-
1 Mpanjaka 21:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Hoy i Ahaba tamin’i Elia: “Hay hitanao ihany aho, ry ilay fahavaloko!”+ Dia namaly i Elia hoe: “Ie, hitako ianao. ‘Noho ianao tapa-kevitra* hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah,+ 21 dia hahatonga loza aminao aho. Hofongorako tanteraka ny taranakao, ary haringako ny lehilahy rehetra* amin’ny ankohonanao,+ anisan’izany ireo tsy misy mpiaro sy ireo osa eo amin’ny Israely.+
-
-
2 Mpanjaka 10:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Fantaro àry fa tsy hisy tsy ho tanteraka*+ na iray aza ny tenin’i Jehovah, izay nolazain’i Jehovah hanamelohana ny ankohonan’i Ahaba. Efa notanterahin’i Jehovah izay nolazainy tamin’ny alalan’i Elia+ mpanompony.” 11 Novonoin’i Jeho koa ny sisa rehetra tamin’ny ankohonan’i Ahaba tao Jezirela, sy ny olo-manan-kajany rehetra, sy ny namany, ary ny mpisorony,+ ka tsy nasiany niangana na iray aza.+
-
-
Jeremia 22:30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Izao no lazain’i Jehovah:
‘Soraty ho toy ny hoe tsy manan-janaka io lehilahy io,
Dia lehilahy tsy hahomby mihitsy mandritra ny androm-piainany.
Fa tsy hisy amin’ny taranany hahavita
Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy hanjaka ao Joda indray.’”+
-