30) Mety hampahery olona kivy koa isika, raha mamaky aminy lahatsoratra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana na ny tranonkalantsika. Mety hahatsiaro ho maivamaivana koa ilay olona, raha miara-mihira hiran’ilay Fanjakana aminy isika. Hoy mantsy i Paoly: “Mifampianara sy mifananara [na mifampahereza] mandrakariva amin’ny salamo sy ny fiderana an’Andriamanitra ary ny hira mahafinaritra momba an’Andriamanitra, ka mihirà amin’ny fo ho an’i Jehovah.”—Kol. 3:16; Asa. 16:25.
Vatosoa Ara-panahy
Afaka Mitsabo Tena ve ny Kristianina Rehefa Marary?
2. Sao dia tokony hanontany dokotera hafa aho? Mety hanampy be anao mantsy raha “maro ny mpanolo-tsaina” anao, indrindra raha atahorana be ny aretinao.—Ohabolana 15:22.
2-8 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 16
Fanontaniana Telo Manampy Antsika Handray Fanapahan-kevitra Tsara
Ry Tanora, Mahaiza Misafidy
11 Ny manompo an’i Jehovah no mahasambatra indrindra antsika. (Ohab. 16:20) Toa nanadino an’izany i Baroka mpitan-tsoratr’i Jeremia. Nisy fotoana izy tsy nankafy ny fanompoana intsony. Hoy i Jehovah taminy: “Ianao ... mbola mikatsaka zavatra lehibe ho anao ihany. Aza mikatsaka izany intsony. Fa hahatonga loza amin’ny nofo rehetra aho ... nefa homeko ho babonao kosa ny ainao, any amin’ny toerana rehetra halehanao.” (Jer. 45:3, 5) Ahoana no hevitrao? Inona no tokony ho nataon’i Baroka raha te ho sambatra izy: Mikatsaka zavatra lehibe ve, sa manompo an’i Jehovah foana dia ho tafavoaka velona rehefa horinganina i Jerosalema?—Jak. 1:12.
12 Anisan’ireo rahalahy manampy olona i Ramiro ka sambatra. Hoy izy: “Nahantra izahay ary nipetraka tany amin’ny tanàna iray any amin’ny Tendrombohitra Andes. Nanana tombony be àry aho rehefa nilaza ny zokiko lahy fa vonona hiantoka ny fianarako eny amin’ny oniversite. Vao vita batisa anefa aho, ary nisy mpisava lalana nanasa ahy hanitatra faritany niaraka taminy, tany amin’ny tanàna kely iray. Nandeha tany aho, nianatra nanety, ary izany no nataoko fivelomana. Olona maro no nanaiky rehefa nasainay hianatra Baiboly. Nisy fiangonana vaovao nampiasa tenim-paritra tatỳ aoriana, ka nifindra tany aho. Efa folo taona aho izao no nanompo manontolo andro. Manampy olona hianatra ny vaovao tsara amin’ny fitenin-drazany aho, ka tsapako fa tsy misy asa hafa mahafaly noho izany.”
Efa Niova ve Ianao?
MISY vokany lalina eo amintsika rehetra ny fomba nitaizana antsika, ny kolontsaintsika, ny namantsika, ary ny fiaraha-monina misy antsika. Izany no mahatonga ny olona hanana ny fomba fiakanjony sy ny sakafo tiany ary ny fomba mahazatra azy.
2 Misy zavatra hafa lehibe kokoa noho ny sakafo sy ny fomba fiakanjo anefa. Anisan’izany ny fiheverantsika ny atao hoe tsara sy ratsy. Samy manana ny nitaizana azy ny tsirairay amin’io lafiny io, ka tsy mitovy hevitra. Misy vokany eo amin’ny safidy ataon’ny olona koa ny feon’ny fieritreretany. Milaza ny Baiboly fa matetika no “manao izay takin’ny lalàna ny olona hafa firenena tsy manana lalàna, satria voajanahary aminy izany.” (Rom. 2:14) Midika ve anefa izany fa rehefa tsy misy lalàna mazava tsara omen’Andriamanitra, dia afaka manaraka fotsiny an’izay nitaizana antsika isika, na izay fanaon’ny olona eo amin’ny misy antsika?
3 Misy antony lehibe roa, fara fahakeliny, mahatonga ny Kristianina tsy hanaraka befahatany ny fomba nitaizana azy na ny fanaon’ny besinimaro. Voalohany, milaza ny Baiboly hoe: “Misy lalana heverin’ny olona ho mahitsy, nefa any amin’ny fahafatesana no iafaran’izany.” (Ohab. 16:25) Tsy mahay mamantatra izay tena hahasoa antsika isika satria tsy lavorary, ka tsy haintsika ny fomba tsara indrindra hitondrana ny fiainantsika. (Ohab. 28:26; Jer. 10:23) Faharoa, asehon’ny Baiboly fa i Satana no “andriamanitr’ity tontolo ity”, ka ataony mifanaraka amin’izay tiany ny zavatra tian’ny besinimaro sy izay heverin’izy ireo fa tsara na ratsy. (2 Kor. 4:4; 1 Jaona 5:19) Mila manaraka ny torohevitra ao amin’ny Romanina 12:2 àry isika, raha te hotahin’i Jehovah sy hahazo sitraka aminy.—Vakio ny Romanina 12:2.
Vatosoa Ara-panahy
it-1567 § 4
Famaizana, Fananarana, Fifehezana
Vokany raha manaiky na tsy manaiky. Mankahala ny fananaran’i Jehovah ka tsy manaiky izany mihitsy ny ratsy fanahy sy ny adala ary ny ratsy fitondran-tena. (Sl 50:16, 17; Oh 1:7) Hadalana izany, ary famaizana mafy kokoa ny ho vokany. Hoy ny Ohabolana 16:22: ‘Hadalana ny anatra omen’ny adala.’ Mety hahantra, ho afa-baraka, harary na ho faty mihitsy ireo tsy manaiky fananarana. Nahita loza, ohatra, ny Israelita satria tsy niraharaha ny fananarana sy ny fanitsian’ny mpaminany. Mbola tsy nankatò ihany izy ireo na dia rehefa nofaizin’i Jehovah aza, ka tsy narovany sy tsy notahiny. Farany, nofaizina mafy izy ireo ka resy ary natao sesitany.—Je 2:30; 5:3; 7:28; 17:23; 32:33; Ho 7:12-16; 10:10; Ze 3:2.
9-15 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 17
Miezaha Hampisy Fihavanana ao An-tokantrano
Aza Mitana Lolompo
Miezaha handini-tena amin’ny saina tsy miangatra. Milaza ny Baiboly fa misy olona “mora tezitra” sy “mora misafoaka.” (Ohabolana 29:22) Hoatr’izany koa ve ianao? Saintsaino hoe: ‘Izaho ve mora tohina? Matetika ve aho no kizitina na sarotsarotiny amin-javatra tsy dia misy dikany?’ Hoy ihany ny Baiboly: ‘Izay mbola miresaka momba ny raharaha efa nivalona dia mampisaraka ny tena mpinamana.’ (Ohabolana 17:9; Mpitoriteny 7:9) Tsy ny mpinamana ihany no mety hisaraka amin’izany fa ny mpivady koa. Raha tsapanao àry fa mora tezitra ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Mba afaka mandefitra kokoa amin’ny vadiko ve aho?’—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Petera 4:8.
Famahana Olana
1. Manokàna fotoana hiresahana momba ilay olana. “Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy ... ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana.” (Mpitoriteny 3:1, 7) Mety hahatezitra na hampalahelo mafy ny olana sasany, araka ny hita amin’ilay fifamaliana voaresaka etsy aloha. Izao atao raha mitranga izany: Mahaiza mifehy tena ka ajanòny aloha ilay resaka mba hisian’ny ‘fahanginana’, dieny mbola tsy misy misafoaka. Hiaro ny fifandraisanareo tsy ho simba be ianareo, raha manaraka ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Ny fiandoham-pifandirana dia toy ny mamaky toha-drano; koa ajanòny izany dieny tsy mbola mihombo ny ady.”—Ohabolana 17:14, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.
Ao koa anefa ny “andro itenenana.” Mitombo haingana toy ny ahidratsy mantsy ny olana, rehefa tsy raharahaina. Aza odiana tsy hita àry ilay izy, na heverina fa hiravona fotsiny amin’izao. Raha najanonao ny resaka nifanaovanareo momba ny olana iray, dia mifidiana fotoana mba hiresahana an’ilay izy indray, tsy ela aorian’izay. Ho fanajana ny vadinao izany, sady hanampy anareo hampihatra ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesianina 4:26) Mazava ho azy fa mila mitana ny teny nataonao ianao, ka hiresaka momba ilay olana rehefa tonga ny fotoana.
Vatosoa Ara-panahy
it-2369 § 6
Maso
Fomba amoahana fihetseham-po ny fihetsika atao amin’ny maso. Mety hiantra na tsy hiantra olona, ohatra, ny maso. (De 19:13) Mety hanao “pimaso” koa ny olona maneso na mihatsaravelatsihy. (Sl 35:19; Oh 6:13; 16:30) Mety holazaina hoe “manakimpy ny masony” ny olona tsy te handinika izay manjo ny hafa na tsy te hanao soa aminy. (Mt 13:15; Oh 28:27) Voalaza fa “mivezivezy hatrany amin’ny faran’ny tany” ny mason’ny tsisy saina. (Oh 17:24) Midika izany fa mandehandeha etsy sy eroa izy ary mieritreritra an’izay rehetra tsy tokony hoeritreretiny. Hita eo amin’ny mason’ny olona koa aza raha salama sy mavitrika izy na tsia, ary na sambatra izy na tsia. (1Sa 14:27-29; De 34:7; Jb 17:7; Sl 6:7; 88:9) Hoy ny mpanao salamo tamin’i Jehovah: “Ianao no andrandrain’ny masoko.”—Sl 123:1.
16-22 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 18
Manaova Teny Mampahery Amin’ireo Tsy Salama
Miantsoantso ny Tena Fahendrena
17 Mieritrereta aloha vao miteny. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hisy vokany ratsy be ny tenintsika. Izao no lazain’ny Baiboly: “Manindrona hoatran’ny sabatra ny teny tsy voahevitra, fa manasitrana kosa ny tenin’ny hendry.” (Ohab. 12:18) Hihavana amin’ny hafa foana isika, raha tsy miresadresaka ny fahadisoany. (Ohab. 20:19) Tsy maintsy fenointsika fahalalana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fontsika, raha tiantsika hanasitrana ny tenintsika fa tsy handratra. (Lioka 6:45) Saintsaino àry izay lazain’ny Baiboly, dia ho lasa hoatran’ny “loharanom-pahendrena” hampahery ny hafa ny zavatra lazainao.—Ohab. 18:4.
mrt lahatsoratra 19, efajoro
Inona no Azonao Atao Raha Lasa Narary Tampoka Ianao na ny Olona Akaiky Anao?
Henoy tsara izy. Anisan’ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ny mihaino tsara azy rehefa te hiresaka izy. Aza mieritreritra hoe tsy maintsy valianao daholo izay zavatra rehetra lazainy. Matetika dia ilay ianao mihaino azy fotsiny dia efa ampy. Aza mitsaratsara azy. Aza tonga dia mieritreritra hoe azonao ny zavatra tsapany, indrindra raha tsy hita etỳ ivelany hoe marary izy.—Ohabolana 11:2.
Milazà teny mampahery. Raha tsy hainao izay hotenenina, dia afaka miteny fotsiny ianao hoe tsapanao fa mafy ny mahazo azy. Azo inoana fa hampahery azy izany, noho ny hoe mangina fotsiny ianao. Ahoana anefa raha tsy hitanao mihitsy izay holazaina? Afaka miteny zavatra tsotra nefa avy amin’ny fo ianao, ohatra hoe: “Tena tsy hitako izay holazaina, fa tadidio hoe tiako foana ianao dia te hanampy aho.” Tandremo sao milaza teny toy ny hoe: “Soa ihany fa tsy dia voa mafy ianao fa mety ho mbola ho ratsy noho izao aza”, na hoe “Zaranao aza tsy...”
Asehonao hoe miahy an’ilay namanao ianao, raha miezaka hahafantatra momba an’ilay aretina mahazo azy. Mety ho faly izy amin’izay hoe miezaka hahazo an’izay manjo azy ianao. Mba tena hanampy azy koa amin’izay ny zavatra lazainao. (Ohabolana 18:13) Tandremo anefa sao dia manome soso-kevitra, raha ohatra izy tsy nangataka an’izany akory.
Manaova zavatra mba hanampiana azy. Aza tonga dia mieritreritra hoe hainao ny fomba hanampiana azy, fa aleo manontany aloha. Tadidio anefa fa mety hiteny izy hoe tsy mila fanampiana, satria tsy te hanahirana olona. Raha izany no mitranga, dia lazao aminy izay azonao atao mba hanampiana azy, ohatra hoe miantsena, manadio, na manao zavatra hafa.—Galatianina 6:2.
Aza kivy. Mety hilaza ilay namanao indraindray hoe tsy afaka izy amin’ilay fotoananareo na hoe tsy te hiresaka izy. Miezaha hahazo ny manjo azy, ary miezaha hanam-paharetana. Aza kivy mihitsy manontany hoe sao mila fanampiana izy.—Salamo 18:24.
Ahoana no Hanampiana An’ireo Tratran’ny Aretin-tsaina?
Miezaha “hampahery.”—1 TESALONIANINA 5:14.
Mety hitebiteby be na hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny ny namanao. Omeo toky àry izy hoe miahy azy ianao. Hampionona sy hampahery azy izany, na dia tsy tena hitanao aza izay hotenenina.
“Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana.”—OHABOLANA 17:17.
Manaova zavatra mba hanampiana azy. Aza tonga dia mieritreritra hoe hainao izay ilainy, fa anontanio izy hoe inona no azonao atao. Ahoana anefa raha sarotra amin’ilay namanao ny manazava an’izay ilainy? Maninona raha anontaniana izy hoe sao dia misy zavatra azonareo iarahana, ohatra hoe miara-mandehandeha? Na azonao atao ny miantsena ho azy, manadio ny tranony, na manao raharaha hafa.—Galatianina 6:2.
‘Manàna faharetana.’—1 TESALONIANINA 5:14.
Mety tsy te hiresaka ilay namanao indraindray. Omeo toky anefa izy hoe ho faly hihaino azy foana ianao rehefa te hiresaka izy. Mety hilaza na hanao zavatra mandratra ny fonao izy noho ilay aretiny, ohatra hoe lasa kizitina, na tsy tonga tampoka amin’ilay fotoananareo. Manàna faharetana ary miezaha hahazo an’izay manjo azy rehefa manampy azy ianao.—Ohabolana 18:24.
Vatosoa Ara-panahy
it-1155 § 4-5
Antsapaka
Nanao antsapaka ny olona fahiny rehefa hanapa-kevitra. Nasiana vatokely na hazo fisaka kely na vato fisaka kely tao anaty akanjo miforitra na “teo am-pofoana” na tao anaty vazy, ary nahontsankontsana. Izay voaray tao no nahafantarana ny zavatra na olona voafidy. Nivavaka na toy ny hoe nivavaka ihany ireo nanao antsapaka, hoatran’ireo nianiana koa, satria naniry sy nanantena ny hampian’i Jehovah. Manana heviny ara-bakiteny sy an’ohatra hoe “anjara” ny hoe antsapaka (heb.: gôhral).—Js 15:1; Sl 16:5; 125:3; Is 57:6; Je 13:25.
Antony. Hoy ny Ohabolana 16:33: “Eo am-pofoana no anaovana antsapaka, fa ny fanapahan-kevitra rehetra avy amin’izany kosa dia avy amin’i Jehovah.” Hoy koa ny Ohabolana 18:18: “Mampitsahatra fifandirana ny antsapaka, sady mamaha olana eo amin’ny samy matanjaka.” Te hampitsahatra adihevitra àry ny Israelita nanao antsapaka, fa tsy te hilalao na hiloka. Tsy nisy fanamby na vola na loka homena na ho azo. Tsy ny hampanan-karena ny tempoly sy mpisorona na ny hanampy ny mahantra no tanjona. Ireo miaramila romanina nanao antsapaka kosa te hahazo ny akanjon’i Jesosy, araka ny nambaran’ny Salamo 22:18.—Mt 27:35.
23-29 JONA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 19
Miezaha ho Tena Namana
Miezaha Hifankatia Be Foana
16 Mifantoha amin’ny toetra tsaran’ireo rahalahy sy anabavy, fa tsy amin’ny toetra ratsiny. Diniho izao: Andao hatao hoe nanao fety kely niaraka tamin’ny rahalahy sy anabavy vitsivitsy ianao. Nahafinaritra be ilay izy, dia niaraka naka sary ianareo rehefa hifarana ilay fety. Naka sary roa fanampiny aza ianao sao ratsy ilay voalohany. Lasa manana sary telo àry ianao. Hitanao anefa hoe misy rahalahy miketrona ao amin’ilay sary iray. Dia hataonao ahoana iny sary iny? Esorinao ilay izy, satria mbola manana sary roa hafa ianao, ary mitsikitsiky daholo ny olona ao amin’ilay izy, anisan’izany ilay rahalahy teo.
17 Andao hoharintsika amin’ilay sary notehirizintsika ny zavatra fidintsika hotadidina. Mahafinaritra antsika matetika ny mitadidy an’ireo fotoana mamy niarahantsika tamin’ny rahalahy sy anabavy. Ahoana anefa raha nisy nilaza na nanao zavatra nahasosotra antsika tamin’ny iray tamin’ireny fotoana ireny? Ahoana no hataontsika? Maninona raha esorina ao an-tsaina izany, hoatran’ny nanesorantsika an’ilay sary iray? (Ohab. 19:11; Efes. 4:32) Afaka manadino ny fahotana kely nataon’ny mpiara-manompo amintsika isika, satria be dia be ny fotoana mamy niarahantsika taminy. Ireny fotoana ireny no tiantsika hotadidina sy ankamamina.
Ampitomboy Foana ny Fitiavanao
10 Mitady fomba koa isika mba hanampiana ny rahalahy sy anabavintsika. (Heb. 13:16) Eritrereto ny nataon’i Anna, ilay noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Vao avy nisy rivo-doza tamin’izay, dia nitsidika fianakaviana Vavolombelona iray izy sy ny vadiny. Hitan-dry zareo hoe tsy nisy tafo intsony ny tranon’ilay fianakaviana. Tsy nanana akanjo madio intsony àry izy mianakavy. Izao no nolazain’i Anna: “Nalainay ny akanjon-dry zareo, dia nosasanay, ary naterinay tany rehefa avy nopasohinay sy navalonay tsara. Zavatra kely izany taminay, nefa nahatonga anay ho lasa mpinamana be hatramin’izao.” Ny fitiavan’i Anna sy ny vadiny an’ireo mpiara-manompo no nandrisika azy roa hanampy an-dry zareo.—1 Jaona 3:17, 18.
11 Inona no vokany rehefa tia olona sy tsara fanahy aminy isika? Matetika no tsikaritr’izy ireo ny ezaka ataontsika mba hanahafana ny fomba fisainan’i Jehovah sy izay ataony. Mety hankasitraka ny hatsaram-panahy nasehontsika izy, ary mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika aza. Izany no tsapan’i Khanh, ilay anabavy noresahina teo. Tadidiny tsara ny olona nanampy azy. Hoy izy: “Tena mankasitraka an’ireny rahavavy malala nitondra ahy nanompo ireny aho. Nalainy tatỳ an-trano aho, dia nasainy hihinana tsakitsaky na hiara-misakafo taminy, dia avy eo aho nateriny nody. Izao aho vao tonga saina hoe niezaka be ry zareo, sady fitiavana daholo no tao ambadik’izany.” Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no hisaotra antsika noho izay nataontsika ho azy. Izao no nolazain’i Khanh momba an’izay nanampy azy: “Tiako izao raha mba afaka namaly fitia an-dry zareo aho, satria imbetsaka ry zareo no tsara fanahy tamiko. Indrisy fa tsy fantatro hoe aiza daholo ry zareo no mipetraka. Soa ihany fa mahafantatra an’izany i Jehovah, dia mivavaka aho mba izy no hisolo ahy hamaly soa an-dry zareo.” Marina ny an’i Khanh. Tena tsikaritr’i Jehovah daholo mantsy hatramin’ny hatsaram-panahy kely indrindra asehontsika amin’ny olona. Raisiny ho sorona sarobidy izany, ary ataony hoatran’ny trosa tsy maintsy haloany.—Vakio ny Ohabolana 19:17.
Aza Avela Hiova Mihitsy ny Fitiavanao ny Mpiara-manompo!
6 Andao hatao hoe niasa tao amin’ny orinasa iray nandritra ny taona maro ny lehilahy iray. Midika ve izany hoe tiany ilay mpampiasa azy? Tsy voatery. Mety ho mbola tsy nahita ny tompon’ilay orinasa mihitsy aza izy. Na ny fanapahan-kevitra sasany raisina ao am-piasana aza mety tsy ho tiany. Azo lazaina hoe tsy mivadika amin’ilay mpampiasa anefa izy, satria miasa ao foana. Faly fotsiny izy hoe manana asa sy mahazo karama. Hiasa ao foana izy mandra-pahatongan’ny fotoana hisotroany ronono, raha tsy hoe mahita asa tsara kokoa angaha.
7 Inona àry ny maha samy hafa ny hoe tsy mivadika noresahina teo amin’ny fehintsoratra faha-6 sy ny hoe mampiseho fitiavana tsy miovaova? Ny antony mahatonga ny olona iray haneho an’ilay toetra. Inona, ohatra, no nahatonga ny mpanompon’Andriamanitra taloha hampiseho fitiavana tsy miovaova? Tsy hoe satria ry zareo tsy maintsy nanao an’izany, fa satria izy te hanao an’izany. Eritrereto i Davida. Nampiseho fitiavana tsy miovaova tamin’i Jonatana namany izy, na dia te hamono an’i Davida aza ny dadan’i Jonatana. Tsy nisy nanery azy hanao an’izany, fa izay mihitsy no sitraky ny fony. Mbola nampiseho fitiavana tsy miovaova tamin’i Mefiboseta zanak’i Jonatana ihany i Davida, na dia taona maro taorian’ny nahafatesan’i Jonatana aza.—1 Sam. 20:9, 14, 15; 2 Sam. 4:4; 8:15; 9:1, 6, 7.
Vatosoa Ara-panahy
it-21 067 § 8
Torohevitra, Mpanolo-tsaina
Tapi-pahendrena i Jehovah ka izy irery no tsy mila mpanoro hevitra. (Is 40:13; Ro 11:34) “Mpanolo-tsaina Mahagaga” koa ilay Zanany ka afaka manoro sy manome tari-dalana, noho izy nanaraka ny torohevitry ny Rainy sady manana ny fanahin’Andriamanitra. (Is 9:6; 11:2; Jn 5:19, 30) Asehon’izany fa tsy maintsy ampifanarahina amin’ny hevitr’i Jehovah ny torohevitra, raha tiana hahasoa. Tsy misy ilana azy ny torohevitra mifanohitra amin’izay lazain’ilay Avo Indrindra, ary tsy azo lazaina hoe torohevitra akory aza.—Oh 19:21; 21:30.
30 JONA–6 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 20
Tianareo Hahomby ve ny Fiarahanareo?
Tianareo Hahomby ve ny Fiarahanareo?
3 Mety hahafinaritra ny miaraka amin’ny olona iray, nefa dingana lehibe mety ho tonga hatramin’ny fanambadiana koa izy io. Rehefa atao mariazy ny olona roa, dia manao voady eo anatrehan’i Jehovah izy hoe hifankatia sy hifanaja raha samy mbola velon’aina. Tokony handinika tsara anefa isika alohan’ny hanaovana voady, anisan’izany ny voadim-panambadiana. (Vakio ny Ohabolana 20:25.) Manampy olon-droa hifankahafantatra sy handray fanapahan-kevitra tsara ny fiarahana alohan’ny fanambadiana. Mety hanapa-kevitra ny hivady ry zareo, na hisaraka. Raha misaraka ry zareo, dia tsy midika izany hoe tsy nety ilay fiarahana. Tratra kosa aza ny tanjon’ilay izy, satria nanampy an-dry zareo handray fanapahan-kevitra tsara.
4 Nahoana no zava-dehibe ny mahazo tsara ny zava-kendren’ny fiarahana alohan’ny fanambadiana? Raha azon’ny mpitovo tsara izany, dia tsy hiaraka amin’olona tsy eritreretiny halaina ho vady mihitsy izy. Tsy ny mpitovo ihany anefa no mila mahazo tsara an’izany fa isika rehetra mihitsy. Misy, ohatra, mieritreritra hoe tsy maintsy mivady ny olon-droa miaraka. Inona no vokatr’izany amin’ny mpitovo? Izao no nolazain’i Melissa, anabavy mpitovo any Etazonia: “Tena tsy mora amin’ny ranadahy sy rahavavy mampiaraka ny ataon’ny mpiara-manompo indraindray. Izany no mahatonga ny sasany mbola hiaraka ihany nefa efa hita hoe tsy mety ilay izy. Ny hafa indray moa dia aleony tsy miaraka amin’olona mihitsy. Mety hampiady saina be ny mpitovo ny zavatra antenain’ny olona aminy.”
Ahoana no Atao Raha Te Hitady Vady?
8 Fa ahoana no hanaovana an’izany hoe mandinika an’ilay olona nefa tsy atao hita be? Rehefa mivory na miara-mikorana, dia mety hahatsikaritra zavatra momba ny fifandraisany amin’i Jehovah sy ny toetrany ary ny fitondran-tenany ianao. Iza no namany? Dia inona no zavatra resahiny? (Lioka 6:45) Mifanaraka amin’ny tanjonao ve ny azy? Mety hiresaka amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonany koa ianao, na amin’ny Kristianina matotra hafa mahafantatra azy tsara. (Ohab. 20:18) Angamba ianao hanontany momba ny lazany sy ny toetrany. (Rota 2:11) Rehefa mandinika azy ianao, dia tandremo sao manao izay tsy hampahazo aina azy. Hajao ny fihetseham-pony, dia aza midikiditra be amin’ny fiainany, ary aza arahina etsy sy eroa izy.
Tianareo Hahomby ve ny Fiarahanareo?
7 Ahoana no atao raha tianao ho fantatra hoe hoatran’ny ahoana marina ilay olona iarahanao? Anisan’ny fomba tsara indrindra anaovana an’izany ny hoe tsy manafinafina na miolakolaka rehefa miresaka. Mametraha koa fanontaniana, dia miezaha hihaino tsara. (Ohab. 20:5; Jak. 1:19) Mety ho azonareo atao ny manao zavatra ahafahanareo mifampiresaka, ohatra hoe miara-misakafo, mandehandeha eny amin’ny toerana be olona, ary miara-mitory. Mety hifankahalala tsara koa ianareo rehefa miaraka amin’ny namana na fianakaviana. Ankoatra izay, dia maninona raha mandamina zavatra azonareo iarahana manao, mba hahitanao hoe hoatran’ny ahoana izy amin’ny toe-javatra isan-karazany sy rehefa miaraka amin’ny olona samihafa? Mariho izay nataon’i Aschwin, avy any Holandy. Izao no nolazainy momba ny fiarahan’izy sy Alicia: “Jerenay izay azonay atao mba hahafahanay mifankahafantatra tsara. Matetika izahay no manao zavatra tsotsotra, ohatra hoe miara-mikarakara sakafo na manao raharaha. Rehefa miaraka eo izahay dia hitanay hoe inona ny toetra tsaranay roa, dia inona ny fahalemenay.”
8 Hanampy anareo hifankahafantatra koa ny miara-mianatra foto-kevitra ao amin’ny Baiboly. Rehefa lasa mpivady ianareo, dia mila manokana fotoana anaovana fotoam-pivavahan’ny fianakaviana, amin’izay zava-dehibe ao an-tokantranonareo Andriamanitra. (Mpito. 4:12) Maninona àry raha dieny izao dia efa manokana fotoana iarahana mianatra? Mazava ho azy fa mbola tsy fianakaviana iray ny olon-droa miaraka, dia tsy hoe ilay rahalahy no lohany ka eo ambany fahefany ilay anabavy. Raha miara-mianatra tsy tapaka anefa ianareo, dia ho fantatrareo hoe hoatran’ny ahoana ny fifandraisanareo amin’i Jehovah. Niresaka soa hafa koa i Max sy Laysa, mpivady avy any Etazonia. Hoy i Max: “Vao nanomboka niaraka izahay, dia efa niara-nandinika lahatsoratra momba ny fiarahana alohan’ny fanambadiana, ny mariazy, sy ny fiainana ao an-tokantrano. Lasa afaka niresaka zava-dehibe maromaro izahay, nefa mety hoe sarotra taminay ny niresaka an’izany raha tsy nisy an’ireny lahatsoratra ireny.”
Vatosoa Ara-panahy
Jiro
“Ny fofonain’ny olona no jiron’i Jehovah, izay ahafahana mijery hatrany anatin’ny fo.” (Oh 20:27) Mamoaka ‘fofonaina’ ny olona rehefa miteny. Izay lazainy àry, na tsara na ratsy, no ahalalana ny tena maha izy azy.