FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Dia hihorohoro daholo ny firenena rehefa mahita an’izay manjo anao, ary hesoesoiny sy hataony fihomehezana* ianao, any amin’ny firenena rehetra hitondran’i Jehovah anao.+

  • 1 Mpanjaka 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 dia horoahiko tsy ho eo amin’ny tany nomeko azy ny Israely.+ Ilay trano nohamasiniko ho an’ny anarako kosa hariako tsy ho hitan’ny masoko intsony,+ ary ny Israely hesoesoin’ny firenena rehetra* sy hataony fihomehezana.+

  • Fitomaniana 2:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Mitehaka maneso+ anao daholo izay mandalo eo amin’ilay lalana.

      Gaga izy ireo dia misioka+ sy mihivingivin-doha mahita an’i Jerosalema zanakavavy, ka milaza hoe:

      “Io ve ilay tanàna nolazaina hoe ‘faran’izay tsara tarehy sy mahafaly ny olona rehetra eran-tany’?”+

  • Daniela 9:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Jehovah ô, nanao ny rariny foana ianao.+ Koa enga anie ianao mba tsy ho tezitra na hisafoaka intsony amin’i Jerosalema tanànanao sy tendrombohitrao masina! Fa noho ny fahotanay sy ny fahadisoan’ny razambenay no nahatonga an’i Jerosalema sy ny vahoakanao holatsain’izay rehetra manodidina anay.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara