-
1 Tantara 29:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Nanao sorona ho an’i Jehovah izy ireo tamin’io andro io, ary nanolotra fanatitra dorana+ ho an’i Jehovah ny ampitson’iny. Ireto avy izany: Vantotr’ombilahy 1 000 sy ondrilahy 1 000 ary ondrilahy kely 1 000, izay samy nampiarahina tamin’ny fanatitra zava-pisotro.+ Nanao fanatitra hafa be dia be koa izy ireo, fa izy ireo no solontenan’ny Israely rehetra.+ 22 Dia nihinana sy nisotro teo anatrehan’i Jehovah izy ireo tamin’iny andro iny sady faly be.+ Ary nambaran’izy ireo fanindroany hoe mpanjaka i Solomona, zanak’i Davida Mpanjaka, ka nohosoran’izy ireo indray teo anatrehan’i Jehovah mba ho mpitarika.+ Nohosoran’izy ireo ho mpisorona koa i Zadoka.+
-