Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
© 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
7-13 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 21
Torolalana Manampy Raha Te Hanana Tokantrano Sambatra
Ahoana no Andraisanao Fanapahan-kevitra Tsara?
Mety tsy ho tsara ny fanapahan-kevitra raisina maimaika. Mampitandrina ny Ohabolana 21:5 hoe: “Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.” Tsy tokony ho maimay ny hanambady, ohatra, ny zatovo matimatim-pitia. Raha tsy izany, dia mety ho tanteraka aminy ny tenin’ilay Anglisy antsoina hoe William Congreve, mpanoratra tantara an-tsehatra, tany am-piandohan’ny taonjato faha-18. Hoy izy: “Hanenina tongotra aman-tanana izay maimay ny hanambady.”
Ahoana no Hanananao Tokantrano Sambatra?
Manetre tena. “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny rehaka, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony.” (Filipianina 2:3) Matetika no miady ny mpivady rehefa be hambom-po, ka manilika ny fahadisoana any amin’ny ankilany, fa tsy manetry tena sy miara-mitady vahaolana. Raha manetry tena anefa ianao, dia handefitra fa tsy hanantitrantitra be hoe ianao foana no manana ny rariny.
“Mifalia Amin’ny Vadin’ny Fahatanoranao”
13 Ahoana raha ny fomba fifampitondranareo no miteraka olana? Mitaky ezaka ny famahana izany. Aoka hatao hoe nanomboka re tsindraindray tao an-tokantranonareo ny teny maharary, ary manjary fandre matetika izany ankehitriny. (Ohabolana 12:18) Manimba ny fifandraisan’ny mpivady izany, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Aleo mitoetra any an-efitra toy izay amin’ny vehivavy tia ady sady foizina.” (Ohabolana 21:19) Raha vehivavy manambady ianao, ary izany no hita ao an-tokantranonao, dia manontania tena hoe: ‘Sarotra amin’ny vadiko ve ny miaraka amiko noho ny toetrako?’ Hoy ny Baiboly amin’ny lehilahy manambady: “Tiavo mandrakariva ny vadinareo ary aza tezitra mafy aminy.” (Kolosianina 3:19) Raha lehilahy manambady àry ianao, dia manontania tena hoe: ‘Tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny vadiko ve aho, ka manjary alaim-panahy hitady fampiononana any amin’olon-kafa izy?’ Mazava ho azy aloha fa tsy afa-tsiny izay manitsakitsa-bady. Tena mety hitranga anefa izany. Tsara àry raha resahina tsy an-kifonofono ireo zava-manahirana.
Vatosoa Ara-panahy
Tanteraka ny Fahitana Momba ny Fanjakan’Andriamanitra
9 Tsy olon-tsotra mitaingina zanak’ampondra intsony i Jesosy ankehitriny, fa Mpanjaka mahery. Aseho ho toy ny mitaingin-tsoavaly izy, ary milaza ady ny hoe soavaly ao amin’ny Baiboly. (Ohabolana 21:31) Hoy ny Apokalypsy 6:2: “Indro, nisy soavaly fotsy. Ary ilay nitaingina azy nanana tsipìka, ary nomena satroboninahitra izy. Ary nivoaka handresy sy hamita ny fandreseny izy.” Hoy koa i Davida momba an’i Jesosy: “Ny tehin’ny herinao havoak’i Jehovah avy ao Ziona; manapaha eo amin’ny fahavalonao Hianao.”—Salamo 110:2.
14-20 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 22
Torolalana Manampy ny Ray Aman-dreny Hitaiza Tsara ny Zanany
Ho Lasa Mpanompon’i Jehovah ve ny Zanakao?
7 Te hanan-janaka ve ianareo mivady? Eritrereto àry izao: ‘Manetry tena ve izahay sady tena tia an’i Jehovah sy ny Teniny? Mety hifidy anay ve i Jehovah raha hifidy mpivady hikarakara zaza iray?’ Tena sarobidy aminy mantsy ny zanaka. (Sal. 127:3, 4) Ary ahoana indray raha efa manan-janaka ianao? Eritrereto hoe: ‘Ampianariko ho tia miasa mafy ve ny zanako?’ (Mpito. 3:12, 13) ‘Miaro ny zanako ve aho mba tsy ho tratran’ny loza mety hitranga eto amin’ity tontolo ity izy? Ampiako ve izy mba tsy ho ratsy fitondran-tena?’ (Ohab. 22:3) Tsy maintsy miatrika zava-tsarotra ny zanakao. Tsy hahavita hisakana an’izany ianao indraindray. Afaka mampiomana azy tsikelikely mba hiatrika fiainana anefa ianao. Atoroy azy amim-pitiavana hoe ahoana no hitadiavana torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra rehefa manana olana. (Vakio ny Ohabolana 2:1-6.) Ahoana, ohatra, raha misy havanareo na mpianakavinareo niala tamin’i Jehovah? Mitadiava andinin-teny mba hanampiana ny zanakao hahazo hoe fa maninona isika no tena tsy tokony hivadika amin’i Jehovah. (Sal. 31:23) Ary ahoana indray raha misy havanareo na namanareo maty? Atoroy azy ny andinin-teny afaka manampy azy hiatrika an’ilay fahoriana sy ho tony.—2 Kor. 1:3, 4; 2 Tim. 3:16.
Ampianaro ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
17 Atombohy aloha be araka izay azo atao ny fampiofanana azy. Tsara kokoa ny vokany rehefa atao aloha be izany. (Ohab. 22:6) Hoatr’izany no nitranga tamin’i Timoty. “Mbola zazakely” izy dia efa nampiofanin’i Eonika reniny sy Loisa renibeny. (2 Tim. 1:5; 3:15) Lasa niaraka tamin’ny apostoly Paoly izy rehefa lehibe.
18 Manan-janaka enina i Jean-Claude sy Peace, mpivady any Côte d’Ivoire. Voataizan’izy ireo tsara daholo izy enina, ka lasa tia an’i Jehovah sy nanompo azy. Ahoana no nahavitan’izy ireo an’izany? Nanahaka an’i Eonika sy Loisa ry zareo. Hoy izy mivady: “Mbola kely ny zanakay dia efa niezaka izahay nandentika tsikelikely tao an-tsain’izy ireo ny Tenin’Andriamanitra. Vao teraka kelikely mihitsy ry zareo tamin’izany.”—Deot. 6:6, 7.
19 Inona no dikan’ilay hoe ‘mandentika tsikelikely’ ny Tenin’i Jehovah ao an-tsain’ny zanakao? Midika hoe “mampianatra sy mamerimberina foana” ny hoe ‘mandentika tsikelikely ao an-tsaina.’ Mila miaraka matetika amin’ny zanany ny ray aman-dreny mba hahavitany an’izany. Mety hahasorena indraindray ny mamerimberina amin’ny ankizy hoe inona no tokony hataony. Tokony hotadidin’ny ray aman-dreny anefa hoe manampy ny zanany hahazo sy hampihatra an’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra izy raha manao an’izany.
Modely ho An’ny Zanakao ve Ianao?
Mazava ho azy fa ny ankizy dia ankizy ihany, ka mafy loha ny sasany na maditra mihitsy aza. (Genesisy 8:21) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao? Hoy ny Baiboly: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.” (Ohabolana 22:15) Misy mihevitra fa masiaka loatra izany fomba fitaizana izany, ka tsy tokony hampiharina intsony. Ekena aloha fa mandrara antsika tsy hanao teny maharary na hahery setra ny Baiboly. Misy heviny hafa koa anefa ilay hoe “tsorakazo”, na dia azo raisina ara-bakiteny aza. Ny tiana horesahina eto dia ny fahefan’ny ray aman-dreny, izay ampiharina amin’ny fomba hentitra sy amim-pitiavana, ary natao mba hitondra soa mandrakizay ho an’ny ankizy.—Hebreo 12:7-11.
Vatosoa Ara-panahy
Mifalia Amin’izay Efa Ataonao ho An’i Jehovah Amin’izao!
11 Hoatr’izany koa fa ho faly kokoa isika raha miasa mafy araka izay azontsika atao, na inona na inona ampanaovina antsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. ‘Mifantoha tanteraka’ amin’ny fitoriana, dia mandraisa anjara betsaka araka izay vitanao amin’izay ataon’ny fiangonana. (Asa. 18:5; Heb. 10:24, 25) Omano tsara ny fivoriana mba ho afaka hanome valin-teny mampahery ianao. Ataovy tsara izay anjara ampanaovina anao mandritra ny fivoriana andavanandro. Raha misy asa asaina ataonao ao amin’ny fiangonana, dia miezaha ho mari-potoana sy ho azo ianteherana. Na inona na inona ampanaovina anao, dia aza mieritreritra hoe tsy zava-dehibe ilay izy ka tsy tokony handanianao fotoana. Miezaha hampitombo ny fahaizanao. (Ohab. 22:29) Vao mainka ianao handroso haingana kokoa sy ho faly kokoa, rehefa variana amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy amin’ny asa ampanaovina anao. (Gal. 6:4) Tsy vitan’izany fa ho mora kokoa aminao ny hiaraka hifaly amin’ny hafa, rehefa mahazo fanendrena nirinao ry zareo.—Rom. 12:15; Gal. 5:26.
