-
Zefania 1:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Mangìna eo anatrehan’i Jehovah Tompo Fara Tampony, fa akaiky ny andron’i Jehovah!+
Efa nanomana sorona i Jehovah, ary efa nanamasina an’ireo nasainy.
-
-
Zefania 2:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Dieny mbola tsy mihatra ny didy,
Dieny mbola tsy mandalo haingana hoatran’ny akofa ny andro,
Dieny mbola tsy mihatra aminareo ny fahatezerana mafin’i Jehovah,+
Ary dieny mbola tsy tonga aminareo ny andro fahatezeran’i Jehovah,
-
Apokalypsy 6:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary niteny tsy an-kijanona tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy izy ireo hoe: “Mianjerà aminay,+ dia afeno izahay mba tsy ho hitan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana,+ ary mba tsy hiharan’ny fahatezeran’ny Zanak’ondry.+ 17 Fa tonga ilay andro lehibe ampisehoan’izy ireo ny hatezerany,+ ka iza no mahavita miatrika an’izany?”+
-
-
-