FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 34:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Tandremo sao manao fifanekena amin’ny mponina ao amin’ilay tany. Rehefa manompo an’ireo* andriamaniny sy manao sorona ho an’ny andriamaniny mantsy izy ireo,+ dia hisy hanasa anao, ka hihinana amin’ny sorona ataony ianao.+ 16 Dia azo antoka fa haka amin’ny zanany vavy ho vadin’ny zanakao lahy ianao.+ Ary hanompo an’ireo* andriamaniny ny zanany vavy, ka hitarika ny zanakao lahy hanompo an’ireny* andriamaniny ireny koa.+

  • Nomery 25:1, 2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Rehefa nipetraka tao Sitima+ ny Israely, dia nijangajanga tamin’ny zanakavavin’i Moaba ny olona.+ 2 Nasain’ireo vehivavy ireo hiaraka aminy hanao sorona ho an’ny andriamaniny ny olona.+ Nihinana àry izy ireo, dia niankohoka tamin’ny andriamanitr’ireny.+

  • Deoteronomia 7:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Aza manao fifanarahana* aminy, ka hoe omenao ho vadin’ny zanany lahy ny zanakao vavy, ary alainao ho vadin’ny zanakao lahy ny zanany vavy.+ 4 Fa hitarika ny zanakao lahy hiala amiko sy hanompo andriamani-kafa ireny,+ dia ho tezitra be aminao i Jehovah, ka horinganiny ao anatin’ny fotoana fohy ianao.+

  • 1 Mpanjaka 11:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tia vehivavy maro avy tamin’ny firenen-kafa+ anefa i Solomona Mpanjaka, ankoatra an’ilay zanakavavin’i Farao:+ Vehivavy moabita,+ amonita,+ edomita, sidonianina,+ ary hetita.+

  • 1 Mpanjaka 11:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Rehefa antitra i Solomona,+ dia voatarik’ireo* vadiny hanaraka andriamani-kafa ny fony.+ Ary tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran’ny fon’i Davida rainy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara