-
Matio 10:2-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Ireto avy ny anaran’ny apostoly 12:+ Voalohany, i Simona, antsoina koa hoe Petera,+ sy Andrea+ rahalahiny; Jakoba zanak’i Zebedio sy Jaona+ rahalahiny; 3 Filipo sy Bartolomeo;+ Tomasy+ sy Matio+ mpamory hetra; Jakoba zanak’i Alfeo, sy Tadeo; 4 Simona Kananeanina;* ary Jodasy Iskariota, ilay namadika an’i Jesosy tatỳ aoriana.+
-
-
Lioka 6:13-16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Ary niantso ny mpianany izy, rehefa maraina ny andro, ka nifidy 12 lahy tamin’izy ireo, izay nataony hoe apostoly:+ 14 I Simona, izay nantsoiny koa hoe Petera, Andrea rahalahiny, Jakoba, Jaona, Filipo,+ Bartolomeo, 15 Matio, Tomasy,+ Jakoba zanak’i Alfeo, Simona izay atao hoe “ilay mafana fo”, 16 Jodasy zanak’i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, ilay lasa mpamadika.
-
-
Asan’ny Apostoly 1:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Rehefa tonga izy ireo, dia niakatra tao amin’ny efitra ambony rihana nipetrahany. Ireto avy izy ireo: I Petera sy Jaona ary Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’i Alfeo, Simona ilay mafana fo, ary Jodasy zanak’i Jakoba.+
-