-
Nomery 22:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Koa nandeha ny anti-panahin’i Moaba sy ny anti-panahin’ny Midianina, ka nitondra ny vola haloa amin’ny mpanao sikidy. Dia nankany amin’i Balama izy ireo+ ka nolazainy taminy ny tenin’i Balaka.
-
-
Nomery 25:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Rehefa nipetraka tao Sitima+ ny Israely, dia nijangajanga tamin’ny zanakavavin’i Moaba ny olona.+ 2 Nasain’ireo vehivavy ireo hiaraka aminy hanao sorona ho an’ny andriamaniny ny olona.+ Nihinana àry izy ireo, dia niankohoka tamin’ny andriamanitr’ireny.+ 3 Koa nanompo an’i* Balan’i Peora ny Israely,+ ka tezitra be tamin’izy ireo i Jehovah.
-
-
Nomery 25:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 “Mandehana tafiho ny Midianita ka aringano,+ 18 satria nila ady taminareo ry zareo ka nampiasa fitaka isan-karazany mba hahatonga anareo hanompo an’i Balan’i Peora.+ Nampiasainy koa i Kosby anabavin’izy ireo sady zanakavavin’ny mpiadidy midianita, dia ilay novonoina+ tamin’ilay andro nandefasana loza taminareo noho ianareo nanompo an’i Balan’i Peora.”+
-