Tononkiran’i Solomona
7 “Tsara erỳ ny tongotrao ao anatin’ilay kapanao,
Ry tovovavy mendri-kaja!
Toy ny firavaka notefen’ny mpanao asa tanana
Ny bikan’ny fenao.
2 Boribory hoatran’ny vilia baolina ny foitranao.
Enga anie hisy divay misy fangarony foana eo!
Ary ny kibonao dia toy ny antontam-barimbazaha
Voahodidin’ny lisy.
3 Ny nononao roa dia toy ny zana-gazela roa,
Dia zana-gazela kambana.+
4 Ny vozonao+ indray hoatran’ny tilikambo ivoara,+
Ny oronao kosa tahaka ny tilikambon’i Libàna,
Izay tandrifin’i Damaskosy.
5 Tsara tarehy hoatran’ny Tendrombohitra Karmela+ ny lohanao,
Babon’ny volonao mihofahofa ny mpanjaka.
6 Tena tsara tarehy sy mahafinaritra ianao, ry tovovavy malalako,
Mbola kanto noho izay mety ho kanto!
8 Hoy aho: ‘Hianika an’ilay hazo palmie aho,
Mba haka ny tahony misy voany.’
Enga anie ho tahaka ny voaloboka amin’ny tangozany ny nononao,
Ho manitra hoatran’ny paoma ny fofonainao,
9 Ary ho toy ny divay faran’izay tsara ny vavanao!”*
“Enga anie ilay divay hidina moramora ao an-tendan’ilay mamin’ny foko,
Ary hikoriana moramora eo amin’ny molotr’izay matory!”
10 An’ny malalako aho,+
Ary izaho no iriny.
11 Avia, ry ilay mamin’ny foko,
Andao isika ho any an-tsaha.
Andao isika hipetraka eny ambanin’ny moina.+
12 Andao isika hifoha maraina ho any an-tanimboaloboka,
Mba hijery raha mitsimoka* ny voaloboka,
Ary raha efa mamelana ny zavamaniry,+
Na efa mamony ny ampongabendanitra.+
Any aho no haneho ny fitiavako anao.+
Na ny vaovao na ny efa ela,
Dia samy notehiriziko ho anao, ry ilay mamin’ny foko.