FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Joba 5:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Mandatsaka orana ho an’ny tany izy

      Ary mandefa rano eny an-tsaha.

  • Joba 26:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Fonosiny ao anaty rahony ny rano,+

      Mba tsy ho triatra ny rahona noho ny havesaran’ny rano;

  • Joba 37:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Ny fofonain’Andriamanitra no mampisy ny ranomandry,+

      Ka mivaingana ny rano midadasika.+

  • Salamo 135:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Mampiakatra rahona* avy any amin’ny faran’ny tany izy,

      Sady manao tselatra* ho an’ny orana;

      Avoakany avy ao amin’ny trano fitehirizany azy ny rivotra.+

  • Ohabolana 30:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Iza no niakatra tany an-danitra ka nidina avy any?+

      Iza no nahavita nanangona rivotra tamin’ny tanany roa?

      Iza no nahavita nandrakotra ny rano tamin’ny akanjony?+

      Iza no nahavita namaritra* ny faran’ny tany?+

      Iza no anarany, ary iza no anaran’ny zanany, raha fantatrao?

  • Isaia 40:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Iza no mahavita mamatra ny rano rehetra amin’ny felatanany,+

      Sy mandrefy ny lanitra amin’ny irain-jehy?*

      Iza no mahavita mamatra ny vovoky ny tany amin’ny kapoaka,+

      Na mandanja ny tendrombohitra amin’ny fandanjana,

      Sy mandanja ny havoana amin’ny mizana?

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara