-
Ezekiela 28:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 “‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Rehefa angoniko indray avy any amin’ireo firenena nanaparitahana azy ny taranak’Israely,+ dia hohamasinina eo amin’izy ireo sy eo imason’ireo firenena aho.+ Dia hipetraka ao amin’ny taniny+ izy ireo, dia ilay tany nomeko an’i Jakoba mpanompoko.+ 26 Hiadana sy hilamina izy ireo+ ao amin’ilay tany, ka hanao trano sy hamboly voaloboka.+ Ary hiadana sy hilamina izy ireo rehefa mampihatra didim-pitsarana amin’izay manesoeso azy aho,+ dia izay rehetra manodidina azy. Koa tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny.”’”
-
-
Ezekiela 37:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 “Teneno izy ireo avy eo hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Halaiko avy any amin’ireo firenena nandehanany ny Israelita, ka hangoniko avy any amin’ny vazan-tany efatra, dia hoentiko any amin’ny taniny.+
-