-
Jeremia 44:12-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Ary halaiko ireo sisa amin’ny Joda, dia ireo tapa-kevitra ny ho atỳ Ejipta mba hipetraka atỳ, ka ho ripaka atỳ Ejipta+ izy rehetra. Ho fatin’ny sabatra sy ho ripaky ny mosary izy ireo, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Ho fatin’ny sabatra sy ny mosary tokoa izy ireo. Dia hanozona azy ireo ny olona ary hihorohoro mahita an’izay hanjo azy. Hanala baraka sy handatsa azy ireo koa izy ireny.+ 13 Hosaziko ireo mipetraka atỳ Ejipta, toy ny nanasaziako an’i Jerosalema ka namelezako azy tamin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana.+ 14 Dia tsy hisy ho afa-mandositra na hisy hiangana ny sisa amin’ny Joda, izay nandeha nipetraka atỳ Ejipta. Te hiverina mafy hipetraka any Joda izy ireo, nefa tsy ho tafaverina any, afa-tsy olona vitsy.’”
-
-
Jeremia 44:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Manara-maso azy ireo aho mba hahatonga loza aminy fa tsy soa.+ Ho ripaky ny sabatra sy ny mosary ny olona rehetra avy any Joda atỳ Ejipta, mandra-pahafongany.+ 28 Vitsy kely sisa no tsy ho ripaky ny sabatra sy ho tafaverina any Joda.+ Dia ho fantatry ny sisa rehetra amin’ny Joda, izay tonga nipetraka atỳ Ejipta, hoe ny tenin’iza no marina: Ny teniko sa ny tenin-dry zareo!”’”
-