FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+

  • Deoteronomia 28:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Horoahin’i Jehovah hankany amin’ny firenena tsy fantatrao sy tsy fantatry ny razambenao ianao sy ny mpanjaka apetrakao hitondra anao.+ Rehefa any ianao dia hanompo andriamani-kafa, dia andriamanitra vato aman-kazo.+

  • 2 Mpanjaka 24:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Nataony sesitany tany Babylona+ àry i Joiakina.+ Nentiny avy any Jerosalema koa ny renin’ny mpanjaka, ireo vadin’ny mpanjaka, ny tandapany, ary ny olona ambony teo amin’ilay tany, mba hatao sesitany tany Babylona.

  • 2 Mpanjaka 25:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Dia novonoin’izy ireo teo imason’i Zedekia ireo zanany lahy. Ary nopotsirin’i Nebokadnezara ny mason’i Zedekia avy eo. Dia nofatorany tamin’ny gadra varahina izy, ary nentiny tany Babylona.+

  • Fitomaniana 4:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Voasambotra tao amin’ny lavaka be nataon’izy ireo+ ilay voahosotr’i Jehovah,+ dia ilay fofonain’ny vavoronay,

      Izy ilay nolazainay hoe: “Hipetraka eo ambany alokalony izahay any amin’ireo firenena.”

  • Ezekiela 12:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Hatsipiko eo aminy ny haratoko, ka ho tratran’ilay harato famandrihana izy.+ Ary hoentiko any Babylona, any amin’ny tanin’ny Kaldeanina izy, saingy tsy hahita an’ilay tany. Any izy no ho faty.+

  • Daniela 1:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary nomen’ny mpanjaka baiko i Aspenaza lehiben’ny tandapany mba hitondra Israelita,* anisan’izany ny avy amin’ny taranaky ny mpanjaka sy ny taranaky ny olona ambony.+

  • Daniela 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Avy tamin’ny fokon’i* Joda ny sasany tamin’izy ireo, dia i Daniela,*+ Hanania,* Misaela,* ary Azaria.*+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara