FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 4:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Haparitak’i Jehovah any amin’ny firenen-kafa ianareo,+ ka ho vitsy kely sisa ianareo no ho velona,+ any amin’ireo firenena handefasan’i Jehovah anareo.

  • Deoteronomia 28:48
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 48 Halefan’i Jehovah hiady aminao ny fahavalonao, dia hanompo an’ireny ianao+ nefa ianao noana+ sy mangetaheta, sady zara raha mitafy sy tsy manana na inona na inona. Ary hasiany zioga vy eo amin’ny vozonao, mandra-pandringany tanteraka anao.

  • Deoteronomia 29:24, 25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 dia hanontany izy ireo sy ny firenena rehetra hoe: ‘Maninona io tany io no nataon’i Jehovah hoatr’izao?+ Fa maninona izy no tena tezitra be?’ 25 Dia hilaza ny olona hoe: ‘Satria ry zareo nivadika tamin’ilay fifanekena nataon’i Jehovah+ Andriamanitry ny razambeny tamin’izy nitondra an-dry zareo nivoaka avy tany Ejipta.+

  • 2 Tantara 7:21, 22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary ho lasa korontam-bato mivangongo ity trano ity. Ho gaga izay rehetra mandalo eo,+ dia hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany ity sy ity trano ity?’+ 22 Dia hisy hilaza hoe: ‘Satria ry zareo niala tamin’i Jehovah+ Andriamanitry ny razambeny, izay nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta,+ ary maimaika erỳ nanaraka andriamani-kafa ka niankohoka teo anatrehan’ireny sady nanompo azy.+ Izany no nahatonga Azy hamely an-dry zareo tamin’izao loza rehetra izao.’”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara