FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 15:14-16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Haheno an’izany ireo firenena+ ka hipararetra.

      Hitebiteby* ny mponin’i Filistia.

      15 Amin’izay fotoana izay, dia hihorohoro ny lehibem-pokon’i Edoma,

      Ary hangovitra ny mpitondra mahery* any Moaba.+

      Ho kivy ny mponina rehetra any Kanana.+

      16 Hatahotra sy hihorohoro izy ireo.+

      Tsy hihetsika toy ny vato izy ireo noho ny herin’ny sandrinao,

      Mandra-pandalon’ny vahoakanao, Jehovah ô,

      Mandra-pandalon’ny+ vahoaka noforoninao.+

  • Josoa 2:9-11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Hoy izy tamin’izy roa lahy: “Fantatro fa homen’i Jehovah anareo ity tany ity,+ ary matahotra anareo izahay.+ Kivy ny mponina rehetra eto amin’ity tany ity satria ho avy ianareo.+ 10 Henonay mantsy fa nataon’i Jehovah ritra teo anoloanareo ny Ranomasina Mena, rehefa niala tany Ejipta ianareo.+ Henonay koa ny nataonareo tamin’ny mpanjaka amorita roa, dia i Sihona+ sy Oga,+ izay naringanareo teny ampitan’i* Jordana. 11 Rehefa naheno an’izany izahay, dia natahotra be.* Tsy misy manana herim-po hanoherana anareo intsony izahay, satria hitanay hoe i Jehovah Andriamanitrareo dia Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.+

  • Josoa 5:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Dia nataon’i Jehovah ritra teo anoloan’ny Israelita ny ranon’i Jordana mandra-piampitan’izy ireo. Raha vao naheno an’izany ny mpanjaka rehetra teo amin’ny Amorita+ izay teny ampita andrefan’ny Reniranon’i* Jordana, sy ny mpanjaka rehetran’ny Kananita+ tany amoron-tsiraka, dia natahotra be*+ sady tsy nanana herim-po hiadiana intsony noho ny amin’ny Israelita.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara