-
Ezra 2:59-63Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
59 Ary ireto avy no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adona ary Imera, nefa tsy afaka nanamarina hoe iza no fianakaviambeny avy amin’ny rainy ary inona no fiaviany, na hoe Israelita izy sa tsia:+ 60 Ny taranak’i Delaia sy ny taranak’i Tobia ary ny taranak’i Nekoda, izay nisy 652. 61 Ary ireto ny avy amin’ny taranaky ny mpisorona: Ny taranak’i Habaia sy ny taranak’i Hakoza+ ary ny taranak’i Barzilay, ilay naka vady tamin’ny zanakavavin’i Barzilay+ Gileadita ka nantsoina tamin’ny anaran’ny rafozany. 62 Ireo no nitady ny lisitra tokony hisy ny anarany mba hanamarinana ny razambe niaviany. Tsy nahita ny anarany tao anefa izy ireo, ka tsy navela ho anisan’ny mpisorona.*+ 63 Nilaza tamin’izy ireo ny governora* fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo,+ raha tsy rehefa misy mpisorona afaka mamantatra an’izany amin’ny Orima sy Tomima.+
-