FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 22:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Kankana anefa aho fa tsy olona,

      Ary ataon’ny olona tsinontsinona* sady ambanimbanin’ny vahoaka.+

  • Isaia 53:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Nampijalina+ sy nanaiky hampahorina izy,+

      Nefa tsy mba niteny mihitsy.

      Nentina hoatran’ny ondry hovonoina izy,+

      Hoatran’ny ondrivavy mangina eo anatrehan’ny mpanety azy,

      Ka tsy niteny mihitsy.+

  • Daniela 9:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 “Aorian’ireo 62 herinandro ireo, dia hovonoina ny Mesia,+ ka tsy hanana na inona na inona intsony.+

      “Handrava an’ilay tanàna sy ny toerana masina ny tafiky ny mpitarika iray ho avy.+ Ary ho vita hatreo ny amin’izy io,* fa hisy tondra-drano. Hisy ady mandra-pahatongan’ny farany, ary hisy fandravana, araka ny didy navoaka.+

  • Lioka 22:37
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 37 Fa lazaiko aminareo fa tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao: ‘Natao ho anisan’ny mpandika lalàna izy.’+ Fa efa eo am-pahatanterahana izay voasoratra momba ahy.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara