FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 3:6-8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 “Asaivo manatona ny fokon’i Levy,+ dia asaivo mijoro eo anatrehan’i Arona mpisorona mba hanampy azy.+ 7 Hanao ny andraikiny aminy sy amin’ny vahoaka manontolo, eo anoloan’ny tranolay fihaonana, izy ireo ka hanao ny fanompoany mifandray amin’ny tranolay masina. 8 Ary hikarakara ny fitaovana rehetra+ ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo, sady hanao ny andraikiny amin’ny Israelita, ka hanao fanompoana mifandray amin’ny tranolay masina.+

  • 1 Tantara 9:22, 23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Nisy 212 ny olona rehetra voafidy ho mpiandry vavahady teo amin’ny fidirana. Napetraka tany amin’ny tanàna keliny izy ireo, araka ny nanoratana azy tao amin’ny tetirazany.+ Notendren’i Davida sy Samoela mpahita+ hanao an’izany andraikitra izany izy ireo, satria mendri-pitokisana. 23 Ireo sy ny taranany no niandraikitra ny fiambenana ny vavahadin’ny tranon’i Jehovah,+ izany hoe ny tranolay.

  • Salamo 134:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 134 Miderà an’i Jehovah,

      Ianareo rehetra mpanompon’i Jehovah,+

      Izay mijoro ao an-tranon’i Jehovah mandritra ny alina.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara