-
Nomery 4:24-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Ireto avy no tokony hokarakarain’ny fianakavian’ny Gersonita sy hoentiny:+ 25 Hoentin’izy ireo ny lamban’ny tranolay,+ ny tranolay fihaonana, ny rakotra, ilay rakotra vita amin’ny hoditra faoky eo amboniny,+ ny lamba fanakonana an’ilay fidirana* amin’ny tranolay fihaonana,+ 26 ny fefy lamban’ny tokotany,+ ny lamba fanakonana an’ilay fidirana* amin’ny vavahadin’ny tokotany+ manodidina ny tranolay sy ny alitara, ny tady fanenjanan-day sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny zavatra rehetra ampiasaina rehefa manompo ao amin’ny tranolay masina. Izany no anendrena azy ireo.
-
-
Nomery 4:31-33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Ireto avy ny andraikiny, dia izay tokony hoentiny+ mifandray amin’ny fanompoany ao amin’ny tranolay fihaonana: Ny rafitry+ ny tranolay, ny barany,+ ny andry,+ ary ny faladia itsatohany.+ 32 Hoentiny koa ireo andrin’ny+ tokotany manodidina, ny faladia itsatohany,+ ny fantsika be fanenjanan-day,+ ny tady fanenjanan-day, ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy sy izay rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana mifandray amin’ireny. Holazainareo aminy ny anaran’ny fitaovana tokony hoentiny. 33 Hoatr’izany no tokony hataon’ireo fianakavian’ny taranak’i Merary+ rehefa manompo ao amin’ny tranolay fihaonana, ka i Itamara zanak’i Arona mpisorona no hiandraikitra azy ireo.”+
-