FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 2
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

Asan’ny Apostoly: Topy Maso

      • Nilatsaka ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta (1-13)

      • Lahateny nataon’i Petera (14-36)

      • Nanohina ny fon’ny olona ny lahatenin’i Petera (37-41)

        • Nisy 3 000 ny natao batisa (41)

      • Fifaneraserana kristianina (42-47)

Asan’ny Apostoly 2:1

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Le 23:16; De 16:9-11

Asan’ny Apostoly 2:2

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 4:31

Asan’ny Apostoly 2:4

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mr 1:8; Jn 14:26
  • +As 10:45, 46; 1Ko 12:8, 10

Asan’ny Apostoly 2:5

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ek 23:17

Asan’ny Apostoly 2:7

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mr 14:70; As 1:11

Asan’ny Apostoly 2:9

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Mp 17:6
  • +Da 8:1, 2
  • +1Pe 1:1

Asan’ny Apostoly 2:10

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “na proselyta.” Jereo F.T.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ek 12:48

Asan’ny Apostoly 2:13

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “vaovao.”

Asan’ny Apostoly 2:14

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 1:13

Asan’ny Apostoly 2:15

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Izany hoe tamin’ny 9 maraina teo ho eo.

Asan’ny Apostoly 2:17

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jl 2:28

Asan’ny Apostoly 2:18

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Ko 12:8, 10

Asan’ny Apostoly 2:19

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “hanisy fambara.”

Asan’ny Apostoly 2:20

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Asan’ny Apostoly 2:21

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jl 2:28-32; Ro 10:13

Asan’ny Apostoly 2:22

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “fambara.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jn 5:36; 14:10

Asan’ny Apostoly 2:23

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “fikasan’Andriamanitra.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jn 19:10, 11; As 4:27, 28; 1Pe 1:20
  • +Lk 23:33; As 5:30; 7:52

Asan’ny Apostoly 2:24

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na mety hoe “tadin’ny.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 3:15; Ro 4:24; 1Ko 6:14; Kl 2:12; He 13:20
  • +Jn 10:17, 18

Asan’ny Apostoly 2:25

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “eo anoloan’ny masoko.”

  • *

    Jereo F.F. A5.

Asan’ny Apostoly 2:26

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Abt: “ny nofoko.”

Asan’ny Apostoly 2:27

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “Haides”, izany hoe toerana an’ohatra misy ny maty. Jereo F.T.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 13:35

Asan’ny Apostoly 2:28

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “eo anatrehan’ny tarehinao.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Sl 16:8-11

Asan’ny Apostoly 2:29

Fanondroana Andininy Hafa

  • +1Mp 2:10

Asan’ny Apostoly 2:30

Fanondroana Andininy Hafa

  • +2Sa 7:12, 13; Sl 89:3, 4; 132:11

Asan’ny Apostoly 2:31

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “Haides”, izany hoe toerana an’ohatra misy ny maty. Jereo F.T.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Sl 16:10

Asan’ny Apostoly 2:32

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Lk 24:46-48; As 1:8; 3:15

Asan’ny Apostoly 2:33

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Ro 8:34; Fi 2:9-11; 1Pe 3:22
  • +Jn 14:26

Asan’ny Apostoly 2:34

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Asan’ny Apostoly 2:35

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Sl 110:1; Lk 20:42, 43; 1Ko 15:25; He 10:12, 13

Asan’ny Apostoly 2:36

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 28:18; Jn 3:35; As 5:31
  • +Jn 19:6

Asan’ny Apostoly 2:38

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Lk 24:46, 47; As 17:30; 26:20
  • +Mt 28:19
  • +Mt 26:27, 28; Ef 1:7

Asan’ny Apostoly 2:39

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Jl 2:28
  • +Jl 2:32

Asan’ny Apostoly 2:40

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “nitory tamin’ny fomba feno.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +De 32:5; Sl 78:8

Asan’ny Apostoly 2:41

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 8:12; 18:8
  • +As 4:4; 5:14

Asan’ny Apostoly 2:42

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “nifampizara izay nananany.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 2:46
  • +As 1:14

Asan’ny Apostoly 2:43

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Na: “fambara.”

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 5:12

Asan’ny Apostoly 2:45

Fanondroana Andininy Hafa

  • +Mt 19:21
  • +As 4:32, 34

Asan’ny Apostoly 2:47

Fanamarihana Ambany Pejy

  • *

    Jereo F.F. A5.

Fanondroana Andininy Hafa

  • +As 5:14; 11:21; 1Ko 3:7

Ankapobeny

Asa. 2:1Le 23:16; De 16:9-11
Asa. 2:2As 4:31
Asa. 2:4Mr 1:8; Jn 14:26
Asa. 2:4As 10:45, 46; 1Ko 12:8, 10
Asa. 2:5Ek 23:17
Asa. 2:7Mr 14:70; As 1:11
Asa. 2:92Mp 17:6
Asa. 2:9Da 8:1, 2
Asa. 2:91Pe 1:1
Asa. 2:10Ek 12:48
Asa. 2:14As 1:13
Asa. 2:17Jl 2:28
Asa. 2:181Ko 12:8, 10
Asa. 2:21Jl 2:28-32; Ro 10:13
Asa. 2:22Jn 5:36; 14:10
Asa. 2:23Jn 19:10, 11; As 4:27, 28; 1Pe 1:20
Asa. 2:23Lk 23:33; As 5:30; 7:52
Asa. 2:24As 3:15; Ro 4:24; 1Ko 6:14; Kl 2:12; He 13:20
Asa. 2:24Jn 10:17, 18
Asa. 2:27As 13:35
Asa. 2:28Sl 16:8-11
Asa. 2:291Mp 2:10
Asa. 2:302Sa 7:12, 13; Sl 89:3, 4; 132:11
Asa. 2:31Sl 16:10
Asa. 2:32Lk 24:46-48; As 1:8; 3:15
Asa. 2:33Ro 8:34; Fi 2:9-11; 1Pe 3:22
Asa. 2:33Jn 14:26
Asa. 2:35Sl 110:1; Lk 20:42, 43; 1Ko 15:25; He 10:12, 13
Asa. 2:36Mt 28:18; Jn 3:35; As 5:31
Asa. 2:36Jn 19:6
Asa. 2:38Lk 24:46, 47; As 17:30; 26:20
Asa. 2:38Mt 28:19
Asa. 2:38Mt 26:27, 28; Ef 1:7
Asa. 2:39Jl 2:28
Asa. 2:39Jl 2:32
Asa. 2:40De 32:5; Sl 78:8
Asa. 2:41As 8:12; 18:8
Asa. 2:41As 4:4; 5:14
Asa. 2:42As 2:46
Asa. 2:42As 1:14
Asa. 2:43As 5:12
Asa. 2:45Mt 19:21
Asa. 2:45As 4:32, 34
Asa. 2:47As 5:14; 11:21; 1Ko 3:7
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • 1
  • 2
  • 3
  • 4
  • 5
  • 6
  • 7
  • 8
  • 9
  • 10
  • 11
  • 12
  • 13
  • 14
  • 15
  • 16
  • 17
  • 18
  • 19
  • 20
  • 21
  • 22
  • 23
  • 24
  • 25
  • 26
  • 27
  • 28
  • 29
  • 30
  • 31
  • 32
  • 33
  • 34
  • 35
  • 36
  • 37
  • 38
  • 39
  • 40
  • 41
  • 42
  • 43
  • 44
  • 45
  • 46
  • 47
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Asan’ny Apostoly 2:1-47

