FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 17:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1 Samoela 14:47, 48
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 47 Nanamafy orina ny fanjakany teo amin’ny Israely i Saoly, ka niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina, dia ny Moabita,+ ny Amonita,+ ny Edomita,+ ireo mpanjakan’i Zoba,+ ary ny Filistinina.+ Resiny izy ireny tany amin’izay rehetra nalehany. 48 Ary be herim-po izy rehefa niady, ka nandresy an’ireo Amalekita+ sy namonjy ny Israely tamin’ny mpandroba azy.

  • 1 Samoela 15:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: “Nirahin’i Jehovah hanosotra anao ho mpanjakan’ny Israely vahoakany aho.+ Koa henoy ny tenin’i Jehovah.+ 2 Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: ‘Hataoko ampamoaka ny Amalekita noho ny nataony, tamin’izy ireo nanohitra ny Israely teny an-dalana rehefa niakatra avy tany Ejipta ny Israely.+ 3 Mandehana àry, ka asio ny Amalekita+ ary aringano tanteraka+ izy ireo sy izay rehetra ananany. Aza avela hisy hiangana izy ireo* fa vonoy ho faty,+ na lehilahy na vehivavy, na ankizy na zaza, na omby na ondry, na rameva na ampondra.’”+

  • 1 Tantara 4:42, 43
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 42 Nankany amin’ny Tendrombohitra Seira+ ny sasany tamin’ny taranak’i Simeona, ary nisy 500 lahy izy ireo. Ary nitarika azy ireo i Pelatia, Nearia, Refaia, ary Oziela, izay samy zanak’i Jisy. 43 Dia naringan’izy ireo izay sisa tavela tamin’ny Amalekita+ afa-nandositra. Mbola mipetraka ao izy ireo hatramin’izao.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara