FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 30:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 “Rehefa tanteraka aminao daholo ireo teny ireo, izany hoe ny fitahiana sy ny ozona izay nasaiko nisafidiananao,+ ka tsaroanao* ireo+ any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao,+ 2 ary miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao+ ka mihaino ny feony ianao sy ny zanakao, araka ny didy rehetra omeko anao anio, sady manao an’izany amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,+ 3 dia hoentin’i Jehovah Andriamanitrao miverina ny vahoakanao natao babo,+ ary hiantra anao izy+ ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao.+

  • Jeremia 3:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “Dia hiara-mandeha ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely amin’izany andro izany,+ ka ho tonga avy any amin’ilay tany any avaratra mba hiditra ao amin’ilay tany nomeko ho lovan’ny razambenareo.+

  • Jeremia 24:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Hitsinjo azy ireo ny masoko, ary hampodiko eto amin’ity tany ity+ izy ireo, ka haoriko fa tsy horavako, ary hamboleko fa tsy hongotako.+

  • Jeremia 30:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Fa “ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hanangonako an’ireo vahoakako lasa babo, dia ny Israely sy Joda”,+ hoy i Jehovah. “Hampodiko ao amin’ilay tany nomeko ny razambeny izy ireo, ka ho azony indray ny taniny.”’”+

  • Jeremia 32:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 ‘Hangoniko izy ireo, ka halaiko avy any amin’ny tany rehetra nanaparitahako azy tamin’izaho tezitra sy vinitra ary nisafoaka.+ Ary hampodiko eto amin’ity toerana ity izy ireo ka havelako hiadana sy hilamina.+

  • Amosa 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Hampodiko izay babo amin’ny Israely vahoakako.+

      Haorin’izy ireo indray ny tanàna rava, ka ao izy no hipetraka.+

      Hamboly voaloboka koa izy ireo ka hisotro ny divay azo avy amin’izany,+

      Sady hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra amin’izany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara