Joba
30 “Mihomehy+ ahy izy ireo izao,
Dia ireo mbola zandriko.
Na ny rain’izy ireo aza anefa tsy ho nekeko
Hiaraka tamin’ny alika mpiandry ny ondriko akory.
2 Inona moa no mba nilako ny herin’izy ireo?
Tsy manana tanjaka intsony izy ireo.
3 Reraka izy ireo satria tsy manana na inona na inona sady noana;
Zara raha mahita hotsakoina izy any amin’ny tany karakaina,
Izay efa simba sy rava.
4 Mitsongo ahitra masira any anaty kirihitra izy ireo;
Fakan’anjavidy no sakafony.
5 Roahina tsy ho eo amin’ny fiaraha-monina+ izy ireo;
Horakorahin’ny olona izy ireo, hoatran’ny ataony amin’ny mpangalatra.
6 Eny amin’ny hantsana misolampy* izy ireo no mipetraka,
Any anaty lavaka any anaty tany, sy any anaty lava-bato.
7 Miantsoantso any anaty kirihitra izy ireo,
Ary mitangorona eny amin’ny tsilo.
8 Zanaky ny tsisy saina sy ny tsy fantatra anarana ireny,
Ka noroahina* hiala amin’ilay tany.
11 Nataon’Andriamanitra tsy afaka miaro tena aho* sady naetriny,
Ka manaram-po manao izay tiany* eo anatrehako izy ireo.
12 Mitsangana eo ankavanako toy ny vahoaka romotra izy ireo;
Teren’izy ireo handositra aho,
Ary asiany sakana mampidi-doza ny lalako.
13 Mandrava ny lalako izy ireo
Sady manampy trotraka ny fahoriako,+
Nefa tsy misy olona misakana azy ireo.*
14 Miditra toy ny olona mifanesika eo amin’ny gorobaka amin’ny manda izy ireo,
Ary mirohotra mankeo amin’ny toerana ravarava.
15 Matahotra be aho;
Nentin’ny rivotra ny voninahitro,
Ary levona toy ny rahona ny famonjena ahy.
17 Manaintaina toy ny voatrobaka* ny taolako, amin’ny alina;+
Manaikitra ahy tsy an-kijanona ny fanaintainana.+
18 Mifandrirotra be ny akanjoko;*
Manakenda ahy hoatran’ny vozon’akanjoko izany.
19 Natsipin’Andriamanitra tao anaty fotaka aho;
Nanjary toy ny vovoka sy lavenona aho.
20 Miantso vonjy aminao aho, nefa tsy valianao;+
Mijoro aho, nefa jerenao fotsiny.
21 Manohitra ahy ianao ka masiaka be amiko,+
Ary manafika ahy amin’ny herin’ny tananao manontolo.
22 Ingainao aho ary avelanao entin’ny rivotra,
Dia ataonao mitambolimbolina eny amin’ny tafio-drivotra.*
23 Fa fantatro fa hoentinao midina any amin’ny fahafatesana aho,
Dia any amin’ny trano hihaonan’ny velona rehetra.
25 Tsy mba nitomany ve aho rehefa nisy olona tao anatin’ny sarotra?
Tsy mba nalahelo an’ireo mahantra+ ve aho?
26 Zavatra tsara no nantenaiko, kanjo zava-dratsy no tonga;
Nanantena mazava aho, kanjo haizina no tonga.
27 Nangotikotika tsy nety nijanona ny tato anatiko;
Nianjady tamiko ny andro fahoriana.
28 Mandehandeha amin’alahelo+ aho; tsy misy andro mihiratra.
Mitsangana eo anivon’ny olona mivory aho ka miantso vonjy.
29 Lasa rahalahin’ny alikadia aho,
Sady naman’ny zanakavavin’ny aotirisy.+
31 Fisaonana ihany sisa no ampiasako ny harpa,
Ary feo mitomany ihany no avoakan’ny sodiko.