Ohabolana
2 Ankasitrahan’i Jehovah ny olona tsara toetra,
Fa melohiny kosa izay mitetika ny hanao ratsy.+
3 Tsy hilamina ny fiainan’izay olona manao ratsy,+
Fa ny olo-marina kosa hoatran’ny hazo tsy mety voaongotra mihitsy.
4 Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara toetra,+
Fa ny vehivavy manao zavatra manala baraka kosa toy ny lo mikiky ny taolan’ny vadiny.+
5 Ara-drariny ny hevitry ny olo-marina,
Fa mamitaka kosa ny tari-dalana omen’ny ratsy fanahy.
6 Mitovy amin’ny fandrika mahafaty* ny tenin’ny ratsy fanahy,+
Fa ny tenin’ny olo-marina kosa mamonjy azy.+
7 Tsy hisy intsony ny ratsy fanahy rehefa ringana,
Fa ho eo foana kosa ny ankohonan’ny olo-marina.+
8 Hoderaina ny olona mitandrina tsara an’izay lazain’ny vavany,+
Fa hatao tsinontsinona kosa ny olona fetsifetsy.+
10 Mikarakara ny biby fiompiny ny olo-marina,+
Fa tia mampijaly kosa ny ratsy fanahy, na dia mihevitra aza izy hoe mamindra fo.
12 Ny ratsy fanahy mitsiriritra ny zavatra azon’ny olon-dratsy,
Fa ny olo-marina kosa toy ny hazo mamaka tsara ka mamokatra.
13 Manota amin’izay lazainy ny olon-dratsy ka voafandriky ny teniny ihany,+
Fa ny olo-marina kosa afaka amin’ny fijaliana.
14 Mandray soa be dia be avy amin’izay lazainy* ny olona,+
Ary hahazo valisoa izy noho ny asan’ny tanany.
17 Hilaza ny marina ny vavolombelona azo itokisana,
Fa mamitaka kosa ny vavolombelona mandainga.
18 Manindrona hoatran’ny sabatra ny teny tsy voahevitra,
Fa manasitrana kosa ny tenin’ny hendry.+
20 Fitaka no ao am-pon’izay mitetika ny hanao ratsy,
22 Maharikoriko an’i Jehovah ny molotra mandainga,+
Fa mahafinaritra azy kosa ny olona tsy mivadika.
23 Tsy miresadresaka an’izay zavatra fantany ny olona malina,
Fa mamoaka ny hadalana rehetra ao am-pony kosa ny tsisy saina.+
26 Ny olo-marina mitady an’izay kijana tsara indrindra,
Fa ny ratsy fanahy kosa lasa diso lalana noho ny ataony ihany.
27 Tsy mety mandeha mihaza ny kamo,+
Fa harena sarobidy ho an’ny olona kosa ny fahazotoana.
28 Mitarika mankany amin’ny fiainana ny lalan’ny fahamarinana,+
Ary tsy mba misy fahafatesana ny lalana alehany.