-
2 Mpanjaka 10:10-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Fantaro àry fa tsy hisy tsy ho tanteraka*+ na iray aza ny tenin’i Jehovah, izay nolazain’i Jehovah hanamelohana ny ankohonan’i Ahaba. Efa notanterahin’i Jehovah izay nolazainy tamin’ny alalan’i Elia+ mpanompony.” 11 Novonoin’i Jeho koa ny sisa rehetra tamin’ny ankohonan’i Ahaba tao Jezirela, sy ny olo-manan-kajany rehetra, sy ny namany, ary ny mpisorony,+ ka tsy nasiany niangana na iray aza.+
12 Dia nandeha nankany Samaria izy. Ary nisy trano fanetezana ondry* teny an-dalana. 13 Nifanena tamin’ireo rahalahin’i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda teo i Jeho, ka nanontany hoe: “Iza moa ianareo?” Dia hoy ireo: “Rahalahin’i Ahazia izahay, ary handeha hidina hanontany hoe manao ahoana ireo zanaky ny mpanjaka sy ny zanaky ny mpanjakavavy.”* 14 Koa niteny avy hatrany i Jeho hoe: “Ataovy sambo-belona ireo!” Dia nosamborin’izy ireo izy 42 lahy, ka novonoiny teo amin’ny lavaka fanangonan-drano teo amin’ilay trano fanetezana ondry. Ary tsy nasiany niangana izy ireo na iray aza.+
-