Asan’ny Apostoly

2 Niaraka teo amin’ny toerana iray daholo izy rehetra, tamin’ny Fetin’ny Pentekosta.+ 2 Tampoka teo, dia nisy feo mafy tonga avy any an-danitra, toy ny rivo-mahery nifofofofo, ka heno eran’ilay trano, raha mbola teo am-pipetrahana izy ireo.+ 3 Ary nisy lela maro hoatran’ny afo hitan’izy ireo, ary nizarazara ireny ka nisy iray avy nankeo ambonin’ny tsirairay taminy. 4 Dia samy feno fanahy masina+ izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa, araka izay nampitenenan’ny fanahy azy.+

5 Nisy Jiosy avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, nivahiny tao Jerosalema+ tamin’izay. Olona natahotra an’Andriamanitra izy ireo. 6 Rehefa nandre an’ilay feo ny vahoaka, dia nitangorona ary lasa saina, satria samy naheno an’ireo mpianatra niteny tamin’ny fiteniny avy izy ireo. 7 Dia gaga be izy ireo, ka niteny hoe: “Jereo ange e! Tsy Galilianina+ daholo ve ireo miteny ireo? 8 Koa nahoana isika no maheno an-dry zareo miteny amin’ny fitenin-drazantsika avy? 9 Isika anefa Partianina, Medianina,+ Elamita,+ mponin’i Mezopotamia sy Jodia ary Kapadokia, ary avy any Ponto sy ny faritanin’i Azia,+ 10 Frijia sy Pamfylia, Ejipta sy ny faritr’i Libya akaikin’i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy izany na olona lasa nanaraka ny fivavahana jiosy,*+ 11 ary Kretanina sy Arabo. Rentsika anefa ry zareo miteny amin’ny fitenintsika avy, momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” 12 Gaga be mihitsy izy rehetra sady sahiran-tsaina, ka nifampiresaka hoe: “Inona no dikan’izao?” 13 Fa nisy kosa naneso hoe: “Mamon’ny divay mamy* ireo.”

14 Nitsangana anefa i Petera sy ny 11 Lahy.+ Dia niteny mafy tsara i Petera hoe: “Ry mponin’i Jodia sy ianareo rehetra mipetraka eto Jerosalema, fantaro izao ary henoy tsara ny teniko: 15 Tsy mamo, araka ny eritreretinareo, ireo olona ireo satria vao ora fahatelo amin’ny andro* izao. 16 Fa izao kosa no nasaina nolazain’i Joela mpaminany: 17 ‘“Ary amin’ny andro farany”, hoy Andriamanitra, “dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko ny karazan’olona rehetra, ka ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy haminany, ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana, ary ny lehilahy zokiolona eo aminareo hanonofy.+ 18 Ary na ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko aza, dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko amin’izany andro izany, ka haminany.+ 19 Ary hanao fahagagana* eny amin’ny lanitra ambony aho, sy famantarana eny amin’ny tany ambany—dia ra sy afo ary setroka matevina. 20 Ho maizina ny masoandro ary ho mena toy ny ra ny volana, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah,* dia ilay andro lehibe sady miavaka. 21 Ary izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah* no hovonjena.”’+

22 “Ry lehilahy israelita, henoy izao teny izao: Nasehon’Andriamanitra niharihary taminareo hoe nirahiny ilay lehilahy atao hoe Jesosy avy any Nazareta, satria tamin’ny alalany no nanaovan’Andriamanitra zavatra miavaka sy fahagagana* ary famantarana,+ araka ny efa fantatrareo. 23 Natolotra anareo iny lehilahy iny, satria efa sitrapon’Andriamanitra* izany sady efa fantany mialoha.+ Nofantsihanareo teo amin’ny tsato-kazo izy, ary olona mpandika lalàna no nasainareo nanao an’izany. Novonoinareo izy,+ 24 kanefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty.+ Nanafaka azy tamin’ny fanaintainan’ny* fahafatesana Izy, satria tsy nahavita nangeja azy ny fahafatesana.+ 25 Hoy mantsy i Davida momba azy: ‘Ataoko eo anatrehako* foana i Jehovah.* Tsy hangozohozo mihitsy aho satria izy eo ankavanako. 26 Noho izany, dia falifaly ny foko ary ravoravo ny lelako. Dia hanana fanantenana foana aho,* 27 satria tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana* aho, sady tsy havelanao ho lo ilay mpanomponao tsy mivadika.+ 28 Nampahafantarinao ahy ny lalana mankany amin’ny fiainana, ary hataonao faly be eo anatrehanao* aho.’+

29 “Ry rahalahy, mamelà ahy hiresaka amim-pahatsorana aminareo momba an’i Davida loham-pianakaviantsika, izay efa maty sady efa nalevina,+ ary eto amintsika ny fasany hatramin’izao. 30 Mpaminany izy, ary fantany fa nianiana taminy Andriamanitra hoe ny iray amin’ny taranany no hapetrak’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianany.+ Noho izany, dia 31 fantatr’i Davida mialoha fa hitsangana amin’ny maty i Kristy ary efa niresaka momba an’izany izy. Noresahiny hoe tsy nafoy tao amin’ny Fasana* i Jesosy sady tsy lo ny nofony.+ 32 Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty iny Jesosy iny, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.+ 33 Koa satria nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra izy+ ary nahazo ny fanahy masina nampanantenain’ny Ray,+ dia izy no nampilatsaka an’izao hitanareo sy renareo izao. 34 Fa tsy niakatra tany an-danitra i Davida, fa izy aza nilaza hoe: ‘Hoy i Jehovah* tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako 35 mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.”’+ 36 Aoka àry ho fantatry ny taranak’Israely rehetra mazava tsara fa nataon’Andriamanitra ho Tompo+ sy Kristy iny Jesosy novonoinareo teo amin’ny tsato-kazo iny.”+

37 Koa voatsindrona ny fon’izy ireo rehefa nandre an’izany, ka hoy izy ireo tamin’i Petera sy ny apostoly hafa: “Inona izany no tokony hataonay, ry rahalahy?” 38 Dia hoy i Petera: “Mibebaha,+ ary aoka samy hatao batisa+ amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ianareo tsirairay, mba hahazoanareo famelan-keloka.+ Ary hahazo an’ilay fanomezana maimaim-poana ianareo, dia ny fanahy masina. 39 Fa nampanantenaina an’izany ianareo sy ny zanakareo ary izay rehetra any lavitra any,+ izany hoe izay rehetra antsoin’i Jehovah* Andriamanitsika hanatona azy.”+ 40 Ary mbola niresaka zavatra maro i Petera ka nanome fanazavana feno,* ary namerimberina nampirisika azy ireo hoe: “Misaraha amin’ity taranaka maditra+ ity mba ho voavonjy ianareo.” 41 Natao batisa+ àry izay olona nanaiky tsara ny tenin’i Petera, ka niampy 3 000 teo ho eo ny isan’izy ireo tamin’iny andro iny.+ 42 Nihaino tsara foana ny fampianaran’ny apostoly izy ireo, sady nifanerasera akaiky* sy niara-nisakafo foana,+ ary tsy nitsahatra nivavaka.+

43 Dia natahotra daholo ny olona, ary be dia be ny fahagagana* sy famantarana nataon’ny apostoly.+ 44 Ary niaraka daholo izay lasa mpino, ka nikambanany daholo ny zava-drehetra. 45 Nivarotra ny taniny sy ny fananany izy ireo,+ ka ny vola azo dia nozarainy tamin’ny rehetra, araka izay nilain’ny tsirairay.+ 46 Tao amin’ny tempoly foana izy ireo isan’andro sady niray saina. Nisakafo tany amin’ny trano samy hafa koa izy ireo, ka faly erỳ nizara ny sakafony sady nanao an’izany tamin’ny fo madio, 47 ary nidera an’Andriamanitra sady nahazo sitraka tamin’ny vahoaka manontolo. Nandritra an’izany fotoana izany, dia nisy olona voavonjy nataon’i Jehovah* nanampy isa azy ireo isan’andro.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara