FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 19:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary ankehitriny, raha mankatò+ an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo ka tena manaja ny fifanekena hataoko aminareo,+ dia ho fananako manokana fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo,+ satria ahy ny tany manontolo.+

  • Eksodosy 33:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary ahoana moa no hahafantarana fa mahazo sitraka aminao izaho sy ny olonao? Tsy amin’ny fandehananao miaraka aminay ve?+ Amin’izay dia hiavaka amin’ny firenena hafa etỳ ambonin’ny tany izaho sy ny olonao.”+

  • 1 Mpanjaka 8:53
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 53 Fa ianao, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, no nanasaraka azy tamin’ny firenena rehetra eto an-tany mba ho lovanao,+ araka izay nolazainao tamin’ny alalan’i Mosesy+ mpanomponao rehefa nitondra ny razanay nivoaka avy tany Ejipta ianao.”

  • 2 Korintianina 6:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Ary inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?+ Fa tempolin’ilay+ Andriamanitra velona isika, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: “Honina eo amin’izy ireo aho+ sady ho eo aminy, dia ho Andriamaniny aho, ary izy ho oloko.”+

  • 1 Petera 2:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Ianareo kosa dia “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina,+ olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana,+ mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay”+ niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara