FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 22:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “Raha toa ianao mampisambo-bola ny oloko ory izay miara-monina aminao,+ dia aza manao toy ny mpanjana-bola. Aza mangataka zanabola aminy.+

  • Deoteronomia 23:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Aza maka tombony amin’ny rahalahinao+ rehefa mampisambotra vola na sakafo+ na zavatra hafa mety ho azo akana tombony.

  • Nehemia 5:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Koa rehefa nandinika tsara an’ilay raharaha aho, dia nomeko tsiny+ ireo olona ambony sy solontenam-panjakana. Ary hoy aho tamin’izy ireo: “Be loatra ny zanabola+ takinareo amin’ny rahalahinareo.”

      Nandamina fivoriana lehibe ho azy ireo koa aho.+

  • Salamo 15:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Tsy mitaky zanabola izy rehefa mampisambotra,+

      Ary tsy mandray kolikoly hanamelohana ny tsy manan-tsiny.+

      Tsy hangozohozo mihitsy izay manao izany rehetra izany.+

  • Ohabolana 28:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Izay mampitombo ny harenany amin’ny fakana zanabola+ sy tombony tafahoatra dia manangona izany ho an’izay miantra ny mahantra.+

  • Ezekiela 18:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Naka tombony izy+ na naka zanabola rehefa nampisambo-bola+ ka ho faty tokoa. Izany zava-maharikoriko rehetra izany no nataony,+ ka hovonoina ho faty tokoa izy. Ary izy ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesany.*+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara