-
Nomery 21:21-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Ary naniraka olona nankany amin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita ny Israely, hiteny hoe:+ 22 “Avelao izahay handalo ao amin’ny taninao. Tsy hivily ho eny amin’ny saha na tanimboaloboka izahay, sady tsy hisotro rano amin’izay lavadrano ao. Fa ny Lalan’ny Mpanjaka no handehananay, mandra-pahatafavoakanay ny taninao.”+ 23 Tsy navelan’i Sihona handalo tao amin’ny taniny anefa ny Israely. Nangoniny daholo kosa ny vahoakany, dia nivoaka hiady tamin’ny Israely tany an-tany efitra izy. Ary tonga tao Jahaza izy ka niady tamin’ny Israely.+ 24 Resin’ny Israely anefa izy ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mponina tao.+ Dia nalain’ny Israely ny taniny,+ hatrany Arnona+ ka hatrany Jaboka,+ teo akaikin’ny Amonita. I Jazera+ mantsy no sisin-tanin’ny Amonita.+
-
-
Deoteronomia 2:32-34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Rehefa nivoaka hiady tamintsika tao Jahaza i Sihona sy ny vahoakany manontolo,+ 33 dia nataon’i Jehovah Andriamanitsika resintsika ry zareo. Dia resintsika izy sy ny zanany ary ny vahoakany manontolo. 34 Azontsika daholo ny tanànany tamin’izay fotoana izay, ka noravantsika tanteraka ny tanàna tsirairay, ary naringantsika ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy. Tsy nasiantsika niangana izy ireo na iray aza.+
-