21-27 JOLAY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 23
Torolalana Manampy Raha Hisotro Zava-pisotro Misy Alkaola
Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Misotro
5 Ahoana raha misotro ny olona iray, fa mitandrina tsara fotsiny mba tsy ho hita hoe mamo? Tsy hita hoe mamo ny olona sasany, na dia efa nisotro betsaka ihany aza. Mamita-tena anefa isika, raha mihevitra fa tsy mampaninona izany. (Jeremia 17:9) Mety hanomboka hiankin-doha tsikelikely amin’ny alkaola ny olona iray, ary lasa “handevozin’ny divay be” amin’ny farany. (Titosy 2:3) Hoy ilay mpanoratra atao hoe Caroline Knapp, momba izany: “Tsy tonga dia lasa alkaolika ny olona iray, fa mandeha miandalana sy misoko mangina izany.” Tena fandrika mahafaty tokoa ny fisotroana tafahoatra!
6 Diniho koa ilay fampitandreman’i Jesosy hoe: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. Fa ho tonga amin’izay rehetra monina ambonin’ny tany manontolo izany.” (Lioka 21:34, 35) Mety ho lasa rendremana sy kamo eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-panahy ny olona iray manaram-po amin’ny fisotroana, na dia mbola tsy mamo aza. Ahoana anefa raha amin’izay no tonga ny andron’i Jehovah?
it “Fahamamoana” § 3-4
Fahamamoana
Raran’ny Baiboly. Melohin’ny Baiboly ny fimamoana. Manazava ny vokatry ny fisotroana be loatra ny mpanoratra ny Ohabolana. Toy ny hitan’ny maso sady azo porofoina ara-tsiansa ny fanazavany. Hoy izy: “Iza no iharan-doza? Iza no mahatsapa ho tsy metimety? Iza no tia mifanditra? Iza no be tebiteby? Iza no maratra tsy amin’antony? Iza no manana maso mivoaramena? Tsy iza izany fa izay tsy mety miala eo am-pototry ny divay, sy izay miditra mba hitady divay misy fangarony. Aza mijery divay amin’izato lokony mena, sy ny famirapiratany ao anaty kaopy [tena mampitelin-drora, manjelanjelatra], ary ny fikorianany midina [misosa mora foana] any an-tenda. Fa amin’ny farany, dia hanaikitra tahaka ny menarana izy, ary hamoaka poizina tahaka ny bibilava [mahatonga aretina (manimba ny selan’ny aty) sy manimba ny saina (mampirediredy sy mampifanintona), ary tena mety hahafaty]. Hahita zavatra hafahafa ny masonao [misy vokany amin’ny atidoha ny alkaola ka lasa tsy afa-miasa ny faritra mifehy ny fihetsika. Lasa tsy mahafehy tena ilay olona; mahita zavatra tsy misy; very tadidy ka mba hanaronana izany dia mamorona tantara mahagaga, ary toa marina erỳ ny filazany azy; manjary manao an’izay zavatra tsy sahiny natao izy], ary hisy eritreri-dratsy hitsiry ao am-ponao [tsy mifehy tena intsony izy fa avoakany izay ao an-tsainy sy izay vetsovetsom-pony].”—Oh 23:29-33; Ho 4:11; Mt 15:18, 19.
Hazavain’ny mpanoratra ny Ohabolana izay tsapan’ny olona mamo: “Ho sahala amin’ny olona matory eo afovoan-dranomasina ianao [toy ny hoe entin’ny rano milentika, ary farany tsy mahatsiaro tena], ary ho tahaka ny olona matory eny an-tendron’ny andrin-tsambo [eny no tena ahatsapana ny fihozongozon’ny sambo. Midika izany fa atahorana ny ain’ilay olona mamo satria mety hiharan-doza izy, ho tapaka lalan-dra, hiady aman’olona, sy ny toy izany]. Dia hilaza ianao hoe: ‘Nokapohiny aho, nefa tsy nahare naharary. Noveleziny aho, nefa tsy tsaroako akory [hoy izy miteny irery; tsy henony akory izay tena nanjo azy sy izay kapoka natao taminy]. Rahoviana àry aho no hifoha mba hitadiavako divay indray [tsy maintsy matory izy mba hisava ny toakany; efa lasa miankin-doha amin’ny toaka anefa izy ka hitady bebe kokoa azy io indray avy eo]?’” Hahantra izy satria ho lany amin’ny toaka ny volany ary tsy ho azo ianteherana izy sady tsy hahavita hiasa.—Oh 23:20, 21, 34, 35.
Vatosoa Ara-panahy
Fanontanian’ny Mpamaky
Mety ho mariky ny hatendan-kanina, ohatra, ny hatavezana. Tsy voatery ho marina foana anefa izany. Mety ho aretina no mahatonga ny olona iray hatavy loatra. Manaranaka koa izy io indraindray. Tokony hotadidintsika koa fa toe-batana ny hatavezana, fa toe-tsaina kosa ny hatendan-kanina. Milaza ny diksionera fa ny olona matavy dia ‘olona be jabora, be menaka, botrefona.’ Ny olona tenda an-kanina kosa, dia olona maniry mafy hihinana sy hisotro foana, na olona mihinana sy misotro tafahoatra. Tsy ny haben’ny olona iray àry no hitsarana raha tenda an-kanina izy na tsia, fa ny toe-tsainy manoloana ny sakafo. Mety ho antonontonony na mahia ny olona iray, nefa tenda an-kanina. Samy hafa be koa, arakaraka ny tany, ny lanja na habe heverina fa antonony.
28 JOLAY–3 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 24
Miezaha ho Vonona Hiatrika Zava-tsarotra
it “Fanenjehana” § 16
Fanenjehana
Sarobidy amin’ny Kristianina koa ny loka ho azon’izay miaritra. Hoy i Jesosy: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Mt 5:10) Mahazo hery ireo enjehina satria fantany hoe hatsangana ny maty sy hoe iza no mampanantena izany. Manampy azy ireo tsy hivadika amin’Andriamanitra izany, na dia mandrahona ny hamono azy aza ny mpanenjika. Tsy matahotra ny ho faty izy ireo, satria inoany fa mitondra soa ho azy ireo ny fahafatesan’i Jesosy. (He 2:14, 15) Miankina be amin’ny toe-tsain’ny Kristianina no hahafahany tsy hivadika rehefa misy manohitra mafy. “Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: ... Tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.” (Fi 2:5-8) “Fa niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra.”—He 12:2; jereo koa 2Ko 12:10; 2Te 1:4; 1Pe 2:21-23.
Aoka Ianao ho Faly Foana na dia Misy aza ny Olana
12 Hoy ny Ohabolana 24:10: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” Hoy koa ny ohabolana iray: ‘Mahakivy ny fahoriam-po.’ (Ohab. 15:13) Kivy loatra ny Kristianina sasany, ka tsy mamaky Baiboly na misaintsaina momba izay voalaza ao intsony. Lasa fahazarana fotsiny aminy ny mivavaka, ary mety hitokantokana izy fa tsy hiaraka amin’ny Kristianina namany. Loza tokoa no vokatry ny fahakiviana maharitra!—Ohab. 18:1, 14.
13 Tokony hafantotsika amin’izay zavatra mahafinaritra sy mahafaly eo amin’ny fiainantsika kosa ny saintsika. Hoy i Davida: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô.” (Sal. 40:8) Tsy ny fanompoana an’i Jehovah mihitsy àry no tokony hajanontsika, rehefa misy olana mahazo antsika. Tena mampisinda alahelo ny fanaovan-javatra mahasambatra. Milaza amintsika i Jehovah fa mahafinaritra sy mahasambatra ny mamaky sy mandinika tsy tapaka ny Teniny. (Sal. 1:1, 2; Jak. 1:25) Ao amin’ny Baiboly sy any amin’ny fivoriana kristianina no misy “teny mahafinaritra”, izay mampahery antsika sy mahafaly ny fontsika.—Ohab. 12:25; 16:24.
Fanontanian’ny Mpamaky
Milaza ny Ohabolana 24:16 hoe: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.” Midika ve izany fa na dia manota imbetsaka aza ny olona iray dia hahazo famelan-keloka avy amin’Andriamanitra foana?
Tsy izay no tian’io andinin-teny io horesahina, raha ny marina. Olona miatrika olana no tiana horesahina amin’ilay hoe “lavo” eo. Tafarina foana anefa izy, izany hoe mahavita miatrika an’izay mahazo azy.
Araka izany, dia tsy midika hoe manota ilay hoe “lavo” ao amin’ny Ohabolana 24:16. Midika kosa izy io hoe miatrika olana, ary mety ho matetika mihitsy aza. Mety harary na hanana olana hafa, ohatra, ny olo-marina amin’izao. Mety henjehin’ny fitondram-panjakana koa izy. Afaka matoky anefa izy hoe hanampy azy Andriamanitra, dia hahavita hiaritra sy tsy hivadika izy. Tsy efa imbetsaka ve ianao no nahita an’izany? Tsy hitanao ve hoe tsara fiafara ny mpanompon’Andriamanitra matetika? Nahoana? Satria “manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.”—Sal. 145:14-19; 41:1-3.
Vatosoa Ara-panahy
Fanontanian’ny Mpamaky
Fahiny, dia nila nieritreritra ny lehilahy te hanorin-tokantrano hoe: ‘Efa vonona hamelom-bady aman-janaka ve aho?’ Tsy tokony hanorin-tokantrano izy raha tsy niasa aloha, izany hoe nikarakara tsara ny sahany na ny voliny. Toy izao àry no nandikan’ny Baiboly Dikan-teny Anglisy Ankehitriny ny Ohabolana 24:27: “Aza mbola manao trano sy manorin-tokantrano raha tsy efa voasa ny sahanao, ary efa azonao antoka fa mahavelon-tena ianao.” Mbola marina ve izany ankehitriny?
Eny. Mila vonona tsara izay lehilahy te hanambady. Andraikitra lehibe mantsy izany. Mila miasa izy, raha mbola tsy kilemaina be na marary mafy. Tsy izay ihany anefa. Mila vonona haneho fitiavana amin’ny ankohonany sy hampianatra azy ireo momba an’Andriamanitra izy. Milaza mantsy ny Baiboly fa ratsy noho ny tsy mino izay tsy manao an’ireo! (1 Tim. 5:8) Mila mieritreritra àry izay tovolahy te hanorin-tokantrano hoe: ‘Efa mahavelom-bady aman-janaka ve aho? Ho vitako ve ny hampirisika azy ireo hanompo an’Andriamanitra? Ho vitako ve ny hampianatra Baiboly tsy tapaka azy ireo?’ Asongadin’ny Baiboly fa tsy maintsy atao izany.—Deot. 6:6-8; Efes. 6:4.
Saintsaino tsara àry ny Ohabolana 24:27, raha tovolahy ianao ary mitady vady. Mila mandini-tena koa ny tovovavy raha vonona hiantsoroka ny andraikitry ny vehivavy manambady sy ny reny. Mila mieritreritra tsara koa izay te hanan-janaka. (Lioka 14:28) Handray soa ny mpanompon’Andriamanitra manao izany, satria tsy hanenina ary hanana tokantrano sambatra.
4-10 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 25
Torolalana Manampy Antsika Hitandrina An’izay Lazaintsika
Tandremo Tsara Izay Lazainao
6 Tokony hifidy tsara ny fotoana itenenana isika. Hoy mantsy ny Ohabolana 25:11: “Toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra ny teny atao amin’ny fotoana mahamety azy.” Efa tsara tarehy ny paoma volamena. Vao mainka ho tsara tarehy anefa ilay izy raha atao ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra. Toy izany koa fa vao mainka hahafinaritra sy hisy vokany tsara ny tenintsika, raha mahay mifidy ny fotoana ilazana azy isika. Ahoana no hanaovana izany?
7 Mety ho tena ilain’ilay olona iresahantsika ny zavatra lazaintsika. Mety tsy hisy vokany tsara aminy anefa ny tenintsika raha tsy mahay mifidy ny fotoana tena tsara ilazana an’ilay izy isika. (Vakio ny Ohabolana 15:23.) Nisy horohoron-tany sy tsunami, ohatra, tany amin’ny faritra atsinanan’i Japon tamin’ny Martsa 2011, ary tanàna maro no rava. Olona 15 000 mahery no maty. Nijaly koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany, nefa niezaka foana izy ireo nampiasa Baiboly mba hampiononana an’izay nidonam-pahoriana. Maro tamin’ireo olona ireo anefa no Bodista ka zara raha mahalala na tsy mahalala mihitsy ny fampianaran’ny Baiboly. Vao haingana loatra ilay loza ka hitan’ny mpitory fa mbola tsy fotoana tsara hiresahana momba ny fitsanganana amin’ny maty tamin’izay. Naleon’izy ireo àry aloha nampionona ny olona sy nanazava avy tao amin’ny Baiboly hoe nahoana ny olona tsara fanahy no iharan-doza hoatr’izany.
Tandremo Tsara Izay Lazainao
15 Tsy ny tenintsika ihany no mila tandremana tsara fa ny fomba ilazana azy koa. Rehefa nandaha-teny tao amin’ny synagogan’i Nazareta i Jesosy, dia “gaga noho ny teny mahafinaritra naloaky ny vavany” ny olona. (Lioka 4:22) Manohina ny fo ny teny mahafinaritra, ary tsy mampihen-danja ny zavatra lazaintsika mihitsy fa vao mainka aza mandresy lahatra ny olona. (Ohab. 25:15) Afaka manahaka an’i Jesosy isika ka miezaka ny ho tsara fanahy sy hanaja ny hafa ary tsy handratra ny fony. Nisy vahoaka niezaka hihaona tamin’i Jesosy mba hihaino azy. Nangoraka i Jesosy rehefa nahita azy ireo ka “nanomboka nampianatra azy zavatra maro.” (Mar. 6:34) Tsy nasiaka mihitsy koa izy na dia nisy nanevateva aza.—1 Pet. 2:23.
16 Tsy tsara fanahy isika indraindray na tsy mifidy teny holazaina, rehefa miresaka amin’ny olona mifankazatra amintsika. Angamba isika mivantambantana loatra, rehefa miresaka amin’ny mpianakavintsika na ny namantsika akaiky eo anivon’ny fiangonana. Tsy nasiaka tamin’ny mpianany mihitsy i Jesosy, na dia nifandray be tamin’izy ireo aza. Niady hevitra matetika, ohatra, ny mpianany akaiky hoe iza no ambony kokoa tamin’izy ireo. Tsara fanahy anefa i Jesosy ary noraisiny ho ohatra ny ankizikely iray mba hanitsiana azy ireo. (Mar. 9:33-37) Afaka manahaka azy ny anti-panahy, ka hiezaka ‘halemy fanahy’ rehefa manome torohevitra.—Gal. 6:1.
Mandrisiha ho Amin’ny Fitiavana sy ny Asa Tsara—Amin’ny Fomba Ahoana?
8 Amin’ny fanompoana ilay Andriamanitsika, dia mety hifandrisika amin’ny alalan’ny ohatra isika rehetra. Azo antoka fa nandrisika ny mpihaino azy i Jesosy. Tiany ilay asa fanompoana kristianina ary nasandrany ilay fanompoana. Nilaza izy fa izany dia toy ny sakafo ho an’ny tenany. (Jaona 4:34; Romanina 11:13). Mety hamindra ny risi-po toy izany. Moa ve ianao afaka mamela ny fifalianao eo amin’ny fanompoana hiseho toy izany koa? Na dia manalavitra amim-pitandremana ny fandokafan-tena aza ianao, dia zarao amin’ny hafa ao amin’ny fiangonana ireo fanandraman-javatra tsara hitanao. Rehefa manasa ny hafa hiara-miasa aminao ianao, dia jereo raha azonao ampiana izy ireo hahita tena fahafinaretana marina amin’ny firesahana amin’ny hafa ny amin’i Jehovah, ilay Mpamorona antsika Lehibe.—Ohabolana 25:25.
Vatosoa Ara-panahy
it “Fahalemem-panahy” § 10
Fahalemem-panahy
Malemy fanahy ny olona iray rehefa manam-pinoana sy misy ianteherana. Tsy mora mikorontan-tsaina izy ary misaina tsara foana. Tsy malemy fanahy kosa izy rehefa manahy, kivy, tsy manam-pinoana, very fanantenana, ary mamoy fo. Izao no resahin’ny ohabolana momba ny olona tsy malemy fanahy: “Toy ny tanàna voagorobaka, tsy misy manda, ny olona tsy mahafehy ny fahatezerany.” (Oh 25:28) Mora mandray sy mino hevi-diso izy, ka mety hanaonao foana.
11-17 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 26
Aza Mifanerasera Amin’ny Adala
it “Orana” § 9
Orana
Fizaran-taona. Fahavaratra sy ririnina ihany no tena fahita any amin’ny Tany Nampanantenaina. Marina kokoa anefa ny ilazana ny fahavaratra hoe main-tany ary ny ririnina hoe fotoanan’ny orana. (Ampit. Sl 32:4; To 2:11.) Zara raha misy orana, manomboka eo antenatenan’ny Aprily ka hatrany antenatenan’ny Oktobra. Mandritra izany koa ny fotoam-pijinjana. Milaza tokoa ny Ohabolana 26:1 fa hafahafa raha misy orana amin’ny fotoam-pijinjana. (Ampit. 1Sa 12:17-19.) Rehefa fotoanan’ny orana, dia tsy hoe avy foana ny orana fa mba miposaka ihany ny masoandro indraindray. Mamirifiry koa ny andro amin’io fotoana io, ka mahatsiaro mangatsiaka be ny olona rehefa tratran’ny orana. (Ezr 10:9, 13) Tena mahafaly àry ny mahita toerana mety tsara azo ialofana.—Is 4:6; 25:4; 32:2; Jb 24:8.
Mitondra Vokatra Hiadanana ny Fifehezana
12 Amin’ny sasany dia tsy maintsy ampiharina ny fandaharana hentitra kokoa, araka ny asehon’ny Ohabolana 26:3 amin’izao teny izao: “Ny karavasy ho amin’ny soavaly, ny lamboridy ho amin’ny boriky, ary ny tsorakazo kosa ho amin’ny lamosin’ny adala.” Indraindray dia navelan’i Jehovah ireo mpanompony, ny Israelita, hiharan’ny loza vokatry ny nataon’izy ireo ihany: “Nikomy tsy nanaraka ny tenin’Andriamanitra mantsy izy ireo; Tsy noraharahiany ny torohevitr’ilay Avo Indrindra. Koa navelany hizaka fahoriana izy ireo mba hahatonga azy hanetry tena tao am-pony; Tafintohina izy ireo, ary tsy nisy nanampy. Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo rehefa tao anatin’ny sarotra, Ka novonjeny tamin’ny fahoriany.” (Salamo 107:11-13). Nisy anefa adala nanamafy hatoka ka nanjary tsy nihontsina tamin’ny karazam-pifehezana rehetra: “Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.”—Ohabolana 29:1.
it “Malemy Tongotra” § 10
Malemy Tongotra
Ohabolana. Hoy i Solomona mpanjaka hendry: “Toy ny olona manapaka ny tongony [ka lasa malemy tongotra], sy mitera-doza ho an’ny tenany, ny olona manankina andraikitra amin’ny adala.” Tena midi-kizo izay olona manankina ny raharahany amin’ny adala. Azo antoka fa tsy handeha tsara ilay raharaha ka hitondra fatiantoka ho azy.—Oh 26:6.
Vatosoa Ara-panahy
it “Adala” § 6
Adala
Hoy ny Ohabolana 26:4: “Aza mamaly ny tsisy saina araka ny hadalany.” Ny dikan’izany dia hoe aza manahaka ny fomba tsy mendrika fanaon’ny adala rehefa misy adihevitra. Miombon-kevitra amin’ilay adala izay manao izany, ka lasa mitovy aminy ihany. Milaza koa anefa ny Ohabolana 26:5 hoe: “Valio araka ny hadalany” ny adala. Ahoana indray izany? Mila dinihina tsara ny heviny, dia aharihary aminy ny maha diso azy, ary aseho azy fa tsy arakaraka izay noeritreretiny ny ho vokatry ny heviny fa hafa mihitsy. Mety hahasoa izany.
18-24 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 27
Ny Soa ho Azonao Raha Tena Namana ny Namanao
Sarobidy Amin’i Jehovah ny Mpanompony Manetry Tena
12 Mankasitraka ny torohevitra omena azy ny olona manetry tena. Intỳ misy ohatra: Andao hatao hoe any am-pivoriana ianao, dia miresaka amin’ny mpiara-manompo maromaro. Nisy iray tamin’izy ireo avy eo niantso anao mitokana, dia nilaza taminao fa misy ravintoto kely ny nifinao. Tsy maintsy ho menatra aloha ianao e! Soa ihany anefa fa nampahafantariny anao ilay izy. Tsy hankasitraka azy àry ve ianao? Tianao aza raha mba nisy nilaza taminao aloha kokoa. Hoatr’izany koa no tokony ho tsapantsika rehefa misy mpiara-manompo be herim-po ka manome torohevitra antsika. Tokony hanetry tena isika ka hankasitraka ny nataony, ary hihevitra azy ho namana fa tsy fahavalo.—Vakio ny Ohabolana 27:5, 6; Gal. 4:16.
it “Mpiara-monina” § 11
Mpiara-monina
Ampirisihin’ny Ohabolana anefa isika mba hino sy hatoky namana ary hiantso azy amin’ny fotoan-tsarotra: “Aza ilaozana ny namanao na ny naman’ny rainao, ary aza miditra ao an-tranon’ny rahalahinao amin’ny andro fahorianao. Aleo namana [shaken] eo akaiky eo, toy izay rahalahy any lavitra any.” (Oh 27:10) Toa milaza ny mpanoratra eo hoe sarobidy kokoa ny namana monina eny akaiky eny, ka any aminy no tokony hitadiavana fanampiana fa tsy any amin’ny havana, na dia havana akaiky toy ny rahalahy aza, raha monina lavitra izy io. Tsy ho afaka hanampy mantsy izy.
Ry Tanora, Tianareo Hanao Ahoana ny Fiainanareo?
7 Misy lesona iray azontsika ianarana avy amin’ny fanapahan-kevitra ratsy noraisin’i Joasy. Inona izany? Hoe namana hanampy antsika hanao ny tsara no mila fidintsika, izany hoe namana tia an’i Jehovah sy te hampifaly azy. Tsy voatery hoe izay mitovy taona aminao ihany no azonao atao namana. Tadidio fa zokin’i Joasy lavitra be i Joiada, nefa ry zareo mpinamana. Ary ahoana ny namanao? Eritrereto izao: ‘Manampy ahy hino kokoa an’i Jehovah ve ry zareo? Mampirisika ahy hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra ve ry zareo? Ry zareo ve miresaka momba an’i Jehovah sy ny fahamarinana sarobidy? Asehony ve hoe manaja ny fitsipik’Andriamanitra izy? Izay tiako ho heno ihany ve no teneniny, sa izy sahy manitsy ahy rehefa manao ny tsy mety aho?’ (Ohab. 27:5, 6, 17) Raha tsorina aloha, dia tsy misy ilanao an’ireo namanao ireo raha tsy tia an’i Jehovah ry zareo. Fa raha tia an’i Jehovah kosa ny namanao, dia aza avotsotra mihitsy! Hanampy anao foana mantsy ny namana hoatr’izany.—Ohab. 13:20.
Vatosoa Ara-panahy
Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Ohabolana
27:21. Toy izao no andikana ny tapany farany amin’io andinin-teny io, ao amin’ny Baiboly sasany: ‘Natao hitsapana ny olona ny teny fiderana azy.’ Afaka mampiharihary ny tena toetrantsika ny teny fiderana ataon’ny olona amintsika. Hita hoe manetry tena isika, raha toa ilay izy ka mahatonga antsika hiaiky fa noho i Jehovah no hahavitantsika zavatra tsara. Miharihary koa ny fanetren-tenantsika, raha mandrisika antsika hanompo azy foana ilay teny fiderana. Hita kosa anefa hoe tsy manetry tena isika, raha mahatonga antsika hihevi-tena ho ambony ilay teny fiderana.
25-31 AOGOSITRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | OHABOLANA 28
Inona no Tsy Itovizan’ny Ratsy Fanahy sy ny Olo-marina?
Manaraka An’i Jehovah Amin’ny Fomba Feno ve Ianao?
“NY MARINA (...) dia matoky toy ny liona tanora.” (Ohabolana 28:1). Maneho finoana izy ireo, miantehitra amim-patokiana amin’ny Tenin’Andriamanitra ary mandroso amim-pahasahiana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah na inona na inona loza atrehiny.
it “Fahiratan-tsaina” § 9
Fahiratan-tsaina
Miala amin’ilay Loharanon’izy io. Matoa mandika ny lalàn’Andriamanitra ny olona iray, dia efa nanomboka tsy niraharaha an’Andriamanitra izy rehefa nanapa-kevitra na rehefa nisy zavatra nokasainy hatao. (Jb 34:27) Manaraka an-jambany ny fony izy, ka tsy hitany hoe ratsy ny ataony, ary tsy manam-pahendrena intsony izy. (Sl 36:1-4) Mety hilaza izy fa manompo an’Andriamanitra, nefa didin’olombelona no tiany kokoa sy ataony ambony noho ny an’Andriamanitra. (Is 29:13, 14) Baranahiny ny fitondran-tenany nefa lazainy hoe “kilalao” fotsiny izany. (Oh 10:23) Lasa vetaveta sy maty eritreritra ary tsy misaina izy, ka mety hihevitra mihitsy hoe tsy mahita na tsy mahalala ny ratsy ataony ilay Andriamanitra tsy hita maso, toy ny hoe tsy mahira-tsaina Andriamanitra. (Sl 94:4-10; Is 29:15, 16; Je 10:21) Asehony amin’ny ataony fa toy ny milaza izy hoe: “Tsy misy izany Jehovah izany.” (Sl 14:1-3) Tsy miraharaha an’i Jehovah mihitsy izy. Tsy tarihin’ny fitsipik’Andriamanitra izy, ka diso ny fahitany ny toe-javatra, tsy azony tsara ny tena zava-misy, tsy fantany tsara ny zava-drehetra voakasika amin’izany, ary tsy mahay mandray fanapahan-kevitra izy.—Oh 28:5.
it “Tsy Fivadihana” § 22
Tsy Fivadihana
Azo atao ny tsy mivadika mihitsy. Tsy hahavita izany amin’ny heriny fotsiny anefa ny olona, fa tsy maintsy manana finoana matanjaka sy matoky tanteraka an’i Jehovah sy ny heriny. (Sl 25:21) Mampanantena Andriamanitra fa ho ‘ampinga’ sy ho “fiarovana mafy” izy, ka hiaro ny lalan’izay tsy mivadika. (Oh 2:6-8; 10:29; Sl 41:12) Handeha tsara ny fiainan’ny olona toy izany, satria ny hahazo sitraka amin’i Jehovah foana no katsahiny. Toy ny hoe manaraka lalana mahitsy izy ka ho tratrany ny tanjony. (Sl 26:1-3; Oh 11:5; 28:18) Kivy i Joba nahita fa mety hijaly sy ho ringana miaraka amin’ny ratsy fanahy ny tsy manan-tsiny, rehefa ny ratsy fanahy no mitondra. Manome toky anefa i Jehovah hoe fantany ny fiainan’ny tsy manan-tsiny. Manome antoka koa izy fa haharitra ny lovan’ny olona toy izany, ary fiadanana no miandry azy amin’ny hoavy ka hahazo zava-tsoa izy. (Jb 9:20-22; Sl 37:18, 19, 37; 84:11; Oh 28:10) Hita tamin’ny fiainan’i Joba fa tsy ny harena no mahatonga ny olona ho tena mendri-kaja, fa ny tsy fivadihany. (Oh 19:1; 28:6) Sambatra ny zanaky ny olona tsy mivadika. (Oh 20:7) Modely tsara ho azy ny rainy, ary mandray soa koa izy satria tsara laza ny rainy sady hajain’ny olona.
Vatosoa Ara-panahy
Tandremo ny Aretim-po Ara-panahy
Fatokian-tena tafahoatra. Maro tamin’ireo nihetsika aretim-po no natoky fa salama tsara izy. Matetika no tsy nieritreritra na tsy niraharaha ny hanao fizaham-pahasalamana na fitsirihana mihitsy izy, satria noheveriny hoe tsy nilainy izany. Mety ho nisy nihevitra fa tsy haninona mihitsy ny fahasalamany ara-panahy, satria efa elaela ihany izy no Kristianina. Tsy nihevitra ny hizaha ny fahasalamany ara-panahy, na handini-tena izy, raha tsy tonga ny loza ara-panahy. Mahasoa ny mitadidy ity torohevitra tsara momba ny fatokian-tena tafahoatra, nomen’ny apostoly Paoly ity: “Izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.” Fahendrena ny manaiky fa tsy lavorary isika, ary mila mandini-tena ara-panahy foana.—1 Korintianina 10:12; Ohabolana 28:14.