FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ankalazao koa ny Fetin’ny Fijinjana* ny voaloham-bokatra tamin’izay nisasaranao sy nafafinao tany an-tsaha.+ Ary ankalazao ny Fetin’ny Fanangonam-bokatra* amin’ny faramparan’ny taona, rehefa angoninao avy any an-tsaha ny vokatry ny fisasaranao.+

  • Levitikosy 23:34-36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 “Ilazao ny Israelita hoe: ‘Ny andro faha-15 amin’io volana fahafito io dia Fetin’ny Trano Rantsankazo.* Fety ho an’i Jehovah izany, ary maharitra fito andro.+ 35 Hisy fivoriambe masina amin’ny andro voalohany, ka tsy tokony hanao asa mafy ianareo, na inona izany na inona. 36 Fito andro no hanoloranareo fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Hanao fivoriambe masina ianareo amin’ny andro fahavalo,+ ary hanolotra fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah. Fivoriambe makotrokotroka izany, ka aza manao asa mafy, na inona izany na inona.

  • Deoteronomia 16:13-15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Tokony hankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo*+ ianao mandritra ny fito andro, rehefa manangom-bokatra avy eny am-pamoloana sy avy amin’ny famiazan’olivanao sy ny famiazam-boalobokao. 14 Ary hifaly mandritra ny fety+ ianao sy ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ny Levita, ny vahiny, ny kamboty ray, ary ny mpitondratena ao an-tanànanao. 15 Mandritra ny fito andro ianao no hankalaza an’ilay fety+ ho an’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay toerana fidin’i Jehovah. Hotahin’i Jehovah Andriamanitrao mantsy ny vokatrao rehetra sy izay rehetra ataonao,+ ka ho faly be ianao.+

  • Nehemia 8:14-18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia hitan’izy ireo voasoratra tao amin’ny Lalàna ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy, hoe tokony hipetraka ao anaty trano rantsankazo* ny Israelita mandritra ny fety amin’ny volana fahafito.+ 15 Tokony hampandre+ ny olona manerana ny tanànany rehetra sy eran’i Jerosalema koa izy ireo, ka hilaza hoe: “Mandehana any amin’ny faritra be tendrombohitra, dia makà rantsankazo be ravina avy amin’ny hazo oliva, sy hazo kesika, sy mirta, sy palmie, ary hazo hafa, mba hanaovana trano rantsankazo araka izay voasoratra.”

      16 Dia lasa naka an’izany ny olona ka samy nanao trano rantsankazo teny an-tampon-tranony, sy teny an-tokotaniny, sy teny an-tokotanin’ny tranon’ilay tena Andriamanitra,+ sy teny amin’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin-drano,+ ary teny amin’ny tany malalaka tandrifin’ny Vavahadin’i Efraima.+ 17 Dia nanao trano rantsankazo sy nipetraka tao amin’ireny ny fiangonana manontolo, izany hoe ireo tafaverina avy any an-tsesitany. Tena faly be ny Israelita tamin’izay,+ satria mbola tsy nankalaza an’ilay fety hoatr’izany mihitsy izy ireo, hatramin’ny andron’i Josoa+ zanak’i Nona ka hatramin’io andro io. 18 Ary novakina isan’andro ny boky misy ny Lalàn’Andriamanitra,+ nanomboka tamin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Nanao fety nandritra ny fito andro izy ireo, ary nisy fivoriambe makotrokotroka tamin’ny andro fahavalo, araka izay notakin’ny Lalàna.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara