FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 25:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Koa nalaiko teny an-tanan’i Jehovah ilay kaopy dia nampisotroiko ny firenena rehetra nanirahan’i Jehovah ahy:+

  • Jeremia 25:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 ny mpanjaka rehetran’i Tyro, ny mpanjaka rehetran’i Sidona,+ ary ireo mpanjakan’ilay nosy any an-dranomasina;

  • Jeremia 47:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Fa tonga ilay andro handringanana ny Filistinina+ rehetra.

      Hesorina tsy ho ao Tyro+ sy Sidona+ ny sisa tavela amin’ireo nifanaraka taminy.

      Haringan’i Jehovah mantsy ny Filistinina,

      Dia izay sisa tavela avy any amin’ny nosy Kaftora.*+

  • Ezekiela 26:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Noho izany, dia izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Homelohiko ianao, ry Tyro, ka hisy firenena be dia be hoentiko hanafika anao, hoatran’ireny onjan-dranomasina miakatra ireny.

  • Ezekiela 27:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Ry zanak’olona, manaova hira fisaonana an’i Tyro,+

  • Joela 3:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Dia sahinareo ve ny manao an’izany amiko,

      Ry Tyro sy Sidona, sy ry faritr’i Filistia rehetra?

      Te hamaly faty ahy angaha ianareo?

      Raha mamaly faty ahy ianareo,

      Dia havaliko aminareo* faran’izay haingana ny ataonareo.+

  • Amosa 1:9, 10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Izao no tenin’i Jehovah:

      ‘Tsy hovako ny didim-pitsarako satria nikomy intelo i Tyro,+ inefatra mihitsy aza.

      Nataony babo mantsy ny olona rehetra dia natolony an’i Edoma,

      Ary tsy tsaroany ny fifanekena nataon’ny mpirahalahy.+

      10 Dia handefasako afo ny mandan’i Tyro,

      Ka ho levon’ny afo ny tilikambony voaro mafy.’+

  • Zakaria 9:3, 4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Nanangana manda* fiarovana i Tyro,

      Sady nanangona volafotsy be dia be hoatran’ny vovoka,

      Sy volamena be dia be hoatran’ny fotaka eny an-dalana.+

       4 Hesorin’i Jehovah aminy ny fananany,

      Ary haripany any anaty ranomasina*+ ny tafiny.

      Dia ho levon’ny afo+ izy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara