-
2 Tantara 14:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ary niantso an’i Jehovah Andriamaniny+ i Asa ka niteny hoe: “Jehovah ô, tsy mampaninona anao na be dia be na tsy manan-kery ny olona ampianao.+ Koa ampio izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, fa miantehitra* aminao izahay,+ ary amin’ny anaranao no ahatongavanay eto hiady amin’io vahoaka io.+ Jehovah ô, ianao no Andriamanitray. Aza avela handresy anao ny olombelona mety maty.”+
-
-
2 Tantara 20:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nitsangana teo anatrehan’ny fiangonan’i Joda sy Jerosalema i Josafata, tao an-tranon’i Jehovah, teo anoloan’ny tokotany vaovao. 6 Dia hoy i Josafata:
“Ry Jehovah Andriamanitry ny razambenay ô, tsy ianao ve no Andriamanitra any an-danitra?+ Tsy ianao ve no mifehy ny firenena rehetra?+ Eo am-pelatananao ny hery sy ny tanjaka, ka tsy misy mahatohitra anao.+
-