LAHATSORATRA FIANARANA 49
Hamaly ny Vavaka Ataoko ve i Jehovah?
“Hiantso ahy ianareo ka ho avy hivavaka amiko, dia hihaino anareo aho.”—JER. 29:12.
HIRA 41 Mba Henoy ny Vavaka Ataoko
HO HITANAO ATO:a
1-2. Nahoana isika no mety hieritreritra hoe tsy mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah?
“AOKA ianao ho finaritra tanteraka amin’i Jehovah, dia homeny anao izay irin’ny fonao.” (Sal. 37:4) Tsara erỳ izany fampanantenana izany! Fa tokony hanantena ve izany isika hoe homen’i Jehovah eo no ho eo daholo izay angatahintsika? Ilaina ny mieritreritra an’izany. Nahoana? Diniho ireto: Nangataka tamin’i Jehovah ny anabavy mpitovo iray mba hanao Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Nivadibadika teny ny taona, nefa mbola tsy voasa ihany izy. Marary be ny rahalahy tanora iray, dia mivavaka mba ho sitrana amin’izay afaka manompo kokoa ao amin’ny fiangonana. Tsy mihatsara anefa ny fahasalamany. Mivavaka ny ray aman-dreny iray mba tsy hiala amin’ny fahamarinana mihitsy ny zanany. Nanapa-kevitra anefa ilay ankizy tatỳ aoriana hoe tsy hanompo an’i Jehovah intsony.
2 Ianao koa angamba nangataka zavatra tamin’i Jehovah, nefa tsy nomeny ilay izy. Mety ho nieritreritra àry ianao hoe ny vavaky ny olona no valian’i Jehovah fa tsy ny anao. Na ianao lasa saina sao nisy tsy nety nataonao. Nahatsapa an’izany i Janice.b Te hanompo tao amin’ny Betela izy sy ny vadiny, dia nivavaka momba an’izany. Izao no nolazainy: “Resy lahatra aho hoe tsy hitahita akory dia ho ao amin’ny Betela izahay.” Nandeha teny anefa ny volana sy ny taona, fa mbola tsy voasa ihany izy roa. Hoy i Janice: “Kivy aho sady tsy hitako intsony izay hoeritreretina. Lasa saina aho hoe inona tamin’ny nataoko àry no nandiso fanantenana an’i Jehovah. Nanao vavaka voafaritra tsara aho mba hahazoana ny tari-dalany. Dia maninona izy no tsy namaly?”
3. Inona no hodinihintsika ato?
3 Indraindray isika misalasala raha mba mihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah. Na ny mpanompony tsy nivadika taloha aza nisalasala hoatr’izany. (Joba 30:20; Sal. 22:2; Hab. 1:2) Inona àry no handresy lahatra anao hoe tena hihaino ny vavaka ataonao izy? (Sal. 65:2) Mba hamaliana an’izany, dia andao aloha isika handinika an’ireto: 1) Inona no antenaintsika hoe hataon’i Jehovah? 2) Inona no andrasan’i Jehovah amintsika? 3) Nahoana isika indraindray no mila manova ny zavatra sasany angatahintsika?
INONA NO ANTENAINTSIKA HOE HATAON’I JEHOVAH?
4. Inona no ampanantenain’i Jehovah hoe hataony, araka ny Jeremia 29:12?
4 Mampanantena i Jehovah hoe hihaino ny vavaka ataontsika. (Vakio ny Jeremia 29:12.) Tian’ilay Andriamanitsika ny mpanompony tsy mivadika, ka sanatria azy ny hoe tsy hiraharaha ny vavak’izy ireo. (Sal. 10:17; 37:28) Tsy midika anefa izany hoe homeny daholo izay angatahintsika. Mila miandry ny tontolo vaovao angamba isika, vao hahazo ny zavatra sasany tiantsika ho azo.
5. Inona no dinihin’i Jehovah rehefa mihaino ny vavaka ataontsika izy? Hazavao.
5 Dinihin’i Jehovah ny ifandraisan’ny fangatahantsika amin’ny fikasany. (Isaia 55:8, 9) Anisan’ny fikasany ny hoe hofenoiny lehilahy sy vehivavy falifaly manaiky azy ho mpitondra eto an-tany. I Satana anefa milaza fa tsara kokoa ho an’ny olombelona raha ry zareo ihany no mifampitondra. (Gen. 3:1-5) Navelan’i Jehovah hifampitondra àry ny olombelona, mba hanaporofoana hoe mpandainga ny Devoly. Ny fitondran’olombelona anefa no mahatonga ny olana be dia be atrehintsika. (Mpito. 8:9) Fantatsika aloha fa tsy hanala an’ireny izao dia izao i Jehovah. Raha manao an’izany mantsy izy, dia mety hisy hieritreritra hoe tena mety ny fitondran’olombelona, satria mahavita mamaha an’ireny olana ireny.
6. Nahoana isika no mila resy lahatra hoe amim-pitiavana sy ara-drariny foana izay ataon’i Jehovah?
6 Na vavaka mitovy aza, dia mety ho samy hafa ny fomba amalian’i Jehovah azy. Narary be, ohatra, i Hezekia Mpanjaka, dia niangavy an’i Jehovah mba hanampy azy ho salama. Namaly azy i Jehovah ka nositraniny izy. (2 Mpanj. 20:1-6) Nisy fotoana koa ny apostoly Paoly niangavy an’i Jehovah mba hanala an’ilay ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ Mety ho aretina izy io. Dia ahoana no nataon’i Jehovah? Tsy nositraniny i Paoly. (2 Kor. 12:7-9) Eritrereto koa ny apostoly Jakoba sy Petera. Samy tian’i Heroda Mpanjaka hovonoina ry zareo. Nivavaka ho an’i Petera àry ny fiangonana, ary azo inoana fa nanao an’izany ho an’i Jakoba koa. Novonoina ihany anefa i Jakoba, fa i Petera kosa nanaovan’i Jehovah fahagagana dia voavonjy. (Asa. 12:1-11) Fa maninona i Petera no novonjen’i Jehovah fa i Jakoba navelany ho faty? Tsy mamaly an’izany ny Baiboly.c Ny azontsika antoka dia hoe “sanatria [an’i Jehovah] ny hanao ny tsy rariny.” (Deot. 32:4) Ary haintsika hoe samy nankasitrahan’i Jehovah, na i Petera na i Jakoba. (Apok. 21:14) Indraindray koa mety tsy araka ny nantenaintsika ny valim-bavaka azontsika. Matoky anefa isika hoe amim-pitiavana sy ara-drariny foana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika. Tsy mimenomenona ny amin’ny fomba amaliany an’ilay izy àry isika.—Joba 33:13.
7. Inona no ezahintsika tandremana ary nahoana?
7 Miezaka isika mba tsy hampitaha ny fiainantsika amin’ny an’ny hafa. Mety hangataka zavatra iray voafaritra tsara amin’i Jehovah, ohatra, isika nefa tsy omeny ilay izy. Henontsika anefa atỳ aoriana fa nisy nangataka zavatra mitovy amin’ny antsika, dia hoatran’ny hoe novalian’i Jehovah ny vavaka nataony. Izany no tsapan’i Anna. Matthew no anaran’ny vadiny. Voan’ny kansera izy io, dia nivavaka izy mba ho sitrana i Matthew. Nisy anabavy be taona roa koa niady mafy tamin’ny kansera tamin’izany. Nivavaka mafy ho an’i Matthew sy ireo anabavy ireo i Anna. Sitrana izy mirahavavy fa nampalahelo hoe maty i Matthew. Lasa saina i Anna tamin’ny voalohany hoe i Jehovah ve no nanasitrana an’ireo anabavy ireo. Raha izay mantsy, dia maninona izany no tsy novaliany ilay vavaka nataony hoe mba ho sitrana koa ny vadiny? Mazava ho azy fa tsy afaka miteny isika hoe ahoana no nahasitrana an’ireo anabavy. Ny fantatsika kosa dia hoe manana vahaolana maharitra amin’ny fijaliantsika rehetra i Jehovah, ary efa tsy andriny ny hananganana ny namany amin’ny maty.—Joba 14:15.
8. a) Ahoana no anampian’i Jehovah antsika? (Isaia 43:2) b) Nahoana ny vavaka no manampy antsika hiatrika zava-tsarotra? (Jereo ilay video hoe Manampy Antsika Hiaritra ny Vavaka.)
8 Hanampy antsika foana i Jehovah. Ray be fitiavana izy ka tsy tiany ny mahita antsika mijaly. (Isaia 63:9) Na izany aza, dia tsy hoe sakanany daholo ny fitsapana mahazo antsika. Azo oharina amin’ny renirano na afo izy ireny. (Vakio ny Isaia 43:2.) Mampanantena anefa izy hoe ‘hanampy antsika hiampita’ renirano sy ‘handeha’ eo amin’ny afo. Tsy misy fitsapana avelany hisakana antsika tsy hanompo azy koa. Ankoatra izay, dia omen’i Jehovah fanahy masina isika mba hanampiana antsika hiaritra. (Lioka 11:13; Fil. 4:13) Afaka matoky àry isika hoe hanana an’izay rehetra ilaina foana isika, mba hahafahantsika hiaritra sy tsy hivadika aminy.d
INONA NO ANDRASAN’I JEHOVAH AMINTSIKA?
9. Nahoana isika no mila matoky hoe hanampy antsika i Jehovah, araka ny Jakoba 1:6, 7?
9 Manantena i Jehovah hoe hatoky azy isika. (Heb. 11:6) Indraindray hoatran’ny hoe mihoatra ny loha mihitsy ny fitsapana mianjady amintsika. Mety hanomboka hisalasala aza isika raha tena hanampy antsika i Jehovah. Manome toky anefa ny Baiboly hoe noho ny herin’Andriamanitra, dia hahavita ‘hianika manda’ isika. (Sal. 18:29) Tsy tsara àry ny misalasala fa aleo kosa manam-pinoana foana rehefa mivavaka, ary matoky hoe hamaly an’izany i Jehovah.—Vakio ny Jakoba 1:6, 7.
10. Ahoana, ohatra, no ampisehoantsika fa manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataontsika isika?
10 Manantena i Jehovah hoe hanao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataontsika isika. Mety hivavaka, ohatra, ny rahalahy iray mba hahazo andro tsy hiasana, amin’izay izy ho afaka hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra. Ahoana no mety hamalian’i Jehovah azy? Omeny ny herim-po ilainy angamba ilay rahalahy, mba ho sahy hanatona an’ilay mpampiasa. Mila manao zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka nataony anefa izy, dia mandeha miresaka amin’ilay mpampiasa. Mila manao an’izany imbetsaka angamba izy. Mety hanakalo ny fotoana iasany amin’ny mpiara-miasa aminy mihitsy aza izy, na hifidy hoe esorina amin’ny karamany ny andro tsy iasany.
11. Nahoana isika no tokony hivavaka imbetsaka momba an’izay mampanahy antsika?
11 Manantena i Jehovah hoe hivavaka imbetsaka momba an’izay mampanahy antsika isika. (1 Tes. 5:17) Hita amin’ny tenin’i Jesosy fa tsy ho azontsika eo no ho eo daholo izay angatahintsika. (Lioka 11:9) Aza kivy àry! Mivavaha mafy, dia ataovy matetika izany. (Lioka 18:1-7) Rehefa manohy mivavaka momba ny zavatra iray mantsy isika, dia mampiseho amin’i Jehovah hoe tsy faniriana miserana fotsiny ilay izy, ary mino isika fa afaka manampy antsika izy.
NAHOANA ISIKA INDRAINDRAY NO MILA MANOVA NY ZAVATRA SASANY ANGATAHINTSIKA?
12. a) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika, ary nahoana? b) Ahoana no ahazoantsika antoka hoe manaja an’i Jehovah ny vavaka ataontsika? (Jereo ilay hoe “Manaja An’i Jehovah ve ny Zavatra Angatahiko?”)
12 Misy fanontaniana telo mila eritreretintsika, raha tsy azontsika izay nangatahintsika tamin’ny vavaka. Izao no voalohany: ‘Mety ve ilay zavatra angatahiko?’ Matetika isika no mieritreritra hoe isika no mahalala an’izay mahasoa antsika indrindra. Tsy voatery hahasoa antsika foana anefa izay nangatahintsika, rehefa mandeha ny fotoana. Raha momba ny olana iray no ivavahantsika, dia mety hisy vahaolana tsara kokoa amin’ilay izy noho ilay angatahintsika amin’i Jehovah. Mety tsy hifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah koa ny zavatra sasany tiantsika ho azo. (1 Jaona 5:14) Diniho indray ny ohatr’ilay ray aman-dreny noresahintsika terỳ aloha. Nangataka tamin’i Jehovah ry zareo mba tsy hiala amin’ny fahamarinana mihitsy ny zanany. Hoatran’ny hoe mety izany. Tsy manery an’iza na iza hanompo azy anefa i Jehovah. Tiany hifidy hanompo azy kosa isika rehetra, anisan’izany ny zanatsika. (Deot. 10:12, 13; 30:19, 20) Inona àry no azon’ilay ray aman-dreny angatahina amin’i Jehovah? Hoe mba ampiany izy mivady hanohina ny fon’ny zanany, amin’izay izy ho tia an’i Jehovah sy ho lasa namany.—Ohab. 22:6; Efes. 6:4.
13. Rahoviana i Jehovah no hanampy antsika, araka ny Hebreo 4:16? Hazavao.
13 Intỳ ny fanontaniana faharoa: ‘Izao ve no fotoana mety amin’i Jehovah mba hamaliana ny vavaka nataoko?’ Mieritreritra isika indraindray hoe mila valim-bavaka eo no ho eo. Raha ny marina anefa, dia i Jehovah no mahafantatra ny fotoana tsara indrindra anampiana antsika. (Vakio ny Hebreo 4:16.) Rehefa tsy azontsika eo no ho eo izay nangatahintsika, dia mety hieritreritra isika hoe ‘tsia’ no valiny avy amin’i Jehovah. Indraindray anefa ilay valiny mety hoe ‘mbola tsy izao aloha.’ Eritrereto indray ilay rahalahy tanora nivavaka mba ho sitrana. Raha nanao fahagagana i Jehovah mba hanasitranana azy, dia ho afaka nilaza i Satana hoe noho izy nositranina fotsiny no mahatonga azy hanompo an’i Jehovah. (Joba 1:9-11; 2:4) Tsy izay ihany, fa efa nisy fotoana noeritreretin’i Jehovah hanasitranana ny aretina rehetra. (Isaia 33:24; Apok. 21:3, 4) Tsy afaka manantena fahagagana àry isika mba ho sitrana, mandra-pahatongan’izay. Inona àry no azon’ilay rahalahy angatahina amin’i Jehovah? Hoe mba homeny hery sy fiadanan-tsaina izy, amin’izay hahavita hiaritra an’ilay aretiny sy hanompo an’Andriamanitra foana.—Sal. 29:11.
14. Inona no ianaranao avy amin’i Janice?
14 Tadidinao ve i Janice, ilay nivavaka hoe te hanompo ao amin’ny Betela? Efa dimy taona tatỳ aoriana vao azony ny fomba namalian’i Jehovah ny vavaka nataony. Hoy izy: “Nampiasa an’io fotoana io i Jehovah mba hampianarana ahy sy hanatsarana ny toetrako. Nila natoky azy kokoa sy nanatsara ny fomba fanaovako fianarana samirery aho. Tsy izay ihany, fa nila nianarako hoe afaka ny ho faly foana aho fa tsy miankina amin’ny zavatra iainako ny fifaliako.” Voasa hanao ny asan’ny faritra i Janice sy ny vadiny tatỳ aoriana. Rehefa mieritreritra ny lasa i Janice, dia izao no nolazainy: “Tena namaly ny vavaka nataoko i Jehovah, na dia tsy araka ny noeritreretiko aza ny fomba nanaovany an’izany. Nila fotoana kely aho vao nahita hoe soa ihany fa hoatran’iny no namaliany an’ilay izy, ary tena mankasitraka azy aho satria tsapako hoe tia ahy sy tsara fanahy amiko izy.”
Raha tsapanao hoe tsy nivaly ny vavaka nataonao, dia maninona raha zavatra hafa indray no angatahina? (Fehintsoratra 15)f
15. Nahoana no mety hila ataontsika malalaka kokoa ny vavaka ataontsika? (Jereo koa ny sary.)
15 Intỳ ny fanontaniana fahatelo: ‘Sao dia zavatra hafa no tokony hangatahiko amin’ny vavaka?’ Marina hoe tsara ny manao vavaka voafaritra tsara. Mety hahita ny sitrapon’i Jehovah momba antsika anefa isika, raha somary malalaka kokoa ny zavatra angatahintsika. Eritrereto ilay anabavy mpitovo nivavaka mba hanao Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Te ho any amin’izay toerana ilana mpitory betsaka kokoa izy. Sady afaka mivavaka mba hanao an’ilay sekoly àry izy, no afaka mivavaka amin’i Jehovah koa mba hanampy azy hahita fomba hafa hampitomboana ny fanompoany. (Asa. 16:9, 10) Manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka ataony izy avy eo, rehefa manontany ny mpiandraikitra ny faritra sao misy fiangonana mila mpisava lalana eo akaikikaiky eo. Na izy afaka manoratra any amin’ny biraon’ny sampana, dia manontany hoe aiza ny faritany mila mpitory maro kokoa.e
16. Afaka matoky ny amin’ny inona isika?
16 Hitantsika teo àry fa afaka matoky isika hoe amim-pitiavana sy ara-drariny no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika. (Sal. 4:3; Isaia 30:18) Indraindray tsy ilay valiny nantenaintsika no azontsika. Sanatria an’i Jehovah anefa ny hoe tsy hiraharaha ny vavaka ataontsika. Tena tia antsika izy, ary tsy hahafoy antsika mihitsy. (Sal. 9:10) “Matokia azy foana” àry, dia aborahy aminy amin’ny alalan’ny vavaka izay ao am-ponao.—Sal. 62:8.
HIRA 43 Vavaka Fisaorana
a Nahoana isika no afaka matoky fa amim-pitiavana sy ara-drariny foana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika? Hohazavaina ato amin’ity lahatsoratra ity izany.
b Novana ny anarana sasany.
c Jereo ilay hoe “Matoky ve Ianao hoe Mety Foana Izay Ataon’i Jehovah?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Febroary 2022, feh. 3-6.
d Manazava kokoa momba ny fomba anampian’i Jehovah antsika hiaritra zava-tsarotra ilay video hoe Manampy Antsika Hiaritra ny Vavaka, ao amin’ny jw.org.
e Raha te hanompo any amin’ny faritanin’ny sampana hafa ianao, dia jereo ilay boky hoe Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, toko 10, feh. 6-9.
f SARY: Anabavy roa samy mivavaka alohan’ny hamenoana fangatahana hanao Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Ny iray ihany anefa no voasa. Tsy hoe diso fanantenana loatra ilay anabavy tsy voasa, fa mivavaka amin’i Jehovah mba hampiany hahita fomba hafa hampitomboana ny fanompoany. Manoratra any amin’ny biraon’ny sampana izy avy eo, dia milaza fa vonona hanompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa.