Salamo
33 Mihobia ianareo olo-marina, noho ny zavatra nataon’i Jehovah.+
Mety raha midera azy ny olona manao izay mahitsy.
2 Misaora an’i Jehovah amin’ny harpa;
Manaova hira fiderana* ho azy amin’ny zavamaneno misy tadiny folo.
3 Mihirà hira vaovao ho azy;+
Tendreo tsara ny zavamaneno misy tadiny, ary mihobia.
4 Fa marina ny tenin’i Jehovah,+
Ary mendri-pitokisana izy amin’izay rehetra ataony.
5 Tia rariny sy hitsiny izy.+
Manenika ny tany ny fitiavan’i Jehovah.*+
6 Ny tenin’i Jehovah no nampisy ny lanitra,+
Ary ny fofonain’ny vavany no nampisy ny zava-drehetra eny.*
7 Angoniny ny rano ao amin’ny ranomasina, ka toy ny hoe misy tohodrano;+
Ataony ao anaty trano fitehirizana ny rano manonja be.
8 Aoka ny tany manontolo hatahotra an’i Jehovah.+
Aoka ny mponina eo amin’ny tany lonaka hanaja azy.
10 Ataon’i Jehovah tsy mahomby ny tetik’ireo firenena;+
11 Ny fikasan’i Jehovah kosa maharitra mandrakizay;+
Tsy miova ny hevitra ao am-pony, na dia hatramin’ny taranaka fara aman-dimby aza.
13 Mitazana avy any an-danitra i Jehovah;
Hitany daholo ny zanak’olombelona.+
14 Avy any amin’ny toerana onenany izy
No mandinika an’ireo mponina eto an-tany.
15 Izy no namorona ny fon’izy rehetra;
Dinihiny daholo izay ataon’izy ireo.+
16 Tsy misy mpanjaka voavonjin’ny tafika lehibe ananany;+
Ny lehilahy matanjaka tsy voavonjin’ny hery lehibe ananany.+
17 Tsy azo antenaina hahazoana famonjena* ny soavaly,+
Sady tsy azo antoka hoe hahafahana hitsoaka na dia matanjaka be aza.
18 Ny mason’i Jehovah mitsinjo an’izay matahotra azy,+
Dia ireo miandry ny hanehoany fitiavana sy tsy fivadihana,
19 Mba hamonjena azy ireo tsy ho faty,
Sy hitsimbinana ny ainy mandritra ny mosary.+
20 Miandry an’i Jehovah isika.
Izy no mpanampy antsika sy ampingantsika.+
21 Faly ny fontsika noho ny zavatra ataony,
Satria matoky ny anarany masina isika.+