10 Izaho sy ny rahalahiko ary ny mpanompoko koa mba efa nampisambotra vola sy varimbazaha tamin’ny Jiosy. Kanefa, aoka re isika mba tsy hitaky zanabola amin’izy ireo intsony e!+
12 Misy mandray kolikoly eo aminao mba handatsahan-dra.+ Maka zanabola+ sy maka tombony ianao rehefa mampisambo-bola.+ Mampiasa herisetra mba hakana tombony+ amin’ny namanao ianao ka manambaka azy,+ ary hadinonao aho’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.