FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 32:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Fa nafoy ny tilikambo voaro mafy,

      Ary nilaozana ilay tanàna naresaka be.+

      Lasa ngazana tanteraka i Ofela+ sy ny tilikambo fiambenana,

      Ka lasa toerana ifalifalian’ny ampondradia,

      Sady lasa kijana ho an’ny andian’ondry.+

  • Jeremia 9:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Hataoko lasa vato mivangongo+ sy fonenan’ny alikadia+ i Jerosalema,

      Ary hataoko lasa aolo tsy misy mponina+ ireo tanànan’i Joda.

  • Fitomaniana 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Misaona ireo lalana mankany Ziona, satria tsy misy olona tonga mamonjy fety.+

      Potika daholo ny vavahadiny,+ ary misento ny mpisorony.

      Malahelo be ireo virjiny* ao aminy, ary ory dia ory izy.

  • Fitomaniana 2:8, 9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Nanapa-kevitra i Jehovah hoe horavany ny mandan’i Ziona zanakavavy.+

      Nohenjaniny ny tady fandrefesana.+

      Tsy nisakana ny tanany tsy handripaka* izy.

      Ataony misaona ny dongon-tany* sy ny manda.

      Samy nataony tsy nanan-kery izy ireny.

      ט [Teta]

       9 Nilentika any anaty tany ny vavahadiny.+

      Nosimbany sy nopotehiny ireo bara hidiny.

      Natao sesitany any amin’ireo firenena ny mpanjakany sy ny andrianany.+

      Tsy misy intsony ny lalàna;* ary na ireo mpaminaniny aza tsy mahazo fahitana avy amin’i Jehovah.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara