-
Nomery 29:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 “‘Manaova fivoriambe masina, amin’ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito. Aza manao asa mafy, na inona izany na inona. Ary mankalazà fety ho an’i Jehovah mandritra ny fito andro.+
-
-
Nehemia 8:14-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia hitan’izy ireo voasoratra tao amin’ny Lalàna ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy, hoe tokony hipetraka ao anaty trano rantsankazo* ny Israelita mandritra ny fety amin’ny volana fahafito.+ 15 Tokony hampandre+ ny olona manerana ny tanànany rehetra sy eran’i Jerosalema koa izy ireo, ka hilaza hoe: “Mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra, dia makà rantsankazo be ravina avy amin’ny hazo oliva, sy hazo kesika, sy mirta, sy palmie, ary hazo hafa, mba hanaovana trano rantsankazo araka izay voasoratra.”
16 Dia lasa naka an’izany ny olona ka samy nanao trano rantsankazo teny an-tampon-tranony, sy teny an-tokotaniny, sy teny an-tokotanin’ny tranon’ilay tena Andriamanitra,+ sy teny amin’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano,+ ary teny amin’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin’i Efraima.+ 17 Dia nanao trano rantsankazo sy nipetraka tao amin’ireny ny fiangonana manontolo, izany hoe ireo tafaverina avy any an-tsesitany. Tena faly be ny Israelita tamin’izay,+ satria mbola tsy nankalaza an’ilay fety hoatr’izany mihitsy izy ireo, hatramin’ny andron’i Josoa+ zanak’i Nona ka hatramin’io andro io. 18 Ary novakina isan’andro ny boky misy ny Lalàn’Andriamanitra,+ nanomboka tamin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Nanao fety nandritra ny fito andro izy ireo, ary nisy fivoriambe makotrokotroka tamin’ny andro fahavalo, araka izay notakin’ny Lalàna.+
-