FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 16:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tsy noroahin’izy ireo anefa ny Kananita nipetraka tao Gazera.+ Mbola miara-mipetraka amin’ny fokon’i Efraima ihany àry ny Kananita hatramin’izao,+ saingy ampanaovina asa an-terivozona.+

  • 1 Mpanjaka 9:20-22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Ary mbola nisy sisa tavela ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ izay samy tsy anisan’ny vahoakan’Israely.+ 21 Mbola tavela teo amin’ilay tany ny taranak’izy ireny fa tsy vitan’ny Israelita ny nandringana azy, ka nampanaovin’i Solomona asa an-terivozona hatramin’izao.+ 22 Ny Israelita kosa tsy nisy nataon’i Solomona andevo,+ fa izy ireo no miaramilany, mpanompony, andrianany, manamboninahitra lefitra, lehiben’ny mpitondra kalesiny, ary lehiben’ny mpitaingin-tsoavaliny.

  • 2 Tantara 2:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Dia nifantina lehilahy 70 000 i Solomona hatao mpitondra entana,* 80 000 ho mpipai-bato eny an-tendrombohitra,+ ary 3 600 ho mpiandraikitra an’ireo.+

  • 2 Tantara 2:17, 18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nisain’i Solomona ny lehilahy vahiny rehetra tao amin’ny tanin’ny Israely,+ taorian’ilay fanisam-bahoaka nataon’i Davida rainy.+ Nisy 153 600 izy ireo. 18 Dia nataony mpitondra entana* ny 70 000 tamin’izy ireo, mpipai-bato+ eny an-tendrombohitra ny 80 000, ary mpiandraikitra an’ireo olona niasa ny 3 600.+

  • 2 Tantara 8:7-9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary mbola nisy sisa tavela ny Hetita, ny Amorita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita,+ izay samy tsy anisan’ny Israely.+ 8 Mbola tavela teo amin’ilay tany ny taranak’izy ireny fa tsy naripaky ny Israelita,+ ka nampanaovin’i Solomona asa an-terivozona hatramin’izao.+ 9 Ny Israelita kosa tsy nisy nataon’i Solomona andevo,+ fa izy ireo no miaramilany, lehiben’ny manamboninahitra lefitra, lehiben’ny mpitondra kalesiny, ary lehiben’ny mpitaingin-tsoavaly.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara