Salamo
Ho an’ny mpitarika; atao Gitita.* Nataon’i Asafa.+
81 Mihobia an’Andriamanitra fa izy no herintsika.+
Manaova horakora-pandresena ho an’ny Andriamanitr’i Jakoba.
2 Mitendre mozika, ary makà ampongatapaka
Sy harpa mamoaka feo mahafinaritra ary zavamaneno fitendry.
4 Didy nomena ny Israely mantsy izany,
Fitsipika avy amin’ilay Andriamanitr’i Jakoba.+
Naheno feo* tsy fantatro aho, nilaza hoe:
6 “Nesoriko teo an-tsorony ny enta-mavesatra;+
Tsy nampitondraina sobika intsony ny tanany.
7 Niantso ianao rehefa tao anatin’ny sarotra, dia namonjy anao aho;+
Ary nitsapa toetra anao teo amin’ny rano tao Meriba.*+ (Sela)
8 Mihainoa, ry vahoakako, fa hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho.
Ry Israely ô, raha mba nihaino ahy mantsy ianao,+
9 Dia tsy ho nisy andriamani-kafa teo aminao,
Ary tsy ho niankohoka tamin’ny andriamanitry ny firenen-kafa ianao.+
10 Izaho Jehovah no Andriamanitrao,
Ilay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta.+
Sokafy mitanatana ny vavanao fa hofenoiko.+
11 Tsy nihaino ny teniko anefa ny vahoakako;
Tsy nankatò ahy ny Israely.+
13 Raha mba nihaino ahy mantsy ny vahoakako,+
Raha mba nandeha tamin’ny lalana natoroko mantsy ny Israely,+
14 Dia ho nataoko vetivety dia resy ny fahavalony;
Ho namely an’ireo nanohitra azy ny tanako.+
15 Hatahotra ireo mankahala an’i Jehovah rehefa eo anatrehany,
Ary haharitra mandrakizay ny loza hanjo azy.*