FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 30:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 dia hoentin’i Jehovah Andriamanitrao miverina ny vahoakanao natao babo,+ ary hiantra anao izy+ ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao.+

  • Jeremia 30:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Fa “ho avy ny andro”, hoy i Jehovah, “izay hanangonako an’ireo vahoakako lasa babo, dia ny Israely sy Joda”,+ hoy i Jehovah. “Hampodiko ao amin’ilay tany nomeko ny razambeny izy ireo, ka ho azony indray ny taniny.”’”+

  • Ezekiela 39:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 “‘Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah Andriamaniny, rehefa ataoko sesitany any amin’ireo firenena izy ireo, dia avy eo angoniko ka averiko any amin’ny taniny, ka tsy avelako hisy tavela na iray aza.+

  • Amosa 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Hampodiko izay babo amin’ny Israely vahoakako.+

      Haorin’izy ireo indray ny tanàna rava, ka ao izy no hipetraka.+

      Hamboly voaloboka koa izy ireo ka hisotro ny divay azo avy amin’izany,+

      Sady hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra amin’izany.+

  • Zefania 3:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Hampodiko ianareo amin’izany fotoana izany,

      Amin’ny fotoana hanangonako anareo.

      Fa hataoko izay hahatonga anareo halaza* sy hoderaina+ any amin’ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany,

      Rehefa ampodiko izay natao babo taminareo. Dia ho hitan’ny masonareo izany”, hoy i Jehovah.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara