FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 30:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 dia hoentin’i Jehovah Andriamanitrao miverina ny vahoakanao natao babo,+ ary hiantra anao izy+ ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao.+

  • Isaia 11:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary hanangana tsato-kazo famantarana ho an’ireo firenena izy, ka hanangona an’ireo Israelita niparitaka.+ Dia hangoniny avy any amin’ny vazan-tany efatra izay niely tamin’ny mponin’i Joda.+

  • Jeremia 16:14, 15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 “‘Ho avy anefa ny andro’, hoy i Jehovah, ‘izay tsy hilazana intsony hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah, ilay namoaka ny vahoakan’Israely avy tany Ejipta!”+ 15 Fa izao kosa no holazaina: “Raha mbola velona koa i Jehovah, ilay namoaka ny vahoakan’Israely avy tany amin’ilay tany any avaratra, sy avy tany amin’ny toerana rehetra nanaparitahany azy!” Hampodiko ao amin’ny taniny izy ireo, dia ilay tany nomeko ny razambeny.’+

  • Amosa 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Hampodiko izay babo amin’ny Israely vahoakako.+

      Haorin’izy ireo indray ny tanàna rava, ka ao izy no hipetraka.+

      Hamboly voaloboka koa izy ireo ka hisotro ny divay azo avy amin’izany,+

      Sady hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra amin’izany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara