FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 17:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Dia lasa ilay vehivavy, ka nanao izay nolazain’i Elia. Ary nanan-kohanina nandritra ny andro maro izy sy ny ankohonany ary Elia.+ 16 Tsy lany ny lafarinina tao anatin’ilay siny lehibe, ary tsy ritra ny menaka tao anatin’ilay siny kely, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Elia.

  • 1 Mpanjaka 17:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Dia nohenoin’i Jehovah ny fangatahan’i+ Elia ka niverina ny ain’ilay ankizy, ary velona indray+ izy.

  • 1 Mpanjaka 17:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Ary hoy ilay vehivavy tamin’i Elia: “Fantatro izao fa tena lehilahin’Andriamanitra ianao,+ ary marina ny tenin’i Jehovah lazain’ny vavanao.”

  • 1 Mpanjaka 18:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra varimbazaha amin’ny takariva,+ dia nankeo amin’ilay alitara i Elia mpaminany ka niteny hoe: “Ry Jehovah Andriamanitr’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Israely ô! Ataovy fantatry ny rehetra androany fa ianao no Andriamanitra eo amin’ny Israely, ary izaho dia mpanomponao, ka noho ny teninao no nanaovako an’izao zavatra rehetra izao.+

  • 1 Mpanjaka 18:38
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 38 Dia nilatsaka avy any an-danitra ny afon’i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana,+ ny kitay, ny vato, ary ny vovoka. Ritran’ny afo koa ny rano tao amin’ilay tatatra.+

  • 1 Mpanjaka 18:46
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 46 Fa ny tanan’i Jehovah kosa nanome hery an’i Elia. Ary nisikinany* ny akanjony, dia nihazakazaka teo alohan’i Ahaba izy mandra-pahatongany tany Jezirela.

  • 2 Mpanjaka 2:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Nesorin’i Elia avy eo ilay akanjona mpaminany+ nanaovany, ary nahorongorony ka nokapohiny tamin’iny ny rano. Dia nisaraka roa ilay rano, ka niampita tamin’ny tany maina+ izy roa lahy.

  • 2 Mpanjaka 2:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Lioka 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Handeha eo alohany* koa izy sady hanana ny toe-tsaina* sy ny herin’i Elia,+ mba hamerenany ny fon’ny ray ho hoatran’ny fon’ny zanaka,+ ary mba hanampiany an’ireo tsy mankatò ho hendry amin’izay ataony hoatran’ny ataon’ny olo-marina. Amin’izay izy dia hanomana vahoaka ho an’i Jehovah.”*+

  • Jaona 1:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Izao no fanambarana nataon’i Jaona, rehefa nisy mpisorona sy Levita avy any Jerosalema nirahin’ny Jiosy hanontany azy hoe: “Iza moa ianao?”+

  • Jaona 1:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Dia nanontany azy izy ireo hoe: “Iza àry e? I Elia+ ve?” Ary hoy izy: “Tsy izy aho.” “Sa ianao ilay Mpaminany?”+ Dia hoy izy: “Tsy izy aho!”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara